Tuesday, May 15, 2012

Raha toa moa ka … volivolana

Ohatry ny hoe dia nazoto nampiseho teny maloto teto amin’ity blaogy ity aho tato ho ato e? Kanefa ny namana izay zaza maditra aza ity efa misakaiza amin’Andriamanitra sy mamarana ny lahatsorany amin’ny hoe “Amin’ny anaran’i Jesosy!”.

Hiresaka volana isika anio. Tsy ilay mibaliaka isan-kalina fa ny teny, azoazonareo kokoa amin’ny hoe “voambolana” sy ny hoe “mivolana” angamba. Teny iray itenenana ny teny ny hoe “volana”. Entina maneho zavatra na trangan-javatra miseho eo amin’ny fianana. Toy ny zavamaniry izy io, mety mamoa, mety mitsiry, mety maty momoka, mety malazo, mety maty. Misy ohatra ny voambolana hoe “miboeriboerika“, izay angamba tsy ho fantatrao avy hatrany ny dikan’izany, manomboka malazo ary efa mitady ho faty.

Etsy andaniny, misy indray kosa ny trangan-javatra vaovao, na zavatra vaovao izay tsy mbola nisy teny manondro azy, ka voatery indramana voambolana amin’ny fiteny vahiny na faritana lava be. Ohatra amin’ireny ny anniversaire, izay zavatra tsy nankalazain’ny Ntaolo loatra, ka tsy manana voambolana tsotra manondro an’io isika fa dia hoe “fitsingerenan’ny taona nahaterahana”. Indraindray dia misy teny vaovao vao miforona mifanaraka amin’ny zavatra vaovao, toy ny hoe finday, fimailo, …

Ny famaritana ireny voambolana vaovao ireny no tiako hofaritana amin’ny hoe volivolana. Izany hoe izay olona mamorona voambolana vaovao entina hamaritana zavatra iray vaovao na trangan-javatra iray vaovao dia mamboly volana, koa raha mitsiry tsara io dia mamoa ary lasa voambolana raikitra ilay izy. Matetika dia miforona ho azy eny anivon’ny fiarahamonina eny ny voambolana vaovao, tsy fantatra loatra intsony hoe iza no tena namorona azy, nefa dia lasa teny madio sy raikitra ary samy mahalala ny dikany. Ohatra iray amin’izany ny hoe “makafoka“.

Koa misy tetikasa iray eritreretiko hatao ato ho ato, dia fanomezana sehatra hambolena ireny volana vaovao ireny, mba hahafahantsika mamorona voambolana vaovao hamaritana ireny zavatra misy na miseho kanefa tsy misy voambolana tsotra mahalaza azy. Ny tena tanjona amin’io volivolana io dia tsy grefy na botiora, izany hoe teny vahiny agasiana na misy famaritana avy amin’ny teny iray efa misy, fa tena volana vaovao vao foronina fotsiny tsotr’izao.

Koa indreto ary aloha misy ohatra vitsivitsy amin’ny volana amboleko, asa raha haniry.

Sary maneho lehilahy iray migandrogandro

  • migandrogandro: ilazana olona, lehilahy na vehivavy miondrika ka miseho ny kilaotiny.
  • migandro: ilazana olona, lehilahy na vehivavy miondrika ka miseho hatramin’ny tataka amin’ny fitombenany.
  • migondrogondro: ilazana vehivavy miondrika ka miseho avy eo aloha ny tatinonony
  • migondro: ilazana vehivavy miondrika ka miseho avy eo aloha ny nonony.

Ireo volivolana ireo izao, dia vao noforonina ny fototeny, nefa kosa ny firafitra dia manaraka ihany ny fitsipi-pitenenana malagasy. Ny verindroa mantsy dia manalefaka kokoa ny hevitra iray. Ary mora hita eny amin’ny tenintsika ihany koa fa indraindray dia zanatsoratra iray no manavaka hevitra roa mifanakaiky : ohatra ambany sy ambony, eto koa ny migandro sy migondro, dia mora tadidy ny volana vaovao.

Ohatra hafa:
mibosia: manatsofoka clé USB, dia avadika ambony ambany ilay izy fa ohatry ny diso ny fitsofohany, dia averina amin’ilay telo aloha ihany indray avy eo fa hay ilay tamin’ny voalohany ihany no nety. Entina ihany koa trangan-javatra eo amin’ny fiainana anandramana safidy anankiray, dia ovaina safidy hafa fa toa tsy mety, ary avy eo miverina amin’ny safidy voalohany ihany fa hay iny ihany no mety.
mota: garde du corps.