Wednesday, October 20, 2010

Raha toa moa ka … hitako ny blaogin’i za

Tapaka ny internet teto amiko omaly tontolo, olana teo anivon’i Blueline Madagascar. Fombako moa, rehefa tapaka toy io ny internet, ny mijery ny routeur aloha (192.168.1.1) hoe mandeha ve ny tambajotra anatiny, avy eo aho mijery ny blueline.mg, hahitako hoe mandeha ve ny fifandraisana samy eto Madagasikara, dia mba mijerijery ireo sehatra malagasy (moov.mg, orange.mg) ihany koa, ary farany raha mbola mahazo ireo dia mijery sehatra vahiny sasantsasany.

Omaly ary dia tsy mahita an’i moov.mg sy ny sehatra avy aty andafy aho, fa mandeha tsara kosa ny blueline.mg sy ny orange.mg.

Sehatr’i blueline moa tsy misy na inona na inona hojerena fa tsy misy miova. Ahitanao soratra toy ny hoe “L’offre sera disponible courant septembre 2010.” Dia tao amin’ny sehatr’i orange.mg mba nitady hanalanalana azy tao mandra-piandry izay ho fiverenan’ny internet. Rehefa voavaky ny vaovao tao, dia izay vao nahita fa hay moa misy blaogy ihany koa ao amin’i orange. Izaho moa tsy dia fanina @ orange ka tsy mba maharaka, puce orange aza iniako tsy ananana mantsy, nefa ilay foza double pince aza mihaolina ny puce iray aminy izao.

4227411418_616c6c64eb_m.jpg
Illustration: RSS Logo Drawn in the sand, de Gilberto Stankiewicz, licence cc-by.

Nisy blaogy anankiray nahafinaritra ahy tao, dia ny blaogin’i za. Tapitra voavakiko ny lahatsoratra rehetra navoakany hatrizay nisiany. Saingy INDRISY mantsy ry Orange fa kankana be loatra ilay plate-forme de blog arosonareo ho an’ny olona. Aiza ve ka amin’izao andron’ny fahamarinana sy fahamasinana izao (oadray, azafady, hay moa efa tsy eo Dada), dia blaogy tsy misy fahana RSS no atolotrareo? Mba tena maniry hanaraka ireny blaogy tsara ireny aho saingy tsy mety amiko kosa aloha raha blog tsy misy RSS. Noho izany dia ireto 2 ireto no fehin-kevitra :

1) Aleo rehefa misy fahatapahana indray ny internet mamaky izay ho voasoratry ny tompon’ny blaogy manomboka izao hatramin’izay andro izay.

2) Hotolorana hevitra ny mpiblaogy ao amin’ny orange.mg mba hiova handeha any @ wordpress.com ohatra, na any amin’ny blaogy.com.

Ity no anisan’ny tiako indrindra tamin’izay novakiako : Différence de langue

  1. za

    Wednesday, October 20, 2010 - 12:53:32

    misaotra nitsidika e! ty ny fil RSS fa somary niafina :)
    http://www.orange.mg/blog/?q=blog/34/feed

  2. DotMG

    Wednesday, October 20, 2010 - 13:17:38

    Misaotra indrindra. Tena niafina fa tsy somary niafina ;) Hay ilay izy tsy miseho raha tsy ary amin’ny HomePage, tssss.

  3. falyfamalagasy

    Wednesday, October 20, 2010 - 13:46:32

    Mpanjifan’i blueline aho ary efa te-hiala fa nahita démo-n’ny tolotr’i telma/moov/eassy vaovao (démo tany amin’ny olona tsotra sy teny amin’i telma), saingy tsy havelany, nefa ny soratra anaty “contrat” diso fa modiany tsy fantatra …

    nalefako FB, friendfeed sy twitter ary serasera daholo, eto ny rohy :
    http://ff.im/sliAP sy eto http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/37201

  4. DotMG

    Wednesday, October 20, 2010 - 14:18:37

    falyfamalagasy : S be nareo zany fa tapaka *kely* (eson-teny) tapak’andro fotsiny dia efa euros marobe no manque à gagner. Raha ny fahitako azy aloha sahalahala amin’ny mitovitovy ihany ny toetra sy fomba fiasa, ary kalitaon’ny fai eto Madagasikara. Ny haratsian-doha koa aza. Efa tao amin’i Moov mantsy aho no niala.

    Risque be ny hanao di-doha hiala, satria sady efa misy chèque de garantie mipetraka ihany koa any amin-dry zareo, moa manan-jo hisintona ao @ kaontinao hatrany izy. Raha hi-risque ianao dia azo atao ihany ny mandefa lettre de résiliation, hazavao ao hoe satria sady efa nahavita mihoatra ny 1 an ianao moa tsy mi-respecter ny contrat koa izy. Ao anatin’ilay taratasy izy asaina mampilaza ny fotoana mahamety hanateranao ny matériel. Atero tanana eny aminy, asio copie accusé de réception (sonia, fitomboka ary daty ataon’ilay sipa eo @ accueil), rito ny vola ao amin’ny kaontin’ny banky. Io farany io no zava-dehibe indrindra.

    Mety hiitatra ho lasa manao chèque sans provision ianao amin’izay, mety hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ry zareo, nefa koa mety vovon’alika fotsiny koa ny azy fa tsy handany andro aminao izy rehefa hitany fa SAHY ianao.

    Secret: Ny karazan’olona tsy tiako faharoa ankoatry ny FAI dia ny mpiasa sy mpandraharaha eo anivon’ny fitsarana, indrindra ny mpisolovava.

  5. DotMG

    Wednesday, October 20, 2010 - 14:20:30

    Ary ity ve aloha ho an’ny mpanjifa vaovao ihany sa ho an’ny daholobe?

    http://twitter.com/Blueline_MG/status/27423626607

    “Grande promotion jusqu’à fin 2010 #Madagascar: la 4G de blueline est à 0Ar/mois, surfez à haut débit.”

  6. falyfamalagasy

    Wednesday, October 20, 2010 - 17:17:38

    Hataoko fa ho an’ny vaovao, fa izaho efa manomana fitarainana “plainte pour non respect des causes contractuelles”

  7. falyfamalagasy

    Wednesday, October 20, 2010 - 17:35:38

    tsy nisy chèque de garantie tany ka, ny chèque caution napetrako efa encaissé tamin’ny souscription, ny résiliation efa azony, efa accusé, fa saingy refusée. Ny fahatapahina dia non respect du contrat raha jerena ny art1 ny contrat de services widecom, ny olona dia abonné widecom lé antenne carré ambony tafo, tsy habilité hanala azy aho !

    Raha afaka tsy maka mpisolo vava aho dia ezahiko hatao irery, efa maro ireo tezitra amin’i blueline mantsy, sao hafaka mivondrona !

    Hivadika telma aho (tsy moov fa ny fitambaran’i telma/moov/eassy), nahita démo aho tany am telma, tena 1 méga ny débit, ary mbola nijery tany am particulier, 1 méga ihany koa ! Nefa ny vidiny ambany kokoa, i Widecom SME 256 kbps 264000 ar/mois ! Mahatsiravina, moa ny 4G nandramana ny 1 méga dia 62 kbps tamin’ny nanao test !!!!

  8. falyfamalagasy

    Wednesday, October 20, 2010 - 18:59:33

    diso be ny teny gasiko : “ny olana” fa tsy hoe “ny olona”
    Tiako hazavaina koa : ny fahatapahin’ny connexion matetika dia tsy fanajana ny contrat izay milaza fa mi-fournir “connexion permanente”
    Farany, azoko hatao ny mankany amin’ny banky milaza azy hoe hajanony ny prélèvement automatique halefa any amin’i Blueline … saingy ny matériel-ny (antenne+terminal IDU) dia mbola aty an-trano ary tsy mahay manala an’ireo aho.

    Dia misaotra amin’ny toro hevitra rehetra e !

  9. DotMG

    Thursday, October 21, 2010 - 10:02:36

    62 kbps izany aloha bit sa byte? Ny ahy mantsy 4G amin’ilay 512Mo dia eo amin’ny 32ko eo, izany ohe any ho any amin’ny 256 k. Izay raha ny mentalité sy définition -n’ny atao hoe débit eto amin’ny tanàna, dia norme io amiko (azo ihafiana). Ny terme technique an-dry zalahy mantsy misy hoe débit tsotra sy débit garanti, ka rehefa amin’ilay tolotra tsy garanti dia ny famaritana azy dia hoe miovaova eo anelanelan’ny 0 hatramin’ilay max (oh 512 kbps).

  10. DotMG

    Thursday, October 21, 2010 - 10:03:37

    62 kbps izany aloha bit sa byte? Ny ahy mantsy 4G amin’ilay 512Mo dia eo amin’ny 32ko eo, izany ohe any ho any amin’ny 256 k. Izay raha ny mentalité sy définition -n’ny atao hoe débit eto amin’ny tanàna, dia norme io amiko (azo ihafiana). Ny terme technique an-dry zalahy mantsy misy hoe débit tsotra sy débit garanti, ka rehefa amin’ilay tolotra tsy garanti dia ny famaritana azy dia hoe miovaova eo anelanelan’ny 0 hatramin’ilay max (oh 512 kbps).

  11. falyfamalagasy

    Thursday, October 21, 2010 - 10:55:58

    Miarahaba e !
    kb (kilobits) fa tsy kB (kilobytes na ko) ka ! Raha kB kosa dia confortable be izany 62 izany satria équivalent de 62 kB x 8 = 496 kb (eto misy fanaovana test fiable : http://mire.gaoland.net)

  12. DotMG

    Thursday, October 21, 2010 - 11:05:19

    Odryyy, mamangy amin’ny fahoriana tompoko. Nareo kosa aza sao ao ambany tonelina no monina dia tsy mahazo tsara ilay 4G. Ety amin’ny faritra Mahazo (atsinanan’Ampasampito) no misy ahy, dia rehefa manao torrent aho dia mahita débit stable eo @ 32ko eo ilay 4G 512 io. Rehefa ho tsara izy, nisy fotoana aza upload maika no natao, mahita débit stable 12ko ihany koa.

    Ka raha sanatria ny toerana misy anareo no lavitra na voasakantsakana, anontanio ihany koa ny Telma ny amin’ny teknolojia ampiasainy sy ny hoe mahazo any amin’ny faritra misy anao koa ve io tolotry ny telma io. Ndrao dia Jérome ihany no Randria.

    Izaho mantsy tamin’ny nifindra trano farany teo saika hiverina Telma satria hoe tsy mbola mahazo 4G ny toerana onenako, dia namaly ny moov hoe tsy tody ADSL ihany koa hono ilay misy anay, izaho anefa nieritreritra hoe rehefa tongan’ny fil dia tongan’ny ADSL. Dia naleoko nanao engagement 4G dia manao SDF aty an-tanin’olona aloha mandra-pahatongan’ny couverture 4G eny amin’ny tanàna.

  13. falyfamalagasy

    Thursday, October 21, 2010 - 11:40:48

    tsara fa tafita izany ianareo ka … “Blueline always on” ny slogan !

  14. simp

    Thursday, October 21, 2010 - 23:43:05

    misy rss letia le izy aa

    http://www.orange.mg/blog/?q=blog/34/feed

    ny design no somary tsy tiako @ le orange…
    sady ra vao tsy afaka manova css dia tsy miady @ piesiko eee
    ^:^

  15. simp

    Thursday, October 21, 2010 - 23:43:52

    interesting blog though…
    i should subscribe to the rss :-)

  16. DotMG

    Friday, October 22, 2010 - 10:09:04

    simp> interesting io matoa tena featured eto. Tsy n’importe quel blog akory dia hahazo rohy sy GoogleJuice eto amiko eto. :P

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment