Tuesday, March 17, 2009

Raha toa moa ka … hisafidy voambolana

Amin’ny mpanao gazety sy mpaneho hevitra dia zava-masina ny voambolana ampiasaina, ary mila fidiana tsara fa iny no tena milaza ny état d’âme.

Voalohany aloha dia ny titre omena ireo mpitarika politika.

Filoham-pirenena Marc Ravalomanana / Andriamatoa Andry Rajoelina (fady na dia hoe Ben’ny Tanàna aza, eny na dia hoe Ben’ny Tanàna teo aloha koa aza), PDS Guy Rivo Randrianarisoa / Ramatoa Michelle Ratsivalaka, Praiministra Charles Rabemananjara / Andriamatoa Monja Roindefo. Izay ho an’ny andaniny. Ho an’ny ankilany kosa dia ny mifamadika amin’izay, Filoha Andry Rajoelina na hoe Filohan’ny HAT.

Ho an’ny mpanao gazety mbola te haneho ny maha-tsy mitanila azy izany dia sady antsoina ho Filoham-pirenena i Marc Ravalomanana no antsoina ho Filohan’ny HAT i Andry Rajoelina.

Fony mbola teo ambany fahefan-dRavalomanana ny tafika, dia Mpitandro ny Filaminana no niantsoan’ny andaniny azy, fa Herim-pamoretana kosa izy ireo ho an’ny ankilany. Ny “centristes” izany milaza azy hoe Tafika na miaramila na zandary fotsiny ihany. Rehefa nanohitra an-dRavalomanana kosa ireo tafika ireo, dia miaramila diso làlana, na miaramila mpioko no fiantso azy ho an’ny andaniny, ary niverina ho tafi-bahoaka sy mpitandro filaminana kosa indray ho an’ny ankilany.

Ireo andian’olona nandroba fananana indray, dia mpandroba na mpanakorontana no iantsoan’ny andaniny azy, fa mpanararaotra na mpandoto ny tolona kosa ho an’ny ankilany. Nefa rehefa ny olona akaikin’ny fitondrana Ravalomanana kosa no lasibatra, toa ny nahazo an’ingahy PDS Guy Rivo Randrianarisoa notendren’ny fitondrana Ravalomanana, dia eken’ny ankilany ihany fa hatezeram-bahoaka no niavian’izay fahasimban-javatra izay.

Ny mpanao sakana eny amin’ny làlana indray, dia andrimasom-pokonolona izy ireny raha ny avy ao amin’ny firehan-kevitra tohanan’ilay mpiteny no manainga sy/na manakarama azy, fa mpanao barrage na mpanohintohina ny fivezivezena kosa izy raha ny mifanohitra amin’izay.

Raha iverenana ilay asabotsy nisian’ny ra mandriaka tamin’ny 07 febroary 2009, dia “Fanafiham-bohitra tao Ambohitsorohitra” sy fanitsakitsahana ny faritra mena izany ho an’ny andaniny, saingy “Famonoana malagasy teny Antaninarenina” tsy misy sommation kosa ho an’ny ankilany. Nataoko matavy moa ilay mpisolo toerana hoe “tao” sy “teny” satria midika zavatra betsaka, ary ny anaran’ny toerana nitrangan’ny fatiolona ihany koa dia milaza zavatra vaventy.