Friday, January 21, 2011

Raha toa moa ka … azo dia namana.

Raha ny fahatsiarovako azy dia misy karazany roa ny kilalao fanenjika fanao fony ankizy. Ny voalohany dia ilay hoe azo dia boka; ny faharoa dia ilay azo dia namana. Ilay azo dia boka, misy olona iray atao hoe boka, manenjika ireo ankizy hafa izay mitsoaka, ka izay azony voalohany dia iny indray no lasa boka, hanenjika ny hafa avy eo, ary rehefa mahatratra ankizy anankiray ianao dia lasa tsy boka intsony fa isan’ireo hoenjehina indray kosa. Ny azo dia namana kosa indray, rehefa mahatratra ankizy iray ianao dia lasa boka iny, fa ianao kosa mbola mijanona ho boka hatrany mandra-pahatratra ny ankizy rehetra rehetra. Izany hoe mihamaro mihamaro hatrany ny ao amin’ny ankolafin’ny mpanenjika mandra-pahatratra ny farany amin’izay enjehina, dia izay vao miverina lasa tsy boka ny rehetra, ankoatr’izay tratra voalohany.

Ny areti-mandoza SIDA dia mitovitovy amin’io kisary azo dia namana io, izay rehetra tratra dia lasa mpanenjika ireo tsy mbola voa mba hamindrana ny aretina, saingy toa tsy hisy fiafarana ilay fanenjika fa rehefa tratra ianao dia boka mandra-pahafaty, fa ny fahafatesana no farany.

Afisin'ilay tantara Day Breakers (L'aube des survivants), miresaka vampira

Ny taona 2019, nisy aretina tsy fantatra nihanaka eran-tany nanova ny olombelona rehetra ho lasa vampira avokoa. Manakaiky ny ho lany tamingana ny isan’ny olona tsy mbola nivadika ho vampira, fa ireo efa lasa vampira kosa dia mihasarotra ny fihazany ireo olombelona salama hisotroany ny rany hivelomany, koa mila mikaroka sakafo hafa hasolo ny ran’olombelona haingana koa izy ireo dieny tsy mbola tara loatra. Nisy anefa tato aoriana fikambanana miafina vampira sy olona salama nahita fanafody izay afaka hanavotra ny taranak’olombelona eto an-tany.

Ankoatry ny SIDA dia ny tantarana vampira ihany koa dia mitovy amin’io azo dia namana io. Ran’olombelona no iveloman’ny vampira, ary manaikitra eo amin’ny tenda eo ilay vampira lava nify, ka izay voakaikitra dia lasa vampira toa azy ihany koa. Toy ny SIDA ihany koa anefa, izay tratra dia tsy miverina ho olombelona intsony fa dia vampira mandra-pahafaty. Fa io filma mitondra ny lohateny hoe “DAY BREAKERS” na “L’AUBE DES SURVIVANTS” io kosa, dia afaka miverina ho olombelona indray ireo vampira.

Eto am-pamaranana ny lahatsoratra isika izao dia asa raha arakao hoe ity fanaovana politika mamadika kilaoty eto amin’ny tanàna ity no tena tiako ho-sariitarina amin’ilay hoe azo dia namana. Voalohany aloha, Ratsiraka contre Ravalo, avy eo azon-dRatsiraka i Zafy dia Deba+Zafy contre Ra8. Dia avy eo azon’zalà Rajoelina dia Deba+Zafy+TGV contre Ravalo. Dia avy eo azon’i Rajoelina ry Sylla sy Rajemison sy ry Zazah, dia izany rehetra izany contre Ravalo. Dia avy eo resy kely Ravalo dia mitsangana izany Alain Andriamiseza manampy an-dRavalo. Dia miara-mitolona manampy an-dRavalo izany Fetison, Mamy Rakotoarivelo, Meme, Raharinaivo Andrianantoandro…
Dia avy eo azon-dRavalo kosa indray Zafy sy Ratsiraka dia lasa ankolafy telo, ry Andriamiseza indray tratran’i TGV. Dia tratran’i TGV indray Raharinaivo. Dia izao toa mitady ho tratra koa ry Fetison sy Mamy Rakotoarivelo. Dia i Charles sy ry Rakoto-nandra-sana indray ity no toa tratran’ny mpifanandrina amin’ny TGV. Rehefa kelikely dia Ravalo sy TGV no mpisakaiza tsy mifankafoy mifanohan-tsy ho lavo dia taraiky eo ny sisa.

Mahereza fo mitolona ry Tanora havako isany, izy samy lehibe mifanao azo dia namana fa ianao ho lasa Tanora Goaka Vody na Tanora Idiran’ny Matsatso eo.

Friday, January 14, 2011

Raha toa moa ka … taonan’ny bitro

Rehefa taom-baovao toy izao dia mahazatra ny mandre ny mpaminany izatsy na ny mpahita ny miafina izaroa manambara ny hitranga amin’ity taona ity. Somary reraka aty ambanivohitr’Antananarivo aty moa izahay ka tsy toy ny tamin’ny taona lasa fa toa tsy manam-potoana firy intsony hanalana azy mamaky an-dry Mme Shabberah na ry Pasitera Mailhol. Asa izay nolazain-dry zareo fa internet no azo ialana vonkina eto dia naleo izany nikaroka tamin’ny internet izay ho fahitan’ny sasany ity taona ho avy ity.

