Monday, May 2, 2011

Lahatsoratra special

Hanambady hono Rakotojombilo ka hampakatra an-dRamatoa Razafindravidaka. Toy ny fanaon’ny olona dia hoentina hamasinina any am-piangonana ny fanambadiana, fa ny olana kely dia tsy mahalala izay atsimo sy avaratra amin’izany fivavahana sy baiboly na andriamatoakely na ramatoakely. Dia natoron’ny mpiara-mandihy hoe misafidy andinin-tSoratra Masina mahakasika ny fanambadiana na ny fitiavana hotorian’i Pasitera.

Dia noraisina ity baiboly izay toy ny mbola vaovao be ny tao anatiny na dia efa nananana teo foana aza io, fa fanomezan’ny fiangonana ny Rain-dRakotojombilo sy ny vadiny voalohany fony izy ireo nivady tany am-piangonana, 23 taona lasa.

Natao tsato-piso ny fanokafana azy, rehefa avy nikôzy an’i Tompo hoe mba omeo sopapa milay amin’izay mendrika amin’izao andro iray izao, dia mba ataovy misy ifandraisany amin’ny resaka fanambadiana izay voatondron’ny rantsan-tànako ato.

Vao nosokafana sy novakiana ilay Boky, dia resaka momba ny fanambadiana tokoa no sendra azy tao, Hosea toko voalohany andininy faharoa, tapany faharoa :

“Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’i Jehovah ny tany.”

Ohatry ny tsy mety, hoy izy, fa marina fa janga sy zanaky ny fijangajangana ikala Razafindravidaka, saingy vazivazy ratsy ity.

Nakombona indray ilay Boky, dia noverenana nosokafana tany amin’ny pejy hafa ka sendra ity andalana ity :

“Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.”

Tsara noho ilay teo fa manalasala, aleo vakiana tsara aloha ny andininy rehetra :

“Fa teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko, Dia teo amin’ny makarakara, no nitsirihako,

Ka nahita anankiray tamin’ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,

Izay nandeha tamin’ny làlana akaikin’ny zoron-tranon’ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,

Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ny alina efa maizina dia maizina.

Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ny janga no mifetsy am-po,

Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;

Fa vetivety mby eny an-dàlambe izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.

Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:

Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary andro-any no nanefako ny voadiko.

Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.

Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.

Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.

Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.

Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;

Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ny volana.”

Anatra ho anao mamaky io sady devoara à la maison, mandehana mitady baiboly dia sokafy ka vakio ny Ohabolana fahafito, ny andininy rehetra, ary mba saintsainonao.

Tapitra.