Monday, June 21, 2010

Raha toa moa ka … tsy mba hahita Barea manao mondial mandra-pahafaty

Resaka baolina.
Rehefa hoe afrikanina hono dia manjary te-hanohana ny ekipa afrikanina. Ny ahy tsy dia noho ny hoe afrikanina loatra no antony aniriako ny handresen’ny ekipa afrikanina, fa mba hitsinjovana ny ho avy.

Ity resaka fiadiana ny amboara eran-tany ity mantsy, misy raikipohy henjana ny fikajiana hoe firenena firy no tokony hisolo tena ny kaontinanta iray, ka arakaraky ny vokatra azon’ny kaontinanta eo amin’ny sehatry ny amboara eran-tany no hanomezana isa io kaontinanta io, dia mivoaka arakarak’izay ny hoe tokony ho firenena firy no avy ao amin’io kaontinanta io no handray anjara amin’ny amboara manaraka.

Taloha isika afrikanina dia efatra ihany no tafakatra any amin’ny dingana faran’ny amboara eran-tany. Dia tamin’ny andron’i Roger Milla dia hoe nampiana iray mba ho dimy fa efa misy fivoarana ny fahaizan’i Afrika milalao baolina. Tamin’ity 2010 ity dia enina mihitsy no isan’ny firenena satria moa i Afrika Atsimo efa mpampiantrano rahateo.

Rehefa jerena anefa ny voka-dalao hatreto, dia, andraso anie hojerena e :

Isan’ny lalao nataon’ny Afrikanina (tsy isaina i Lafrantsa sy Italia fa ny tena afrikanina) : 12
Isan’ny baolina tafiditry ny afrikanina : 6 (antsasaka baolina isaky ny lalao), ary ny an’ny Ganéanina amin’ireo, miisa 2 dia tamin’ny alàlan’ny penalty hatrany.
Tontalin’ny isa azo : 7, fandresena tokana, ady sahala efatra, faharesena zato sy arivo. Ny Ganéanina amin’io tsy hay na manao tsolotra avo lenta na manao ody gasy (ody gané mantsy e) fa dia mandresy amin’ny tsy rariny.

Rehefa ireo izany no hatambatra dia karazandrazan’ny hihena ho efatra indray ny ekipa afrikanina hanao mondial amin’ny 2014 (raha mbola tsy tonga ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao). Isika anefa dimampolo mahery, vao mainka tsy azon’ny saina hoeritreretina hoe hahita Barea manao mondial aho alohan’ny hahafatesako.

Tsetsatsetsa farany : pronostic-ko aloha dia 18 ny isan’ny lalao hataon’ny afrikanina amin’ity mondial ity. Tsy haiko tamin’ny 2006 na 17 na 18 no isan’ny lalao nanaovan’ny afrikanina.