Illustration: sary bitro roa mihidy anaty grillage
Contrat Creative Commons
Cette photographie par DotMG est mise à disposition selon les termes de la licence Creative Commons Paternité - Partage des Conditions Initiales à l’Identique 3.0 Unported.
Basé(e) sur une oeuvre à dotmg.net.

Dia ny tononandro sinoa aloha no mba novakivakiana, fa mialoha an’izay dia tsara angamba aloha ny manamarika hoe ity taona 2011 ity hono dia ho taonan’ny fifidianana hoy ny Filoha Andry Nirina Rajoelina, satria notombanany hifanesisesy ny fifidianana eto Madagasikara amin’ity taona ity. Raha sendra tafaresaka tamina mpitandrina Malagasy iray izay indray aho dia nilaza izy fa hoe ho taonan’ny fitiavana hono ity taona 2011. Tsara izany ho’aho, saingy toa lasa “teny maloto” izany fitiavana izany ho an’ny mpanohitra, noho io voambolana io toa efa lasan’ny Filoha ambongadiny amin’izay ataony rehetra. Fa raha hiverina amin’ny tononandro sinoa teo isika dia ho an-dry zareo kosa indray dia ho taonan’ny bitro ity taona 2011.

Ho tanteraka tokoa anie izany!

Hamaranako azy dia mirary soa ny Filoha aho amin’izay kinasany hanasoavana ny firenena. Mirary ny vahoaka Malagasy tsivakivolo ihany koa hiroborobo amin’ny ara-pitiavana sy ara-karena amin’ity taona 2011 ity.

Dia farany mba hanipy teny kely ho an’ny Filoha raha te haharitra tsy hangozohozo eo amin’ny fitondrana izy. Izy ity indray dia faminanian’i DotMG manokana, ary mampahatsiahy fotsiny aho fa ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny efa notoroako hevitra tsy hanao an’iny lalana mandrara ny film matroka amin’ny fiarakodia iny nefa tsy laitra nakisoka ka dia iny no niafarany. Koa ny hafatra dia anankiroa : voalohany foano io eritreritra hanao PIU io fa fika hafa atao hampidiram-bola ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Faharoa, dia mba dokadokafy ilay PDS-n’Antananarivo Renivohitra amin’ny asa ataony ary ataovy izay tsy hisian’ny disadisa eo amin’ny mpitondra ny firenena sy ny mpitantana ny renivohitra.

Vita tompoko.

Thursday, January 6, 2011

Raha toa moa … katsaka, tsaramaso, voanjobory.

Tapa-kevitra hiblaogy indray hono izy. Tsara.

Resaka kivalavala hono no tena ho maro ao amin’ny blaoginy. Mainka tsara.

Tsy manam-potoana firy hono izy ka dia tsy hosokafany ny fametrahana fanamarihana. Kay leannna. Tohina be mihitsy aho. :(

Dia ho tezitra anefa dia hanao inona? Hametraka fanamarihana ao amin’ny blaoginy tsy ho afaka. Hitaraina eto amin’ny blaogiko, fotoana hamakiany ny azy aza tsy ananany koa ahoana no fomba hahitany izay fatina what-if anao zany? Tsy olana e, impiry mba hitabataba anefa, aleo avoaka eto ihany ny fahadisoam-panantenana sao mba misy mpi-blaogy amin’ny bozaka (blogger en herbe) mamaky dia mba mahita dieny mialoha hoe tena tsy rariny mihitsy izany hoe blaogy tsy azo ametrahana fanamarihana izany.

Ny anay eto izao rehefa kelikely hanakaramana olona ny mametraka fanamarihana eto fa tena sady vitsy mpitsidika no tsy popular sahala amin’ny an-dry Jentl. Sao ho fotsy rora mitatatata eto nefa tsy misy mpamaky. (Hitako sahady izao ilay mpamaky efa mitady ny hametraka comm’s kely mba hampiononana ahy, dia mamaky an’ity vao mitsiky kely sy mihemotra indray).

Iantsaliana koa rangah tsssss.

Io anie na tsy manam-potoana hamakiana ny fanamarihan’ny olona aza ianao, afaka tsy sakananao ny fametrahan’ny mpankafy izany e, dia izy samy mpankafy no mifandefa comms eo. Efa mba nohatsarain’i sefo ihany ny captcha ka tsy hanana anjara toerana be loatra angamba irony fakon-kafatry ry Lorray irony.

Illustration: banane en forme de ...

Katsaka tsaramaso voanjobory
Hanina harivariva mampatory
Karapapaka, ron’angivy, besisika
Hanina harivariva mamparisika
Karaoty, voatabia, mangahazo
Hanina harivariva mampalazo
Moknazy, mosakiky, mofo akondro
Hanina harivariva mahabe fanondro.

Iantsaliana koa rangah tsssss.