Wednesday, November 12, 2008

Raha toa moa ka … Miasà, miasà mafy, miasà tsara.

Mba fantatrareo ve ny nanovan’ny ankizy ilay hira hoe “Sahia”, filamatry ny Filoha Ravalomanana iny?

Ka sahia, andeha hiara-dia, aza kanosa fa avia
Ravalomanana no hitondra sipa, ka mandroso no toromarika.

Fa resaka famaritana ny atao hoe miasa no horesahiko eto anio. Nisy nanontany aho mantsy indray andro momba ilay motto-ko hoe “Work hard at whatever you do!”. Ny enti-milaza hoe “Miasa” dia manana dikany maromaro arakaraka ny teny ampiarahina aminy.

Miasa
Rehefa tonga ao am-piasana ka velona ny ordinatera, ary eo amin’ny clavier na ny souris ny maso, dia izay no atao hoe miasa. Tsy ilaina hofantarina izay ao amin’ny écran ao na WebMail na Sudoku na Facebook na Pacman na Solitaire na zavatra hafa, asa daholo ireny.
Miasa tsara
Rehefa Miasa, ka tsy WebMail na Sudoku na Facebook na Pacman na Solitaire, na ny toy izay no eo amin’ny écran eo.
Miasa mafy
Rehefa Miasa, ka tsy mahita afa-tsy ny écran, ary tsy mandre izay manodidina anao eo. Na dia hoe may aza ny trano ka miolomay mivoaka ny olona rehetra, ianao irery kosa ho tavela eo miaraka amin’izay “asa” ataonao, dia izay ilay miasa mafy.
Miasa miaraka
Rehefa Miasa, ka tsaty (Chat) no fenêtre active eo, dia izay ilay hoe miasa miaraka. Anisan’ny miasa miaraka ihany koa ilay mi-jeu ka miezaka manindry ny score vitan’ilay namana mpifaninana iray.
Miasa maharitra
Amin’ny valo alina mbola Miasa foana, nefa tokony amin’ny 5 ora sy sasany no mody. Odiana tsy heno ilay finday mibipy milaza hoe “Modia am’zay” fa … asa tokony ho vita anio ve dia hiverenana rahampitso?
Miasa betsaka
Rehefa misy fenêtres mihoatra ny 5 arahi-maso eo amin’ny ordinatera, mila asesisesy tsirairay ary matetitetika.
Tsy miasa
Tsy dia fahita firy amin’ny voambolan’ny mpampiasa ordinatera, fa rehefa tapaka ny herin’aratra mba mi-chôme ihany izy.

Thursday, November 6, 2008

Raha toa moa ka … tantara mampalahelo

Tantara mampalahelo ilay nanjo ireo mpivady dokotera maty nisy namono niaraka tamin’ny mpanampy azy, indrindra fa ny zanany vavy sy ny sipan’ity zanany vavy ity no nahavanon-doza. Fa dia inona no ao an-dohan’ny malagasy ankehitriny e? Sa, tsy nahazaka ahitra natoraly ireto mpifankatia voarara? Tantara mampalahelo ihany koa ny nanjo ilay Rainiboto novonoin’ny mpiasany sy nodorany noho ny lonilony tsy misy dikany. Tena efa tsy aina ny aina eto amin’ny tanàna. Tantara mampalahelo ihany koa ilay vono olona nahavoarohirohy sy nampigadra ilay mpilalao sarimihetsika Rija Ramino, voampanga sy voaheloka ho namono ny rafozam-baviny. Fa ny ao ambadik’ireo tantara mampalahelo ireo dia, hay tsy ny jiolahy eto amin’ny tanàna no efa sahisahy loatra mamono olona fa ny ankamaroan’ny vono olona misy habibiana dia naloaky ny mpifankafantatra tao ihany.

Fa ity tantara mampalahelo hotantaraiko androany ity kosa dia tsy mampalahelo be toy ireo voatatitra tamin’ny fampidirana ireo, kanefa dia tantara marina ihany kosa.

