Friday, December 28, 2007

Raha toa moa ka … hiakatra 40% ny karama amin’izao taona vaovao izao

Janoary 2007, 1.300 Ariary ny vidin’ny “dibera” margarine Marna Gold iray vokarin’ny orinasa TIKO. Janoary 2008, tafakatra ho 1.800 ariary ny vidin’io sakafo anankiray io. Ho an’ny mahay matematika toa ahy, dia midika tsotra izany fa niakatra 38% izany ny vidin’io PPN iray io, ary mitovitovy amin’izay ihany koa ny vidin’ny vokatra TIKO hafa rehetra.

Dia rehefa ampihariko amin’ny lojikako amin’izay izay toe-javatra izay, ka sainiko fa Atoa Marc Ravalomanana, Filohan’ny Repoblika no tompon’ny orinasa TIKO, dia velom-panantenana aho hoe … ho hitan’ny mpitondra miharihary kokoa izany ny fiakaran’ny vidim-piainana satria efa tsapany teo amin’ny orinasa tantaniny.

Koa amin’izao taona vaovao ho avy izao, izay hiandrandran’ny valalabemandry fiakaran’ny karama, raha niakatra 38% ny vidin’ny dibera, mahazo manantena aho izany fa hiakatra 40% farafahakeliny ny karaman’ny mpiasambahoaka, ary hanaraka an’izay ihany koa ny an’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Lojika. Toa hitako ery ny vavan’ny mpanohitra sina tsy miteny rehefa ambaran’ny Filoha amin’ny kabariny fa 40% (na 45% na 50%) ny fiakaran’ny karaman’ny mpiasambahoaka.

Raha, …

Raha toa ka mitovy fomba fijery amiko ny mpitondra,

Raha toa ka nisy tokoa ny fahombiazana teo amin’ny fitondrana ny firenena,

Raha toa ka tsy fampiesonana fotsiny ilay hoe fahaiza-mitantana sy fitiavana an’i Madagasikara

Saingy, …

Hay moa ny ahy revin-gadra, ka ho tanteraka ny faniriako rehefa azo atsofoka ao anaty tavoahangy i Parisy

Hay moa ny vavan’ny mpanohitra efa ela no sina, fa sady nailiky ny mpitondra no naloan’ny vahoaka, ka raha misy te ho mamy hoditra amin’ny vahoaka dia na milaza fa manohana 100% ny fitondrana, na sady tsy mpanohana no tsy mpanohitra fa TSY MIANKINA,

Hay moa samy manana ny Madagasikarany ny tsirairay, ho ahy manokana (DotMG), ohatra, dia ny orinasako no ao an-tsaiko rehefa miteny aho hoe Madagasikara, ka raha milaza aho fa handroso ny fireneko, dia ny orinasako no ao an-tsaiko amin’iny, ary raha midoka tena aho hoe mahay mitantana, dia ny orinasako no nampiharako izay fahaiza-mitantana nananako izay, ka raha iray tapitrisa isam-bolana no tombony azoko tamin’ny orinasako tamin’ny volana janoary 2007, dia ho niakatra 5 tapitrisa ariary isam-bolana izany herin-taona aty aoriana …

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment