Wednesday, August 6, 2008

What if … on vacation.

Raha sitrakareo dia mba haka rivotra kely ihany koa ny what if … mandritra ny roa volana latsaka kely eo ho eo. Tsy hanoratra lahatsoratra aloha izany fa mba hanadino kely ny tontolon’ny blaogy mandritra io fe-potoana io.

Eto amin’ity blaogy ity moa, na dia rediredy aza no betsaka eto, misy mason-tsivana ampiharina ihany, ary maromaro ihany ny lahatsoratra efa vita no niniana tsy navoaka, nisy ihany koa tamin’ireny lahatsoratra navoaka ireny no nijanona herinandro maromaro tao anaty vakiraoka tao aloha vao naseho, fa nila nodinihina maharitra. Amin’izao fotoanan’ny fakan-drivotry ny blaogy izao, dia hohitarina kely ny mason-tsivana, ka misy amin’ireo lahatsoratra izay tsy navoaka ireny no avela hiseho masoandro. Natao ho ahy manokana anefa izy ireny, tena blague débile, ary tsy hahaliana anao velively, fa izaho irery ihany no mort de rire aminy. Mba iangaviako ary ianao tsy hamaky ny lahatsoratra roa manarakaraka mivoaka eto, raha sitrakao mazava ho azy. Dia manome fotoana anareo any amin’ny volana septambra any indray.

Misaotra tompoko.