Vazaha (V): Allo, C’est la société (Notre Société).
Gasy (G): … (tsy renay tsinona izay lazain’ilay olona ao @ telefaonina fa inoana fa miteny izy)
V: C’est la société (Notre Société) qui vous appelle. Vous aviez déposé une demande d’emploi et un CV chez nous
G: …
V: Allo, vous m’entendez? Je veux parler à (Nom de la Gasy)
G: …
V: Allo, Est-ce que vous m’entendez? Répondez si oui.
G: …

V (à moi): Dot, venez SVP, pouvez-vous voir s’il y a un problème avec ce téléphone?
Moi (M): Allo,
G: Allo
M: Ianao ve no (Nom de la Gasy)?
G: Eny tompoko
M: Nametraka CV taty aminay ianao, dia hanome rendez-vous anao ny vazahanay fa voafidy ianao. Tsy henonao angaha ilay patron-nay teo miantso anao?
G: Henoko
M: Koa naninona no tsy novalianao izy?
G: Tsy mahay aho. Tsy mahay miteny frantsay aho.
M (à Vazaha): Elle ne sait pas parler français.
V: Bah, laisses tomber. Qu’elle retourne jouer au football. (Note: Football hono no hobby-n’ilay Gasy mpitady asa)

Gaga dia gaga aho, sady nalahelo hoe amin’izao andron’ny fahamarinana sy fahamasinana izao ve mbola misy malagasy mitady asa, 25 taona, tsy mahay miteny frantsay amin’ny telefaonina? Nalahelo aho, fa ny tena nampalahelo ahy koa dia hoe tsy misy vidiny mihitsy hay moa ity teny malagasy ity raha eo amin’ny sehatry ny asa fa dia tsy maintsy mahay teny frantsay ianao. Na dia voatsongo ho isan’ny mahiratra aza ilay antontan-taratasy napetraka, rehefa an-tsoratra ihany ny fahaizana miteny frantsay dia tsy misy dikany. Nalahelo aho fa, hay tokoa moa raha eto Madagasikara no misy orinasa frantsay misokatra, dia tsy mila mianatra teny malagasy mandrakizay akory ny mpampiasa fa efa mahazo manantena fa hahafehy an’io fiteny io ny 99% -n’ny mpiasa hampiasaina.

Monday, November 3, 2008

TOP 5 … Ireo Filohan’ny Repoblika malagasy.

Anisan’ny tantara iray mba tena ankafiziko indrindra ilay tantara nataon’i Quentin Tarentino hoe “Une nuit en enfer”. Ilay eo amin’ny fitsimbadihan’ity tantara ity no tena mahafinaritra ahy. Ho an’izay tsy nahita, na nahita fa tsy mba mpahatadidy lohateny dia nisy jiolahy anankiroa nanery fianakaviana iray hitondra azy hivoaka ny faritr’i Etazonia ho any Meksika. Mandeha fiara izy ireo, ilay raim-pianakaviana mpitandrina efa maty finoana ary nanana zanaka vavy maha-te hanolana izay izy (raha eo amin’ny toeran’ny jiolahy ianao). Dia maka volom-pilma eo izany ianao hoe erotika ve ity sa suspense sa …. Dia niditra tao anay boîte de nuit anankiray ry zareo mba hiandrasana ny andro ho maraina. Dia nahita vampires dia niady tamin’ny vampires. Fa mandra-pahita an’ilay bibilava aloha, tsy azonao hoeritreretina mihitsy hoe film resaka vampira ity.

Mba tsetsatsetsa tsy aritra iny fa toa milay mantsy ilay style jentilisa manisy fampidirana lavabe dia avy eo ny resaka mifandraika amin’ilay lohateny indraim-bava sisa. Soa fianatsa rô.

Top 5-n’ireo filoham-pirenena nitondra teto Madagasikara, hatramin’ny nahaterahako.

Tamin’ny taona valopolo sy sivinjato sy arivo ny tenako no teraka, ka dia ireo prezidan’ny Repoblika malagasy hatramin’ny 1980 mandraka ankehitriny no hanaovako top 5 eto. Izany hoe tsy ho hita ato ry Philibert Tsiranana, Richard Ratsimandrava, … Top 5 des bests izy ity fa tsy Top 5 des worses, izany hoe fanakilasiana avy any amin’izay tsy dia nahomby ka mankany amin’izay Filoham-pirenena tsara kokoa.

