Sunday, August 31, 2008

Raha toa moa ka … mahasoa sy mahafinaritra

Tokony ho efa ela itony no nivoaka fa sendra ny panne dia very tany, dia naverina nosoratana aloha. Ity no iray amin’ilay hoe aza vakiana iny e, raha tadidinareo.

(Inspired from the comments on simplex’ Odd one out, http://simplex.blaogy.com/post/326/5077)

I Mahasoa dia tsy mba mandeha irery mihitsy fa miaraka amin’ny sakaiza iray foana izy. Tamin’ny voalohany dia i Mahasoa sy i Mahafinaritra no mpisakaiza tsy misaraka mihitsy. Tena nalaza izy mi-tsam, ary izay nisy azy dia nifanotofana haleha, fa hoe … atsy hono no misy an’i Mahasoa sy an’i Mahafinaritra.

Taty aoriana anefa, tsy hita niaraka intsony Mahasoa sy Mahafinaritra fa izay nisy an’i Mahasoa, toa tsy nisy an’i Mahafinaritra. Naka sakaiza vaovao indray ary i Mahasoa, ka zazakely teratany thailandey antsoina hoe Patrice (afohezina hoe Pat) izay indray no hitany. Dia niaraka teny indray aloha i Mahasoa sy Pat. I Mahasoa dia nahatazona ny anarany hoe Mahasoa foana, fa i Pat kosa dia miovaova araka ny vanim-potoana ny anaram-bositra nomena azy. Tsindraindray, ny maha-thailandey azy no tadidin’ny olona dia antsoiny hoe Thai: Iny i Mahasoa sy Thai. Indraindray, ny maha-ankizy azy no tsaroana dia antsoina hoe Ankizy, na Petit na Kid: Mahasoa sy Ankizy, Mahasoa sy Petit, Mahasoa sy Kid. Indraindray ny maha-mahantra azy no hitan’ny olona dia antsoiny hoe Mahantra na Pauvre na Poor: Mahasoa sy Mahantra, Mahasoa sy Pauvre, Mahasoa sy Poor.

Fa ny zavatra tsapa dia, aleo ihany mahita an’i Mahasoa miaraka amin’i Mahafinaritra, fa tena tsy tsara raha vao hafa ankoatr’i Mahafinaritra no miaraka aminy.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment