Friday, March 5, 2021

Mukbang

- Ohatry ny mba tiako izao ny hanao mukbang miaraka aminao, hoy ity vehivavy namana iray tamiko.
* Tsy mety amin’ny fivavahako retsy izany an, hoy aho.
- Izany koa ve dia haninona e, hoy izy? Sa sao dia zavatra hafa no heverinao ho dikan’ilay mukbang?
* Haiko tsara ka, efa no-googliavako dia haiko fa tena tsy mety amin’ny fivavahako, sady tsy tiako koa e!
- Tsy mba tianao ny mijery ahy mihosanosana? Sa inona no tsy itiavanao azy?

Ny mukbang, ho an’izay tsy mahafantatra, dia fihetsika anankiray nentin-dry zareo koreanina raha tsy diso ny fikarohako, ka ny atao dia mihinana hanim-be, hanim-pitoloha, dia alaina video ianao mihinana azy dia zaraina ho hitan’ny olona iny video iny.

* Fahotana ny manao an’io raha izaho Malagasy mpivavaka ity retsy a! Tsy izao havendranan’ny vahiny rehetra izao dia tokony handramana avokoa. Tsy mandeha lavitra fa etsy atsimo kely etsy dia matin’ny kere ny mpiray tanindrazana amiko, ka izaho ve hampidera amin’ny olona tsy fantatro hoe miletra sakafo bobaka? Tsy hain’ny fanahiko hatao izany raha mbola misy kere ao Atsimo, na mbola feno mpitsindroka fatifatin-kanina eny amin’ny fanariam-pako eto an-drenivohitra. Raha hoe handeha hifady hanina isika mianadahy isaky ny zoma hariva, ka izay teti-bidin’ny kaly sy revy tsy nolaniana halefa hanampiana ny havantsika any atsimo, dia ny fifadian-kanina ataontsika no alaina sary sy zaraina mba hanentanana ny hafa hanao toa antsika koa dia izay no mety amiko. Raha fifadian-kanina miampy vavaka aza izao tena mety …

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment