Thursday, March 19, 2009

Raha toa moa ka … nihinana ny ama ***censored ***

Nihinana ny amaniny. Ara-bakiteny. Izany no nahazo ny Filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, raha araka ny vaovao notaterin’ny fahitalavitra MaTV sy ny gazety hafa toy ny Gazetiko. Maty hasina.

Afaka mirehareha aloha ny TGV fa tena misy tokoa ny fahalalahana miteny eo amin’ny haino aman-jery. Raha tamin’ny andro taloha tsy ho nivoaka ny vaovao toy ireny, noho ny tsy fahasahiana mamoaka azy, ary raha ho nisy sahy namoaka aza dia ny ampitso ihany dia ho nakatona fa manohintohina ny filaminam-bahoaka.

Tena habibiana tsy roa aman-tany izany raha olona manana hasina no atao an’izany, saingy tsy tokony hahataitra loatra ny kristianina, eny, rehareha aza fa tsy ampahafirin’ny nentin’ny Tompo Jesoa. Tsy hita anefa izay hanazavana ity fihetsika ity. Na olona mamon-drongony no mety ho mahavita mampanao an’izany, na famantarana omen’Andriamanitra ny mpitazana araka ilay Teny hoe “Ny voany no ahafantarana ny hazo”. Sa ve hoe resy lahatra ry zareo fa isan’ny miara-milalao ody amin’ilay filoha lefitra ihany koa ity filoha ity ka otaina fady mba tsy hanan-kery ireo ody?

Tsy izay loatra no tiako horesahina fa izao : ny teny hoe mihinana ny tainy, na mihinana ny amaniny, na misotro ny amaniny dia ompa iray ao anaty baiboly kristianina. (Sokafy ny baibolinao ao amin’ny Mpanjaka faharoa, toko 18, andininy 27 dia jereo tsara ilay soratra kely ery amin’ny vodim-pejy ery.) Koa tsy tokony hatao hoe “Noterena hisotro ny fivalanan-dranony” ny lohatenin-gazety fa afaka notsorina hoe “Nampihinanina ny amaniny”. Tenenina foana fa teny malagasy madio izany tay amin’amany izany fa ilay toe-tsaintsika tsy mety resy lahatra mihitsy fa mitady teny “tsy mandratra sofina” kokoa hatrany. Dia ny voambolana toy ireny izany dia voaozona ho tsy fampiasa raha tsy rehefa miakatr’afo ihany?

Eeeeee, traikefa efa hitako aloha fa tsy fanao amin’ny lohateny ireo voambolana ireo fa voakilasy ho “Teny maloto“, asa rahoviana vao halala-tsaina ny Malagasy ka tsy hitsara ambony ihany amin’ny fahitana ireny voambolana ireny.

PS: ho an’izay tsy manana baiboly protestanta : http://is.gd/nZ0S