Wednesday, October 20, 2010

Raha toa moa ka … hitako ny blaogin’i za

Tapaka ny internet teto amiko omaly tontolo, olana teo anivon’i Blueline Madagascar. Fombako moa, rehefa tapaka toy io ny internet, ny mijery ny routeur aloha (192.168.1.1) hoe mandeha ve ny tambajotra anatiny, avy eo aho mijery ny blueline.mg, hahitako hoe mandeha ve ny fifandraisana samy eto Madagasikara, dia mba mijerijery ireo sehatra malagasy (moov.mg, orange.mg) ihany koa, ary farany raha mbola mahazo ireo dia mijery sehatra vahiny sasantsasany.

Omaly ary dia tsy mahita an’i moov.mg sy ny sehatra avy aty andafy aho, fa mandeha tsara kosa ny blueline.mg sy ny orange.mg.

Sehatr’i blueline moa tsy misy na inona na inona hojerena fa tsy misy miova. Ahitanao soratra toy ny hoe “L’offre sera disponible courant septembre 2010.” Dia tao amin’ny sehatr’i orange.mg mba nitady hanalanalana azy tao mandra-piandry izay ho fiverenan’ny internet. Rehefa voavaky ny vaovao tao, dia izay vao nahita fa hay moa misy blaogy ihany koa ao amin’i orange. Izaho moa tsy dia fanina @ orange ka tsy mba maharaka, puce orange aza iniako tsy ananana mantsy, nefa ilay foza double pince aza mihaolina ny puce iray aminy izao.

4227411418_616c6c64eb_m.jpg
Illustration: RSS Logo Drawn in the sand, de Gilberto Stankiewicz, licence cc-by.

Nisy blaogy anankiray nahafinaritra ahy tao, dia ny blaogin’i za. Tapitra voavakiko ny lahatsoratra rehetra navoakany hatrizay nisiany. Saingy INDRISY mantsy ry Orange fa kankana be loatra ilay plate-forme de blog arosonareo ho an’ny olona. Aiza ve ka amin’izao andron’ny fahamarinana sy fahamasinana izao (oadray, azafady, hay moa efa tsy eo Dada), dia blaogy tsy misy fahana RSS no atolotrareo? Mba tena maniry hanaraka ireny blaogy tsara ireny aho saingy tsy mety amiko kosa aloha raha blog tsy misy RSS. Noho izany dia ireto 2 ireto no fehin-kevitra :

1) Aleo rehefa misy fahatapahana indray ny internet mamaky izay ho voasoratry ny tompon’ny blaogy manomboka izao hatramin’izay andro izay.

2) Hotolorana hevitra ny mpiblaogy ao amin’ny orange.mg mba hiova handeha any @ wordpress.com ohatra, na any amin’ny blaogy.com.

Ity no anisan’ny tiako indrindra tamin’izay novakiako : Différence de langue