Thursday, April 16, 2009

Raha toa moa ka … hatsahatra

odon-ie.jpg

Mamomamo rangahy niditra tao am-parafara, tsy katry be akory fa mba dizna kely fotsiny. Avy dia nanafosafo sy nanorokoroka an-dramatoa fa te hanao ilay adidin’ny mpivady. Kanjo tonga dia nahifik’ilay vadiny tsy misy fitserana.

- An an an, hoy rafotsy nasiaka, tsy androany fa sady vizana be aho izany no marary be ny an-dohako, sady tsy tiako fa misy fofon-toaka indray ianao.

Somary tezitra rangahy ka somary notereny nosokafana ity fem-badiny sady nampiany hoe :

- Hanao itena sa tsy hanao fa rehefa tsy hanome izay ilaiko izaho koa anie mahay mitady any an-kafa eTsy lany firy mille akory dia mahazo tsara noho ny an-tena.

Avy dia nampiaka-peo ilay rafotsy :

- Tena mba aoka hatsahatra amin’izay kosa rainy ity fampiasan-kery sy fandrangitana ary fampitahorana ity a!
- Ka atsaharo koa aza ny fankahalĂ na, ny fitokonana sy ny fanelezana vaovao tsy marina e!

  1. simp

    Thursday, April 16, 2009 - 18:10:10

    loooooooooolllllll

  2. ikakamako

    Sunday, April 19, 2009 - 03:16:41

    ary maninona no Mgr no sary nandravahana azy r’itony e ? ptdrrrr

  3. ikalamako

    Sunday, April 19, 2009 - 03:17:21

    ary hay diso ny anarako hatrizay ^^ lololl

  4. DotMG

    Monday, April 20, 2009 - 09:19:27

    @ikakamako : lol ….

    Valiana ihany sao misy tsy maharaka ianareo mipetraka any am-pitan-dranomasina fa i Mgr no nanao an’ilay kabary hoe “Atsahatra ny fitokonana, atsahatra ny fandranitana, atsahatra ny fanelezana vaovao tsy marina, atsahatra ny fampiasan-kery….” fony nanelanelana tao @ Le Hintsy Ambohimanambola i Nedala. Tamin’izany fotoana…

  5. Tatiana

    Tuesday, April 21, 2009 - 12:07:51

    Tsotra nefa tena mampihomehy be ……

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment