Monday, March 4, 2019

Meritocratie sy Merinocratie

Folo taona lasa izay, teto amin’ity blaogy ity aho, nilaza taminareo fa teny maloto ny voambolana hoe merina, ka tsy tokony hampiasaina mihitsy. Folo taona aty aoriana, tena mbola manahirana ny sofina hatrany ny mandre na mamaky fehezanteny misy an’io teny hoe Merina io.

Androany aho, hanoratra lahatsoratra iray miaro tanteraka ny fitondrana Rajoelina, ary miaro manokana ny Minisitry ny Serasera, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo. Tsy dia fombako ny manohana firehana politika na miaro mpanao politika, indrindra hoe mpitondra, saingy misy resaka mila ahitsy kosa ka tsy azo anginana.

Mahakasika ny fanatsarana ny fanolorana vaovao an-tsary ao amin’ny TVM ny tafa. Amin’ny saina tsy miangatra aloha, maro tamin’ireo mpanolotra vaovao teo aloha, indrindra ireo lehilahy, no tena tsy manintona kosa. Tsy vitan’ny hoe tsy manintona fa na dia manana traikefa an-taonany maro nanolotra vaovao aza dia mbola votsa ihany (miadana fanonona fehezanteny, miankanankana). Raha ny endrika amam-bika an’ireto voafantina hanolotra vaovao kosa, tena tsy azo lavina fa mendrika kokoa noho ny maro amin’iretsy mahazatra.
Azo kianina ny hoe ny Minisitra mihitsy no miditra an-tsehatra manao ny safidy, saingy roa no azo hamaliana an’izay. Voalohany vao nandray asa vao haingana izy, koa maneho izany fa hadisoan’ny mpitantana teo aloha (Tale isan-tsokajiny izay tokony ho nandray izany andraikitra izany hatry ny ela) ny tsy mba nisaina ny hakanton’ny endrika fanehoana vaovao. Faharoa, rehefa mahita ny kiana nahazo an’io fanovana io aho, dia hoy aho hoe tsara ihany ny minisitra mihitsy no “mi-assume” nanao izay fifantenana izay.

Ny mampalahelo dia ny fanehoan-kevitry ny sasany milaza fa fanavakavaham-bolon-koditra ataon’ny Merina io fanatsarana io. Lazaina fa fanilihana ny tsy Merina. Raha noheveriko fa ho fihomehezana no handraisan’ny ankabiazan’ny mpamaky izany fanehoan-kevitra izany, indrisy fa tsy vitsy ireo roboka hankahala Merina na hankahala mpitondra ka miombona amin’io hevitra iray io. Tena “cybercriminalité” kosa aloha amiko ny filazana fa hoe “Tsy tia cotier ny Minisitry ny Serasera”, “mialona ny cotier tsara toerana ny Merina”, fanilihana olona iray (Murella) no anton’io fanatsarana io.

Tsy ny fanolorana vaovao irery no asa azo andraisan-karama, fa mitaky bika aman’endrika mahate hijery izany miseho tele izany. Raha bika aman’endrika tsy mety hatao amin’ny alimanaka tompoko tsy tokony handray andraikitra hilaza vaovao.

Ary porofon’ny tsy fisian’ny fanilihana ny tsy merina, nakarin’ny TVM teo amin’ny plateau mihitsy ny tale anankiray hanazava ny fanatsarana natao, dia tovolahy tsy afaka ny hokilasiana ho Merina mihitsy ingahy Tale nanazava tao. Koa raha misy fanavakavahana ny cotier ve, tsy any amin’ny toerana ambony toy ny tale no ho tsy nahitana afa-tsy Merina?

Taona maro no efa niaretan’ity firenena ity nandefitra ny “équilibre régional” izay fanomezana vahana kokoa ny faritra tsirairay mihoatra noho ny fahaiza-manao. Fahavalon’ny “méritocratie” tanteraka io, ka tsy voatery izay mahay sy havanana na hahavita tsara ny asa no apetraka eo amin’ny toerana ambony anankiray, fa ny fiaviana no tsy maintsy hajaina. Mbola mitohy hatrami’izao io, saingy na dia mbola tohizana aza dia mahazo kiana foana ny mpitondra sy ny “malama loha” fa mampihatra ny fanavakavahana ara-poko. Raha tsy atsahatra ny fiheverana ny fihavian’ny olona iray dia hitovy amin’i Afrika Atsimo aty amin’ny taonjato faha-21 isika. Ao Afrika Atsimo mantsy izao, dia misy fanavakavahana izay mampijaly ny fotsy hoditra mahantra, ka ahiana hitovy amin’izay manjo ny fotsy hoditra ao Afrika Atsimo ankehitriny ny hanjo ny “malama loha” eto Madagasikara afaka taona vitsivitsy.

Mendrika ny hambara sy hotatatataina ny endrika fanavakavahana misy, na iza na iza lasibatr’izany, saingy rehefa tsy misy kosa ny fanavakavahana nefa ambara fa misy, ary maro no roboka mino an’izay, dia ilay olona mamorona an’io fanavakavahana io no tena mpanavakavaka ka mila andraisana fepetra. Ady amin’ny fanavakavahana ihany koa izany.