Wednesday, December 19, 2007

Raha toa moa ka … tsy nigrevy isika tamin’ny 2002?

Andro vitsivitsy izay dia nihaiky ny fahareseny ny PDS Hery Rafalimanana, kandidan’ny TIM, ary niarahaba sahady ny Ben’ny Tanàna vaovao Andry TGV. Midika izany fa tsy hisy gidragidra eto amin’ny Tanàna (tsy araky ny ahiahin’ny Quai Sud, 2mn d’arrêt). Ah! Ka gidragidra inona koa moa no afaka hatao eo, amin’ity isam-bato mifanalavitra be, 60% mahery sy 30% mahery?

Manimba ny firenena ny gidragidra, na dia gidragidra am-pilaminana aza. Valiako sahady ny fanontaniana hoe inona no nitranga raha tsy nigrevy isika tamin’ny 2002? Nekena ny hanaovana fihodinana faharoa, kanefa nampahafantarina ny vahoaka fa efa tokony ho vita premier tour ange iny tantara iny fa nisy hala-bato tao. Natao ny fampielezan-kevitra ary nentanina kokoa ny vahoaka handeha hifidy, ka nolazaina fa raha tsy mahatratra 75% ny vokatra marina tsy ho resy ny hala-bato. Ho nolazaina ihany koa fa ho voatery hiara-hiasa amin’ny AREMA ny fitondrana vaovao raha vao ambany ny salanisa azo, koa mila mifidy ny tsirairay. Dia ho nandeha nifidy ny toa anay izay tsy nifidy tamin’ny premier tour, ary ho nifidy TIM, dia vao mainka aza niampy kokoa ny isam-bato azon’i Marc Ravalomanana.

Nihoatra ny 60% ny isam-bato azon’ny kandidà Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa, ary tsy misy hala-bato azo atao intsony hampitsimbadihana ny vokatra. Dia ho niaiky ny fahareseny ny filoha am-perinasa Didier Ratsiraka ary dia nanolotra ny fahefana ho an’i Marc Ravalomanana. Tonga teo amin’ny fitondrana ny lehilahy, sady ara-drariny no ara-dalàna, tsy nisy aina nafoy, tsy nisy tetezana tapaka, tsy nisy nitsoa-ponenana, tsy nisy toe-karena narary, tsy nisy krizy ekonomika. Angamba mbola ho any amin’ny 1600 Ar any ho any ny sandan’ny Euros.

Raha tonga amin’izao fahantrana izao isika, dia ataoko fa tompon’andraikitra avokoa fa tsy hoe fahotan-dRatsiraka sy Ravalomanana irery no nahatonga an’izao. Amin’ny ho avy ary, dia tokony hatao modely izao voka-pifidianana eto Antananarivo izao, ka raha leo gidragidra politika dia tsotra ny fanafodiny: Mandehana foana mifidy ary entano ny hafa hifidy, fa ny fifidianana no lalana madio ahafahana manadio ny tontolo politika koa nahoana isika no hifidy ny lalan-kisoan’ny grevy sy korontana milamina foana? Aoka ho tsapantsika foana fa maro ny olona izay manaiky vidian-tsafidy, na manao safidy tsy am-pisainana loatra (Aleonay ihany Ratsiraka fa iny no efa voky fa izany Ravalomanana izany tonga eo vao hangoron-karena…) kanefa mazoto mifidy, koa rehefa tsy handeha hifidy ny olona ampy fahalalana kely, dia sady mora ny manodikodim-boka-pifidianana (satria vato vitsy fotsiny dia ampy hampiova zavatra), no mora ihany koa ny hitoeran’ny efa tsy mahavita azy ela eo amin’ny fitondrana.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment