Friday, March 14, 2008

Raha toa moa ka … suave mari magno

Secret #5 of 7

Tena tsy mbola vonona ilay sekire faha-4 dia aleo aloha tonga dia ny fahadimy no aboraka fa iverenana iny aoriana kely. Tsy maninona? Eny ary.

Suave mari magno, turbantibus aequora ventis,
E terra magnum alterius spectare laborem,
Non quia vexari quemquam est jucunda voluptas.
Sed quibus ipse malis careas quia cernere suave est.

Ny toetrako ratsy indrindra dia ny mifaly amin’ny fahorian’ny hafa.

Tranga iray ahitako fahafinaretana lehibe indrindra ohatra, rehefa ilay avy orana iny, dia izaho ao anaty fiara tsara tarehy, mafana sady tsy lena, mihaino mozika, dia ny hafa kosa indreny mitsoitsoy tsy ananan’ny orana antra, na mitampify mangatsiaka eo ambody rindrina miandry izay hitsahatsaharan’ny orana. Fa rehefa mihomehy ny manjo ny hafa aho, dia matetika tsy mba tratran’izay fahavoazan’ny hafa izay mihitsy.

Tany Vontovorona, nisy fotoana miakatra tampoka ny voltage-n’ny JIRAMA, may daholo ny fitaovan’ny mpianatra (Radio, TV, …) Ny ahy tamin’izay tsy nalefa dia tsy nisy simba. Natatatatako amin’izay ary ny radio keliko nony tsy nanana intsony ny ankizy, ataoko fanahy iniana sokafana ny varavarankely amin’ny alina mba ho hita hoe misy TV mandeha ao amiko. Dia hoy ny namana hoe mbola ho tratra ialahy miseho milay io. Dia mbola niakatra tokoa ny herin-jiro fa … DotMG mbola tsy tratra e! :)

Tsy menatra ny mihomehy aho raha misy sipa manao kiraro avo talon be ireny sendra solafaka.

Nefa na izany aza, raha amin’ny andro avy orana aho ohatra no mamily fiara ka misy manakana, ary raha misy toerana antonona, dia tena mitondra olona mihitsy aho, na dia mandena seza tokoa aza ilay olona entina. Mba sakantsakano ihany raha sendra ohatr’izay e!

Quand l’Océan s’irrite, agité par l’orage,
Il est doux, sans péril, d’observer du rivage
Les efforts douloureux des tremblants matelots
Luttant contre la mort sur le gouffre des flots ;
Et quoique à la pitié leur destin nous invite,
On jouit en secret des malheurs qu’on évite.