Friday, March 7, 2008

Raha toa moa ka … efa ela no niandrasako olona hi-tag ahy?

1 of 7 secrets.

Ela ny ela ka nisy ni-tagy ihany i DotMG. Ho an’izay tsy mahalala aloha dia jereo ery amin’ny faran’ny lahatsoratra ery ny atao hoe tag.

Ho ahy manokana izany dia hasehoko tsirairay ny sekire nomaniko. Izany hoe lahatsoratra iray: sekire iray, viktima vaovao iray. Ny sekire voalohany ary dia hoe: Efa ela no niandrasako olona hi-tagy ahy. Izay. Efa voaomana ity style vaovao ity, ilay hoe atao lava resaka ny sekire iray, ary atao post iray mitokana mihitsy.

Ho an’ity sekire voalohany ity ary dia i Pov no viktima. Dia manainga anao izany ry Pov mba hamoaka sekire 7 ao @ http://povonline.wordpress.com/ Dia rehefa mamoaka an’ireo sekire 7 ireo ianao dia manondroa olona 7 (viktima) hamoaka ny sekireny ihany koa. Olona 7 tsy mbola nisy ni-tagé. Vita tompoko.

Ahoana? Tsy ampy ilay sekire nolazaiko teo fa maivana? Tena sekire marina e! Ampy io.

Ao ary fa ampiako kely e!

Misy lakileny ny WC-nay aty am-piasana. Dia rehefa miditra ao aho dia fadiako mihitsy izany hoe manajanona lakile eo am-baravarana fa vohaiko ny varavarana dia ataoko am-paosy ny lakile vao miditra aho. Any anatiko any toa misy feo mampitahotra hoe raha ajanon’ialahy eo io fanalahidy io ka hidian’ny olona ao ialahy dia tsy tafavoaka ao intsony. Izany hoe olona suspicious izany DotMG amin’ny zavatra sahala amin’izany. Endrika iray maneho izay toetra izay ihany koa, rehefa mijery valim-panadinana aho ka mahita ny anarako, dia mbola te-hijery fanindroany, fanintelony, faninefany hanamarina tsara hoe tena nahita ve ilay masoko teo sa tsia?

Tag:  Ny atao hoe tag dia misy mpitoraka blaogy manainga anao hamboraka tsiambaratelo 7 sy hanendry olona 7 hafa tsy mbola voa-tagé hanao toy izany. Ohatry ny hakandray io izany e, izay voa farany no mamay satria lasa mihasarotra ny mitady viktima.

Monday, March 3, 2008

Raha toa moa ka … tsy izany no ilaina.

Tantara marina ity, fa tsy mahatsikaiky anefa. Niseho omaly tao am-piangonana.

Aorian’ny raharaham-piangonana no atao ny fanaterana rakitra, ary raha misy hira nangatahin’ny mpanefa voady masina dia ireny hira ireny aloha no atao mialoha, fa raha tsy misy izany na rehefa vita avokoa, dia tononin’ny mpitarika ny laharan-kira hohiraina. Nitsangana ingahy Mpitandrina Mpanampy, dia niteny hoe:

“Ny laharan-kira Fihirana Fanampiny faha 41 sy faha 46 no hataontsika izao. Hira fanampiny 41 sy 16.”

Dia ren’ny mpitendry izay dia natao aloha ny Hira Fanampiny faha 41.

Vita iny, dia nanomboka naneno ny feon’ilay Hira Fanampiny faha 46.

Nitsangana avy hatrany ilay Mitandrina Mpanampy hanitsy:

“Hira Fanampiny faha-16″, hoy izy. “Tsy izany no ilaina”.

Fa tonga dia toran’ny hehy ny mpiangona, hatramin’Ingahy Mpitandrina Tompon-toerana aza mba nampiseho ny nifiny ihany koa. Ingahy Mpitandrina Mpanampy tsy tonga saina mihitsy hoe fa inona aza no tokony ho nampihomehy ny olona tamin’izany fifandisoana izany.

Ity ilay Hira Fanampiny faha-16, nosoratan’i Bessa:

Tsy vitam-po onena, Tsy vitan-dranomaso
Ny asam-pamonjena, tsy azo atao mifampiandry andraso
Tsy azo ifanerena, mila fandavan-tena
Sy hery tsy mba maty, herim-po, herin-tsaina koa.
Na onena ny fonao, na tomany ny maso
TSY IZANY NO ILAINA fa fifankatiavana