Thursday, September 2, 2010

Raha toa moa ka … tapaka hatreo ilay tateza-mita.

Amin’ny fiteny anglisy.

Hi, DotMG. We’re sorry to inform you that your link to Twitter has been disabled. We no longer seem to have permission to update your Twitter status. (Did you revoke Identi.ca’s access?)

You can re-enable your Twitter bridge by visiting your Twitter settings page:

https://identi.ca/settings/twitter

Regards,
Identi.ca

======

Efa volana vitsivitsy izay no nilazako fa hofaranako hatreo ny fampiasako ny twitter, ary efa nanondro ny datin’ny 12 septambra aho ho daty farany hampiasako an’io compte twitter io. “L’exemple vient d’en haut”, amin’ity fanondrotondroana daty ity, sahala amin’ny hoe mba sérieux ianao mantsy rehefa manonontonona daty.
Efa aman-taonany aho ny tena marina dia miaina tanteraka ao amin’i Identica ho an’ny microblogging, ary izay soratako ao amin’ny identi.ca ihany no mivoaka any amin’i Twitter sady mankany amin’ny Facebook. Izany hoe eo izany no misy tateza-mita mampita ny hevitra avoakako any amin’iretsy service roa hafa iretsy.

Tsy vao ity no andrana voalohany nialako an’i Twitter fa efa nisy fikasana voalohany saingy tsy nety satria ny namana sy ny adihevitra mafana nijanona tao amin’i Twitter avokoa, dia izay no nanaovana an’io tateza-mita io, izay tsy noeritreretina haharitra ela loatra fa eo amin’ny 2 taona eo farafaharetany.

Androany anefa dia naharay hafatra avy amin’i Twitter aho, izay milaza ny fanovana vitsivitsy hisy ao aminy.

Update 1: New authorization rules for applications
Update 2: t.co URL wrapping

Noho ilay fanovana voalohany aloha dia indrisy fa tapaka izany ny tateza-mita mampifandray an’i Identi.ca sy Twitter, ary dia tsy ela ny valin-kafatra avy any amin’i Identi.ca io ambony io. Tsara ho an’i Twitter izay, ny ahy izany ny faran’ny tateza-mita naroso 11 andro fa tsy mihemotra lava ohatra ny an’ny hafa. Ilay fanovana faharoa kasain’i Twitter hatao ihany koa dia tsy fanovana ho amin’ny tsara io amiko satria mampihena ny safidin’ny mpampiasa azy ny amin’izay url shortener mba tiany. Tena mbola mainka jadona noho ny teo aloha aza no mitranga. Betsaka ny antony hafa mety mahatonga ny olona iray hampiasa url shortener, fa tsy voatery hoe hanafohezana ny URL fotsiny ihany. Ao ohatra ny fandinihana na analyses ny isan’ny olona manaraka an’iny rohy iny, … izay mety ho tsy hita maso noho ny afitsoky ny Twitter. Raha hoe ilay rohy http://nd.dg/e ohatra alefa amin’i twitter mety ho lasa lava kokoa indray …

Koa ambara amin’ny fomba ofisialy etoana fa mitsahatra hatreo ny fampiasako an’i Twitter, fa raha te hanaraka ny updates-ko amin’ny micro-blogging ianareo dia ao amin’i Identi.ca no misy ahy ankehitriny.

http://identi.ca/DotMG

========

Why identi.ca rocks?

Amiko aloha i Identi.ca dia tsara lavitra noho i Twitter, betsaka ny antony fa ireto aloha no tsongaiko :

1) in_context. Rehefa mifamalivaly sy mitohy ny updates dia lasa resaka itambarana izy io. Ao amin’i Twitter dia misy ilay rohy hoe “In reply to” izay ahitanao ny update iray novalian’ny update iray, fa ato amin’i Identi.ca kosa dia misy rohy hoe “in_context” izay afaka hahitanao ny resaka iray manontolo hatramin’ny voalohany hatramin’ny farany. Jereo anie ohatra ity iray ity e: http://identi.ca/conversation/47294282. Indraindray dia ampiasaiko koa io hanohizako ny update-ko rehefa mifampitohy ny hevitra tiako hambara ka tsy voazava anaty litera 140, ohatra http://identi.ca/conversation/47157028

2) Groups : Ao amin’i twitter dia izay olona iabonnevanao ihany no voarainao ny update-ny, miampy an’izay retweet ataon’ny namanao. Izany hoe raha misy olona X, miresaka momba ny fiainany amin’ny teny sinoa, ary mandefa hatsikana amin’ny teny anglisy tsindraindray, ka mba te hanaraka ny hatsikana falefany ianao, dia mila mi-abonner aminazy, dia ny lafy ratsin’izay dia mahazo ny teny sinoa rehetra alefany ihany koa.
Ao amin’i Identica kosa, misy ny atao hoe group, ohatra http://identi.ca/group/humor, izay ahitanao ny update rehetra miresaka momba ny humour. Dia miditra mpikambana amin’io vondrona io ianao dia mahazo izay update alefa amin’io vondrona io, izany hoe izay momba ny humour rehetra, na dia amin’ny olona tsy fantatrao mihitsy aza fa mpikambana ao amin’io vondrona io. Vondrona iray tsara ihany koa ny quote http://identi.ca/group/q.

3) GoogleJuice : Ao amin’i Identica ny rohy alefanao dia tsy misy rel=nofollow sady tsy terena hampiasa url shortener ianao raha antonona 140 litera ny update miaraka amin’ilay rohy. Izany hoe raha manana falaoera 100 ianao, ka mandefa rohy iray dia miseho any amina pejy 100 izany iny rohy nalefanao iny, ka ny site dia lasa mora miseho kokoa amin’ny fikarohan’i Google.

4) Open source, Open content. Raha misy hitanao azo hatsaraina na misy lafiny tsy dia tianao, dia afaka manokatra ny service-nao manokana amin’ny alalan’ny rindrankajy statusnet izay mampandeha ny identi.ca ianao izay mety hovainao kely, dia ataovy amin’izay tianao. Ianao no tompony.

5) Tsy maty lava tahaka an’i Twitter Over-Capacity.

6) XMPP : Ho ahy manana gmail dia atsofoko ho namana ao amin’ny gmail chat fotsiny i update@idAnti.ca dia eo @ gmail chat eo no handraisako ny notice vaovao, sady afaka andefasako notice ihany koa. Milay be io rehefa mampiasa finday ambany karazana aho satria sady afaka miresaka mivantana amin’ny namana no manaraka ny resaka ao amin’i identi.ca ihany koa. Ny finday ambany karazana mantsy tsy afaka manokatra application J2ME 2 amin’ny fotoana iray fa mila hidiana aloha ny iray raha hanokatra iray hafa, koa raha twitter no ampiasaiko dia hidiana aloha ny chat (izany hoe voatery manao offline amin’ny namana aloha, manokatra ny twitter for mobile, mijery tweets kely sy mandefa, dia manidy an’iny ary miverina manokatra chat indray.) Fanampin’izay, ny updates azoko rehetra dia voatahiry ao amin’i Gmail avokoa, ka raha sendra ny hoe tsy mandeha ary i Identi.ca fa over-capacity koa ohatra any aoriana any, dia afaka mikaroka ao amin’ny arsivan’i Gmail indray aho.

=====

Does Identi.ca Suck?

Ireto aloha no tsiny lehibe ananan’i identi.ca

1) Tsy mety mifindra mankany amin’i identi.ca ny namana efa anananao. Misy ny voatarika vetivety hanokatra kaonty ao amin’i identi.ca fa rehefa mahita ny namana hafa tsy manaraka dia aleony mijanona ao amin’ny jadon’i Twitter ihany. Any bebe kokoa ny akama tsinona.

2) Spam. Noho ilay lafy tsarany faha-3 voalaza etsy ambony dia misy ny faly mandefa spam any amin’ireny group ireny, izany hoe ianao izany dia maharay hafatra tsy irina rehefa abonné amin’ireny group ireny. Arakarak’ilay group idiranao io, fa ho ahy aloha dia mba azo ihafiana ihany ny isan’ny spam azoko.

  1. simp

    Tuesday, September 7, 2010 - 02:30:02

    misaotra mampafantatra ee…
    za indray mbola @ Juillet 2011 fara faha aingana vao hampiasa twitter/identi.ca ra mazoto ary izany… rahoviana vao tena effective ilay hoe haut debit eto madagasikara?
    refa tonga izy dia hi-twit @ zay ah :-)

  2. DotMG

    Tuesday, September 7, 2010 - 10:24:40

    Tapa-tsinay koa za amin’izany. Miandry vrai haut débit vao hi-micro-blog. Dia hararaoty ary ny youtube HD sy ny téléchargements P2P aloha dieny mbola très bas débit no misy e.

  3. simp

    Wednesday, September 8, 2010 - 00:58:19

    lol
    tsy dia izay loatra fa le hoe plus abordable kokoa ny internet @ izay… moramora kokoa ny mifandray @ malagasy… ny microbloggin manko tsy dia tena otran’ny blaogy hoe poster-na ny lahatsoratra dia misy mamaky eo io na ho ela na ho aingana fa hoe tokony voavakin’ilay olona nandefasana azy alohan’ny hoe hahatongavan’ny post vaovao indray… ce qui fait que tsisy dikany/fyany ra ohatra ka hoe enao manoratra be faran’ze loza nefa tsy ao akory ilay olona any @ farany tokony mahita an’le izy… hevitro manokana

  4. DotMG

    Wednesday, September 8, 2010 - 09:34:50

    Amin’izay resaka izay dia tsy ny resaka haut-débit no ilaina fa ny illimité (illimité en temps de connexion fa tsy illimité en débit na volume). Microblogging na connexion faran’izay kankana aza dia azony ihafiana, fa saingy ny Malagasy mbola tsy dia ny antsasa-manila amin’izay manana internet no manana internet illimité. Aty raha vao mba amin’ilay tolotra moramora (antsasaky ny vidin’ilay mora indrindra amin’ny illimité) dia ataon’zalà adiny valo isam-bolana fotsiny. Inona no vitanao adiny valo?

    Ny connexion amin’ny finday efa mandroso tsara ihany, ny teknolojia 2G sy 2,5G tsy lafo sady tsy ratsy be, ary ireo no tena tokony hamporisihana ny mpampiasa finday eto mba hampiasa internet amin’ny finday, sady ny microblogging no application tsy mitroka volume indrindra.

  5. Hery

    Friday, September 10, 2010 - 00:58:56

    Efa ela ihany aho no hoe hanandrana identi.ca fa tena mbola tsy any daholo ny olona dia tsy miparitaka ny hevitra e.

    Amin’izao anefa toa tsy koi satria tsy dia hoe misy manaraka tahaka ny inona koa ny twitter-ko.

    Fa izany hoe mbola vao hianatra ny API-n-dry zalahy indray zany

  6. DotMG

    Friday, September 10, 2010 - 10:52:44

    Tongava re … Raha tsy diso ny fitadidiako, manao ny compatibiité API amin’i Twitter ho zava-dehibe ny Statusnet, koa ny ankamaroan’ny application mampiasa ny API twitter dia tokony mandeha ho azy amin’i identi.ca ihany koa.

  7. Hery

    Friday, September 10, 2010 - 14:25:32

    Tena le popularité mihitsy no blem.

    Teo izao saika tsy tadidiko ilay izy fa noheveriko hoe ioni.ca kay identi.ca

    Na izany na tsy izany dia mieritreritra ny hampiasa ilay status.net ho ao amin’ny serasera aho. Amin’izay mety mandrisika ny ankizy hampiasa microblogging. Efa mandeha tsara mantsy ilay eritreritra mandalo ka tsy haiko na ho possible ny hanova an’io ho microblogging mampiasa status.net

    Ny olana dia ny resaka namana (followers), Vondrona (groups) izay efa samy misy ao amin’ny serasera.

    ho hita eo ihany

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment