Friday, February 20, 2015

Tiako i Mugabe

Ankamantatra : Inona no ifandraisan’i Jason Statham sy Robert Mugabe?

Jason Robert

Nahazo kiana kely izay aho tao amin’ny Facebook, vondrona Fiteny Malagasy. “DotMG < Miala tsiny indrindra raha somary hanankiana kely fa ise manaja ny fiteny Malagasy sy ny maha Malagasy ka sao dia mba tsy mety lahy ity sarim-bazaha ataonao eo amin'ny rindrinao ity ?". Ny anton'ny fanakianana dia miseho ho mpanaja ny fiteny malagasy sy ny maha-Malagasy aho, kanefa ny sarintava ampiasaiko dia sarin'ilay mpilalao sarimihetsika Jason Statham.

Koa satria hivoana amin’izay antony nametrahako an’ilay lahatsoratro tao ity valin-tsikera ity, ary tiako hatao kabary tsy valiana ihany koa, dia nosoratako eto amin’ity blaogiko ity ny valiny.

Ao amin’i Facebook, ny fampiasana sarintavan’olo-malaza dia heverina ho midika fankafizana an’iny olo-malaza iny. Eny tokoa, mpankafy ny ankamaroan’ny sarimihetsika lalaovin’i Statham aho. Mpankafy sinema ihany koa aho, saingy tsy ny sinema rehetra kosa. Amin’ny ankapobeny dia ny sarimihetsika amerikanina ihany no tena ankafiziko. Matoa aho mankafy sarimihetsika an’ny firenen-kafa dia mety ho ilay mpilalao (Jean Reno) na ilay mpanatontosa (Luc Besson) no maharesy lahatra ahy, ary vitsy ihany ireny no tiako. Fa anisan’izay tena tsy tiako, tsy ankafiziko, ary mbola ho ela mihitsy vao mety haharesy lahatra ahy dia ny sinema afrikanina sy ny sinema malagasy.

Tsy hoe satria aho Malagasy dia tsy maintsy hankafy sy hipasopasoka ny sinema vitan’ny Malagasy, fa raha ny andrankandrana nataon-dry Maitre Avoko sy Caporal Bob ho an’ny sarimihetsika “action”, na ny “kopi-kolé” ratsy noho ny “original” nataon-dry Light Production, na ny sinema atao “support publicitaire” toy ny an’ny Scoop Digital sy ny namany, tsy afaka ny mbola hiteny mihitsy aho hoe azo jerena ny sinema malagasy amin’izao.

Mbola miandry an-dry Lova Nantenaina sy ny Homemade Studio hanana miliara vitsivitsy hanatontosana sarimihetsika tsara aho, na ry Andry Rajoelina hiova taranja ka ho lasa mpanao filma mahaleo tena, izay vao ho mpankafy ny sarimihetsika malagasy.

(Anarana mitovy io Andry Rajoelina io fa tsy ilay mpanao politika akory, mba jereo fotsiny ny soratra miakatra rehefa avy mijery an’ilay horonan-tsarimiaina Angelo la Débrouille ianareo).

Valin’ny ankamantatra teo ambony : Tsy misy loatra ny ifandraisana, fa sarin’i Mugabe no nataoko sarintava tao amin’i Facebook talohan’io Statham io, mba hampahafantarako ny nahavoafidy an’i Mugabe ho filohan’ny fivondronambe afrikanina no antony tamin’izay.