  • 5: Zafy Albert. Araka ny tantara izay nahalalantsika azy, dia nitondra tanelanelan’ny 27 martsa 1993 sy 5 septambra 1996 izy. Rehefa ny handrodanana ny mandan’i Jeriko no masaka tao an-tsain’ny Hery Velona, dia adinony kosa ny nieritreritra hoe iza anefa no asolo an’i Deba. Nony tratra tokoa ny tanjona dia, i Zafy hono no voatery natao ho kandidàn’ny Hery Velona. Tsy nisy safidy hafa tokoa ve? Nony lany izy dia niendaka tsikelikely ny mpiara-mitolona, dia niezaka nanitatra ny fahefany i Zafy Albert.
    Tamin’ny fotoana nitondrany no naha-may ny Rovan’i Manjakamiadana. Izy no nitondra izany flottement izany teto Madagasikara. Izy no antsoin’ny mpanao politika maro hoe Rain’ny Demokrasia. Izy irery no tratran’ny atao hoe Empêchement tamin’ireo Filoha rehetra teto. 3 taona sy tapany no nitondrany. Taty aoriana dia lasa fitaovan’ny olona eo amin’ny fitondrana izy hahafahana manalemy ny mpanohitra, satria fa, ny vahoaka raha vao mahita ny tavany mijoro ho isan’ny mpanohitra dia aleon’ny olona ilay mpitondra misy eo ihany. Izany hoe na dia ratsy endrika aza ny mpitondra, aleon’ny olona mihafy amin’izay mpitondra misy eo toy izay hanara-dia an’ity mpanao politika iray ity. Eo amin’ny intelligence no critère tena nahatonga azy ho voakilasy fahadimy.
  • 4) Ratsiraka Didier. Fantatra ihany koa amin’ny hoe Deba. Anisan’ny Mugabe-n’i Madagasikara ity Filoha ity, satria lava be ny fotoana nitondrany ny firenena, ary na efa voaaisotra aza izy dia mbola tafaverina, ary na efa voaaisotra fanindroany aza izy dia mbola mieritreritra ny hiverina eo amin’ny fitondrana. 15 jona 1975 hatramin’ny 37 martsa 1993, ary 9 febroary 1997 hatramin’ny 5 jolay 2002. Sarotsarotra ny fomba nanesorana azy teo amin’ny Fitondrana, fa moramora kosa ny fomba nahatongavany teo sy niverenany teo. Tamin’ny fotoan’androny no nisy izany sivana izany. Toy ireo Filoha telo hafa ao anatin’ity Top 5 ity dia niha-nahantra ny firenena tamin’ny fitondrany. Ny fampahantrana firenena sy ny fidongiany seza ary ny fahasarotan’ny fanalàna azy tsy ho mpitondra no nahavoakilasy azy ho fahefatra.
  • 3) Ravalomanana Marc. 5 jolay 2002 mandrak’ankehitriny. Nony resin’ny vahoaka i Deba dia natontona tamin’ity mpanao politika ity indray ny fanantenan-dRamalagasy ny hahita fiainana tsara kokoa. Mahay mitady vola izy, ary tsy ny vola no mahory azy fa ny fampiasana azy. Détaxation, fanagadrana mpanao politika mania, fiaraha-miasa akaiky amin’ny fiangonana, izay no tena nahalalàna azy. Hitako ho kilemany ny antsojay ataon’ny mpomba azy amin’izay tsy ao anatin’ny antoko noforoniny, ka nahasahirana ireo tanàn-dehibe tsy nifidy Tim, toa an’i Toamasina fony nanana an’i Roland Ratsiraka ho Ben’ny Tanàna. 6 taona no nitondrany ny firenena fa manomboka betsaka indray ny vahoaka no leo azy. Nahazo karatra mavo tamin’Antananarivo izy tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna farany teo.
  • 2) Ratsirahonana Norbert Lala. 5 septambra 1996 - 9 febroary 1997. Voatery nizara ny mofo izy nony voatendry ho Filoha mandra-paha… Tsy ampy nanaovany fanodinkodinam-bato ny fotoana nitondrany ka dia resy izy tamin’ny fifidianana tao aorian’io. Zava-mahagaga izany aty Afrika hoe ny mpikarakara ny fifidianana no resy ary voatery hanaiky resy satria tsy afaka hiady. Tompon-dàkan’ny fivadibadihana miankavia miankavanana ity Ranamana ity, ary mpanao an-kiafina ihany koa izy, fa te-hiseho izy dia hita eny, te hiafina dia ao ambadika boaikely vaovao. Ny tsy nananany fotoana ela nitondrana no nahatafiditra azy teo amin’ity laharana faharoa ity satria tsy dia betsaka ny kilema hita taminy tamin’ny fotoana nitondrany. Tsy dia tia rotaka sy herisetra ihany koa izy, ka matoa hitanao mandray anjara amin’ny hetsika midina an-dàlam-be ny AVI dia satria efa tena resy lahatra amin’izay tokoa ny vahoaka.
  • 1) Samoela. 27 mars 1993 - 10 septambra 2008. Rehefa voatery nanaiky ny hanao fifidianana i Deba taorian’ny tolona tamin’ny 1991, dia mba nirotsaka hofidiana koa i Samoela. Nalaza be izy tamin’izany noho ilay hira Soly, ary lany tamin’ny antsasa-manila: 50.000000001% tamin’ny fihodinana voalohany. Ilay tetikasa lehibe fambolen-kazo no nataony voalohany, nanereny ny olom-pirenena tsirairay hampaniry hazo 10 isan-olona isan-taona, ka folo taona taty aoriana dia nisy foto-kazo vaovao miisa 1.500.000.000 sahady naniry, ka lasa mpanondrana hazo i Madagasikara, ary tafaverina ho nosy maitso.
    Vao nandray ny fitondrana izy dia nampireveny ny vahoaka, ka norarany tsy handray anjara amin’ny fitantanan-draharaha ny mpanao politika sy ny mpivavaka, fa ny mpisotro bex ny ranona mananasy no nomeny toerana. Soa tokoa ny fiarahana, satria dia tsy hitan’ny vahoaka ny fahoriana fa tsara revy ny vahoaka. Noho izany dia nazoto niasa ny vahoaka ary nandroso ny firenena. Niova ny firenena naman’i Madagasikara, ka lasa i Alemaina (nanondranantsika labiera sivy hetsy taonina isan-taona), Jamaika sy Kolombia (nifanakalozana ahitra natoraly) no tena sakaizantsika. Nandroso be ny firenena malagasy teo amin’ny lafiny rehetra. Ny Scorpions de Madagascar dia voahosotra ho tompondaka eran-tany tamin’ny jiona 1998, 2002 ary 2006, satria dia nokaramaina 10 tapitrisa ariary isam-bolana ny mpilalao tsirairay ka dia nifantoka tsara. Tamin’ny fifidianana tamin’ny volana aogositra 1998 dia lany tamin’ny salan’isa 113% izy (raha -10% sy -3% ny an’ireo mpifanandrina taminy), ary dia tapaka fa tsy hasiana fifidianana intsony fa samy afa-po ny rehetra. Tsy nila niasa be ny Malagasy satria dia namidiny madio ny harena an-kibon’ny tany ary nozaraina tamin’ny tsirairay ny vola. Niova tanteraka ny hery eran-tany ka i Madagasikara no lasa firenena matanjaka indrindra, ary i Eoropa no lasa kontinanta mahantra. Noho izany, dia nanao fanandramana antsoina hoe LHC ny eoropeanina tamin’ny 10 septambra 2008, ka namerina ny fotoana ho tamin’ny volana novambra 1992. No-flashouillén’ny eoropeanina i Samoela ka lasa tsy nanana eritreritra ny hitondra firenena, ary dia i Zafy Albert no lany, ary io tantara araka izay ieriteretanao azy io no nitranga.

Si j’étais Président par hasard.