Wednesday, February 24, 2010

What if … @tohappen

Rehefa vaovao hono ny taona dia manao an’izany hoe résolutions ny olona? Ho an’ny langage geek dia izany angaha no atao hoe @todo? Misy koa anefa ny firariantsoa ifanaovana. Izany angaha no atao hoe wishlist?

Ilay @todo fotsiny aloha tsy tiako hatao satria mana-oainina rehefa @ faran’ny taona hoe tsy nisy vita akory ny antsasak’ilay izy. Raha wishlist ranoray fotsiny indray dia toa hijanona ho revin-gadra be, na koa resaka manidina sy safobemantsina fotsiny (toy ny hoe hitondra soa sy fanambinana anie ity taona vaovao ity).

Ny sosokevitro izany dia karazana fitambaran’ireo @todo sy wishlists ireo. Misy ny azo hotanterahina tsara, misy ny tsy miankina velively amin’ny tenako, misy ny revin-gadra, misy ny tena azo atao na izao dia izao aza. Anisan’ny mampiavaka ity lisitro ity koa dia tsy izay tena heverina ho mavesa-danja indrindra amin’ny fiainana sy faniriana no hotantaraina fa misy ny mety hoeritreretinao hoe resa-jaza be.

Ity ary ilay lisitra e, tsy ferana ho amin’ity taona 2010 ity koa ny hahatanterahany, kanefa hojerena ihany amin’ny faran’ny taona hoe iza avy no tanteraka.

Mihidy maizina be ao anaty efitra iray ao an-trano, mipetraka eo ambony seza misy apaonsa tsara dia mianoka mihaino ireto hira ireto : Hotel California (Eagles), Tajabone (Ismael Lo), Sultan of Swing (Dire Straits), Why worry (Dire Straits).

S’offrir ou offrir un cadeau électronique.

Voir en direct l’équipe nationale senior de football de Madagascar à la télévision remporter un match en phase finale d’une compétition continentale ou mondiale.

Discuter (IRL please) avec simplex autour de quelques verres de THB et parler de la supériorité masculine, d’homosexualité féminine, de christiannisme et des fozaorana.

Manao am-paritra (mihinana tsy mizara) boatina Pringles 2 GM.

Mikarakara ny mpanofa trano rehetra, na ny ambany rihana na ny ambony rihana. (Mila amin’ity 2010 ity io tanjona iray io fa raha tsy vita amin’ity ho ampijalian’ny areti-nify amin’ny herintaona).

Mametraka anaty DVD ireo sarimihetsika nalaina izay mameno ny disque dur hatramin’izao.

  1. simp

    Wednesday, February 24, 2010 - 20:51:40

    ho ho ho
    THB ouh la la
    mes sujets favoris ouh la la
    let’s put that on the todo list :-)
    be careful what you wish for… cuz u might just get it ;-)

  2. simp

    Wednesday, February 24, 2010 - 20:54:50

    s’offir un cadeau electronique ve le hoe je me souhaite un joyeux anniversaire :)

    nda hieritreritra ny dikan’ny hoe mikarakara mpanofatrano… atao ambony ambany aloha fa tssssssssssssss… sarotra be
    ^:^

  3. DotMG

    Wednesday, February 24, 2010 - 20:58:25

    simp: lé christiannisme kosa angamba aloha tsy sujet favori an’là sady tsy ananan’là diplôma firy.

    Lé resaka mpanofa trano leisy mankany @ dentiste no dikan’izany a.

  4. ravaka

    Thursday, February 25, 2010 - 01:18:40

    ….”parler de la supériorité masculine”…. j’adore!!!!! misy “quelques verres de THB “marina!

    mazotoa am lé manamboatra mpanofa trano, mitovy mihitsy tsika, fa zah koa tam ty taona ty no nanapa kevitra ( efa ho 10 taona mahery a no tsy tany), ozy lé mompéra zay hoe mitovy hono ny fandehanana mikonfesy sy ny fandehanana any am dentiste, samy mahakamo sy mampatahotra, fa rehefa mivoaka avy ao nefa maivamaivana.

  5. pissoa

    Friday, March 12, 2010 - 00:40:00

    Resaka ka atao fa raha DotMg sy Simp ve no mihaona IRL tsy ho geeky be ny resaka hi hi hi :-P

  6. DotMG

    Friday, March 12, 2010 - 08:56:21

    @pissoa: tsy hitako ny idiran’ny geek amin’ny machisme, lesbienne, fivavahana sy foza.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment