Thursday, March 26, 2009

Raha toa moa ka … lanitra iray

Aza mibedy na masiatsiaka ry fiangonan-drazana
Raha elaela aho no tsy hitahita sy tsy tazantazana
Angamba tsy meloka raha tsy ho tonga aho @ ‘lahady
Fa mba any an-kafa indray ‘zahay sy Razezo no hifampitady

Fa ny ahy miovaova tsy misy andro raikitra ny andro sabata
Indraindray ‘lakamisy , ndraindray alahady , ndraindray atalata
Tapitra haniko ny kôminio sy ny henankisoa
Fa sady mpandray aho no vita kônfirmasiô ihany koa

Ka tsy hitako zay hifandirana
Izaho koa tsy te hisahirana
Hoe hifandresy lahatra mandavan-taona
Tompo ankiray no ifikirana
Lanitra iray no idirana
Rehefa sitraky ny avo de tonga any foana

Izaho indray aza mba tsahotsahoana fa mananihany
Hoe makorelim-pinoana aho hoe tsy raharahako izany
Izay hahatonga antsika any an-danitra aloha imasoana
F’izaho indray aza mba resadresahana antokom-pinoana

F’angaha moa ny Tompo protestant sa advantista
Na hoe razambe ny any vatican fa ny sisa dia gisitra
Amiko aloha dia mitovy tsy misy hafa izy rehetra
K’izay sendra ahy moa dia itsofohako tsisy fepetra

Ka tsy hitako zay hifandirana
Izaho koa tsy te hisahirana
Hoe hifandresy lahatra mandavan-taona
Tompo ankiray no ifikirana
Lanitra iray no idirana
Rehefa sitraky ny avo de tonga any foana

IFANIHY
Lanitra iray

  1. simp

    Friday, March 27, 2009 - 15:33:38

    :P

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment