Monday, March 3, 2008

Raha toa moa ka … tsy izany no ilaina.

Tantara marina ity, fa tsy mahatsikaiky anefa. Niseho omaly tao am-piangonana.

Aorian’ny raharaham-piangonana no atao ny fanaterana rakitra, ary raha misy hira nangatahin’ny mpanefa voady masina dia ireny hira ireny aloha no atao mialoha, fa raha tsy misy izany na rehefa vita avokoa, dia tononin’ny mpitarika ny laharan-kira hohiraina. Nitsangana ingahy Mpitandrina Mpanampy, dia niteny hoe:

“Ny laharan-kira Fihirana Fanampiny faha 41 sy faha 46 no hataontsika izao. Hira fanampiny 41 sy 16.”

Dia ren’ny mpitendry izay dia natao aloha ny Hira Fanampiny faha 41.

Vita iny, dia nanomboka naneno ny feon’ilay Hira Fanampiny faha 46.

Nitsangana avy hatrany ilay Mitandrina Mpanampy hanitsy:

“Hira Fanampiny faha-16″, hoy izy. “Tsy izany no ilaina”.

Fa tonga dia toran’ny hehy ny mpiangona, hatramin’Ingahy Mpitandrina Tompon-toerana aza mba nampiseho ny nifiny ihany koa. Ingahy Mpitandrina Mpanampy tsy tonga saina mihitsy hoe fa inona aza no tokony ho nampihomehy ny olona tamin’izany fifandisoana izany.

Ity ilay Hira Fanampiny faha-16, nosoratan’i Bessa:

Tsy vitam-po onena, Tsy vitan-dranomaso
Ny asam-pamonjena, tsy azo atao mifampiandry andraso
Tsy azo ifanerena, mila fandavan-tena
Sy hery tsy mba maty, herim-po, herin-tsaina koa.
Na onena ny fonao, na tomany ny maso
TSY IZANY NO ILAINA fa fifankatiavana