Saturday, December 13, 2008

Raha toa moa ka … anniversera

Joyeux anniversaire Monsieur le président. Niampy iray indray ny taona niainan’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana ka dia miarahaba azy. Hadinony moa ny nanasa ny what-if tamin’ity indray maka ity, tsy omena tsiny izy fa fantatra kosa fa mieritreritra izay mahasoa ny tena izy, toy ny ieritreretany izay hahasoa ireo 19 tapitrisa hafa … Mirary anao ho tratry ny taona maro mitsingeringerina, sy hahefa be amin’ny asa tsara izay ataonao.

Herintaona izay no nahalany ho Ben’ny Tanàna an’Antananarhivo an’Andriamatoa Andry Rajoelina. Mirary anao hahavita be amin’ny asa fampandrosoana ny tanànan’Antananarhivo, sy hahatratra ny tanjona amin’ny fanatanterahana ny MAP (Miasa Am-Pitiavana). Handresy ny sakana rehetra anie ianao Mosé lé mera.

Herintaona androany i What-if. Herintaona toy izao no nanolorana voalohany ny fofompofon’ny rediredy hitranga ato dia niantomboka tamin’ilay hoe “Roulette russe”. Tadidinao ve? Happy birthday to me.

Friday, December 12, 2008

Raha toa moa ka … 366

Have a crush on the mayor’s wife admettre être raciste apokalypsa asio am’zay autre Andry Rajoelina blasphémer con selon elle dépression du Christ fucking mices guerre des gangsnavigateurs humour de Ravalomanana lasa i Rado lâcher un pet discrêtement mamangy amin’ny fahoriana miasa, miasa mafy, tsy miasa tsara moov doesn’t care mpitsara tsipelina ne pas comprendre à poil prédire la débâcle des Baréas se faire traiter d’irresponsable se moquer de Windows se moquer des innocents have a crush on the mayor’s wife

Monday, December 1, 2008

Raha toa moa ka … Karatra mena

Vao tsy ampy roapolo minitra no nidiran’i Guss sy Malalatiana tao amin’ilay trano fandihizana dia niangavy an’i Guss hanatitra azy any an-tranony ity vehivavy mpiara-miasa fa misy fanafody tokony hohaniny hono, ary tsy azo atao tara mihitsy ny ora fitelemana azy, kanefa adinony.

Sambany i Guss sendra tranga hanatitra vehivavy mpiara-miasa any an-tranony. Nazoto ihany izy fa ny eo amin’ny hoenti-manana no nanahirana satria lehilahy ny tena tokony hiantoka saran-dàlan’ny fiarakaretsaka kanefa ny faran’ny volana mbola afaka andro vitsivitsy vao ho avy, ny any am-paosy efa manify. Etsy andaniny anefa tsy sahy ny handà ity fiangaviana velively ka dia ilay fika mahazatra no itondrana azy: eo am-pandrasana mahita ny atiny.

Loza koa ity miseho milay, nosakanana ny fiarakaretsaka ary tonga dia niditra, tsy nanontany ny saran-dàlana na niady varotra, fa toy izany mantsy no fomban’ny jentilemanina hitany. Nasainy natoron’i Malalatiana fotsiny ny toerana misy ny tranony. Narary azy ny nandoa saran-dàlana sivy arivo ariary nefa raha ny halavitry ny naleha no tombanana, na dia hoe alina aza, efatra arivo raha betsaka raha niadiana varotra mialoha. Soa aza fa mba nisy iray alina tany am-paosy, ary mba nisy arivo fameriny handehanana bus miverina (raha mbola mahatratra).

Saingy ny tsy nampoizina dia, toa tsy ao anatin’ny kajikajin’i Malalatiana ity fiverenan’i Guss ity, hoe mila miala maimaika sao mba mahatratra betax ihany. Ny betax amin’ity toerana onenan’i Malalatiana misy hatramin’ny sivy alina ihany, ary tena mbola misy herijika hahitan’i Guss fiara hodiana raha tsy ela ny fanaterana an’i Malalatiana.

Teo am-bavahady i Guss dia saika hiverina fa i Malalatiana no tsy nety. Mba midira hoy izy na dia hisotro beksa fotsiny aza fa ialahy ve efa tsy afaka nandihy dia mbola hody maina ihany? Tsy sahy nandà ny anao lahy, sady manina beksa ihany koa ny tendany ka naleony nisafidy ny hanaiky hisotro, mba atao an-keviny hoe mitentina 9 arivo ity beksa hosotroina ao amin’i Malalatiana ity.

Nataony indray migoka ity labiera iray kanety dia saika hanao fialan’ny jiosy izy, saingy hafa kosa ny nandraisan’ilay tovovavy an’ilay fisotro indray mitelina teo. Aminy dia matin-ketaheta ilay tovolahy, na ao amin’ilay oui aminy ity karazana labiera naroso, koa dia nihodina toy ny tsy teo i Malalatiana naka tavoahangy iray hafa tao anaty vata fampangatsiahana, ary nanolotra izany an’i Guss.
- Aoka izay fa misaotra akia, hoy izy niezaka ny handà.
- Ianao koa, ny labiera ange ananako be dia be e! Aza mihafahafa fa tsy misy olana. Ny ahy mantsy, io no mba namako manala fahanginana ahy ato dia fenoiko an’io mihitsy ato an-trano. Sady fantatro fa tena amin’ilay tianao izy ity. Tonga dia nesorin’i Malalatiana ilay kapsily ary sahala amin’ny atohony eo amin’i molotr’i Guss mihitsy ilay vavan-tavoahangy.
- Sao dia mamo aty an-tranon’olona moa fa …
- Ssss, aza mampihomehy leisy ry Guss a! Izay ve dia hahamamo?
Nihemotra i Guss, nitady varavarana ny tongony sy ny sainy. Raha vao manomboka an’io tavoahangy io mantsy izy, dia ho sarotra ny hiala eo raha tsy lany iny, ary azo inoana fa tsy hahatratra betax farany intsony. Ny handeha an-tongotra toa mampatahotra ihany amin’izao tany efa tsy milamina intsony izao, ny am-paosy anefa tsy haharaka fiara karetsaka, ary ny tena tsy ho sahy hangataka na hindrana amin’ity tovovavy.
Efa teo am-baravaravana izy, mitodika manatrika an’i Malalatiana, ny tanany ilany manakatra ny famohana, ny ilany atolony hanao veloma.

- Mbola tsy nahita olona mataho-behivavy sahala amin’ialahy aho ry Guss, hoy i Malalatiana nivantam-piteny, tsy niraharaha akory ity tànana natolotra azy. Angamba ialahy io mbola virijiny matoa manao fihetsika ohatr’izao?

Tsy namaly i Guss, toa tena tsy azony izay tian’i Malalatiana holazaina. Sahala amin’ny zaza herintaona nosesefam-bomanga izy nandre izay tenin’i Malalatiana farany izay. Tsy azony mihitsy ny idiran’izany amin’izany.

Nihodina i Malalatiana, nankeo anelanelan’i Guss sy ilay varavarana, ary indro navoakany avy any am-paosim-patalohany aoriana any, taratasy kely. Sahala amin’ireny mpitsara baolina kitra mamoaka karatra mavo na karatra mena ireny ny namoahany azy ho eo anoloan’ny tarehin’i Guss, saingy tsy misy an’ilay soratra hoe “Aok’aloha” irony ilay izy, ary tsy miloko mena fa miloko fotsy, fotsy madio tsy misy soratra na pentina.

- Inona no dikan’ity? hoy I Guss, toa vava tsy tàna akory izay fanontaniana izay.
- Carte blanche ity, hoy i Malalatiana namaly matotra. Mahazo carte blanche ialahy hanao izay tian’ialahy hatao amiko.