Saturday, January 19, 2008

Raha toa moa ka … fongorina eto amin’ny serasera ity 3P, 3P ity?

Tsy zava-baovao akory ity resaka 3P ity fa aretina efa nahazo ny tranonkala hatry ny ela. Efa nisy ihany fanairana nataoko momba azy ity fony izy vao nahazo vahana teto amin’ny sehatra blaogy.com fa ankehitriny dia indro fa mamely mafy indray ilay fahavoazana.

Oay, saika adinoko, ny 3P resahiko eto dia Pills, Porns, Poker. Izany hoe ireo spam mandoto ny internet miezaka mivarotra fanafody amin’ny internet, na manaparitaka sehatra mamoafady na koa ny lalao fitadiavam-bola, fanariam-bola. Ny sehatra http://www.artiste-malgache.com izany dia tena mahonena mihitsy fa lasa sehatra manome vahana an’ireo mpanao spam ireo. Sehatra mizara GoogleJuice maimaim-poana tsy misy ohatra an’ity. Manala baraka ny mpanakanto malagasy raha toa ka hoe hijery sehatra mahakasika ny mpanakanto ny mpitsidika iray, kanjo varotra fanafody mampangeza sy mampihenjana no hitany ao?

Manana adiresy iray nisy nanoratra tamin’ny internet aho dia mahatonga spam eo amin’ny 3 isan’andro eo, dia nitaraina tamina namana mpiondana Linux noho ireo imailaka sasany tsy mankany amin’ny dossier spam, kanefa manao tolotra hivarotra viagra na fanafody hafa, mba hahasafononoka ny hasambaran’i Madama hono. Dia hoy ilay akama: Ireny spam ireny anie leisy mahafantatra hoe ny an’ialahy MicroSoft (Micro = madinika, Soft = malemilemy) ary tsy afa-po ny vadin’ialahy dia izay no andefasany an’ireny mail ireny fa jereo ny boîte mail-ko raha mahita offre toy ireny ialahy na iray aza. Nojerena ary ny boîte-n’i lehiry, io fa nisy spam iray, dia novakiana, dia spam mivarotra fanafody mampaharitra ela ny lalao no tao. Ny an’ialahy izany Linux ho’aho kanefa 5 segondra dia mamono tena.