Monday, December 17, 2007

Raha toa moa ka … efa miantomboka ny fiafaran’ny TIM?

Toa ny teo ihany no miverina, nosoloin’ny scenariste fotsiny ny mpilalao, ka ilay rôle omaly no lasa deba androany, ilay deba omaly mantsy lasa nisotro ronono, ary ilay rôle androany dia tsy inona fa personnage-n’ilay rôle omaly lasa deba androany ihany.

Fa naninona no resy ny TIM, hoy i jentilisa. Resy tokoa ny TIM, tsy teto Antananarivo fa na tany Antsirabe aza, izay tonga amin’ny vazivazin’ny mpanao baolina hoe efa izy sy ny angatra sisa mbola tsy mahafaty baolina ihany.

Mba hametraka fanontaniana koa aho hoe “Dia hanao ahoana moa izao no hiafaran’ity TIM ity?”. Nanao ahoana moa no niafaran’ny pisodia, ny UNDD, ny AREMA? Aiza daholo izy ireny izao? Tsy aiza fa navadiky ny pejy dia nanjavona. Fa inona no antony?

Toa tsotra amiko ny anton’ny fisandratan’ny antoko politika iray (ascension fulgurante) sy ny fietreny mahatalanjona (chute spectaculaire). Tsotra! Ny antoko politika eto Madagasikara dia tsy sehatra hampivondronana firehan-kevitra mitovy ho amin’ny fampandrosoana fa tohatra iakaran’ny olona iray ho eo amin’ny toerana iriny fotsiny ihany. Ireo antoko sy fikambanana politika rehetra lehibebe, dia ahitana guru anankiray, tsirefesimandidy, tsitohaina, tompon’ny antoko, tompon’ny vola mihodina ao amin’ny antoko, tompon’ny hevitra, tompon’ny fanapahan-kevitra, tompon’ny lalàna ifehezana ny antoko, ary (fanindroany): tompon’ny antoko. An-dRatsiraka ny AREMA, koa dia miala tsiny aminao Atoa Pierre Raharijaona, miala tsiny aminao Atoa Pierrot Rajaonarivelo, miala tsiny aminao Atoa Pierre Houlder, fa mamoròna ianao antoko ho anao manokana raha te ho rôle fa io AREMA io tsy lovanao. Azy sy ny zanany naterany io, fa na zana-drahalahy na zanak’anabavy aza tsy ho tompony. Dia “Copier/Coller” amin’izay koa ny antoko Tiako i Madagasikara.

Ireo mpikambana ao amin’ny antoko politika dia tsy aingain’ny faharesen-dahatra hoe io antoko io no sehatra hahafahana mampandroso ny firenena, fa matetika mpialokaloka na mikaroka tombontsoa ho an’ny tenany manokana.

Porofon’io toe-tsain’ny tia politika te ho lohany io ny tsy nahombiazan’ny Hery Velona tamin’ny 1991. Ny mahaliana ny mpiara-dia dia tsy any amin’ny hoe mifanaraka amin’izay nifanarahana ve ny fitondran’ny mpitondra ny fahefana, fa hoe nahoana i anona no eo amboniko? Ankehitriny, lasa zavatra mahamenatra izany hoe AREMA izany, ary efa mahamenatra ny sasantsasany koa ny hoe TIM. Rahampitso koa ve hahamenatra ny hoe izahay TGV?

Arakarany io, ireo nantsoin’ny TGV dia nanohana ireny, nentanin’ny fanantenana vaovao ve, sa resy lahatra fa misy vola hihodina ao amin’ny fampielezan-keviny ao? Ny Ben’ny Tanàna vaovao vao lany ve, hihaino ny bitsiky ny mpifidy sa ho variana amin’ny ady amin’ny ngeza noho izy, ka hikatsaka izay fomba hiakarana amin’ny ambonimbony kokoa? Eo ny checklist hahitana ny fandehany sy hitsarana azy.

Fa ho an’ny TIM aloha dia hita fa mila manasa loha aloha izy, ka tokony mba hijery izay safidin’ny base amin’ny fifidianana, fa tsy izay sitraky ny any ambony fotsiny no hapetraka ho kandida. Matoa kely ny vokatra dia ireo mpikambana TIM mihitsy no tsy mifidy TIM, koa raha milaza ianareo fa resy ny TIM, dia tsy hoe ny TGV no nandresy azy tsy akory, fa ny TIM mihitsy no efa reraka sahady.

Azo vinaniana ary ve, mba hitovizantsika amin’ny any Etazonia, dia hanangana antoko lehibe iray ny vahoaka, ary ny mpikambana ao amin’ny antoko dia handoa latsakemboka ho fampandrosoana ny fiainan’izany antoko izany, mba tsy ho an’olon-tokana ilay antoko fa ho an’ny besinimaro?

Friday, December 14, 2007

Raha toa moa ka … tsy lanian’ny HCC i andry tgv

Mandre resaka aho mandeha fa tsy manara-dalàna zato isan-jato hono ny Tanora malaGasy Vonona sy ny Tiako i Madagasikara tamin’iny fifidianana ben’ny tanàna farany teo iny. Eo amin’ny haben’ny sarin’ny kandida hono no tsy manara-penitra satria ngeza loatra ny sasany, toy ireny tamin’ny fiara ireny. Dia tsy mahay izay lalàna momba izany raha ny tenanay an!

Manamarika ireo mpitantara tsaho fa dia izy mirahalahy laharana voalohany sy faharoa mihitsy hono no nanao izany tsy fanarahan-dalàna izany. Tetika efa nomanin-dRamose mihitsy hono io, mahita raha koa ange ny malagasy sasany e! Ireny angamba no diso fanantenana fa mpomba an’i Savaron, sa ilay mamoron-tsaho mihitsy no tena mba fialamboliny?

Dia hoy aho hoe: Raha toa moa ka … ataon’ny HCC hoe disqualifiés izy mi-tsam fa tsy nanara-dalàna? dia izay kandidà be vato manaraka azy no lany ho ben’ny tanàna: i Arson miaraka amin’ny vato miisa 9723.

Thursday, December 13, 2007

Et si … on jouait à la roulette russe

Ary raha toa moa ka tsy amin’ny alalan’ny fifidianana no nanendrena ny Ben’ny Tanàna? Ity antsapaka anankiray atao hoe Roulette russe ity no nampiasaina?

Asiana bala dimy ao anaty revolvera dia ahodina dia tifirina eo amin’ny lohan’ny kandidà tsirairay avy, ka raha sendra bala dia maty any iny, tsy misy mimenomenona intsony, raha tsisy bala dia iny no lany Ben’ny Tanàna.