Monday, February 14, 2011

Raha toa moa ka … ADOLANTSENTO [doka]

Amin’izao andron’ny mpifankatia izao dia azo atao ihany koa ny manolotra boky ho an’ny sipa na vady. Misy boky iray tena mbola mikarepoka be ity, amboaran-tononkalo nosoratain’i Hobiana. Tandremo anefa fa natokana ho an’ny zatovo sy olon-dehibe mihoatra ny 13 taona izy ity ka raha mbola 12 taona na latsaka ny sipanao dia aleo CD Justin Bieber no omena azy.

Azo raisina ao amin’ny RARIHASINA, biraon’ny HAVATSA UPEM, rihana voalohany manomboka anio.
Alatsinainy - Alakamisy - Zoma: 9ora - 12ora
Talata - Alarobia: 2ora - 5ora
DEDICACE : Sabotsy 19 febroary amin’ny 9ora 30mn – 12ora ; 2ora – 4ora 30mn
Sarany :Ar 6000 (promo)

  1. DotMG

    Monday, February 14, 2011 - 12:20:52

    MADAMA

    Asa re Madama
    raha sendrasendra ihany rehefa ianao mampianatra
    Fa tsinjoko mazana
    mifampiantefa foana ny masontsika mianaka
    Ny fanadinana aza
    efa indroa nisesy tsy nisy haiko akory
    Nefa dia nahagaga
    nanjary izao indray no nahazo isa ambony

    …Dia faly ery ry neny
    nandoka sy niteny
    fa mianatra ny zanany.

    Ianao koa moa Madama
    tato ho ato izay dia tena niova mihitsy
    Ny andro tsy mafana
    Ny akanjonao he nefa…mihafohy sy mihamanify
    Vao maika aho tsy mahay!
    Ny lesona mandeha, ny masoko any ihany
    sady izay indray
    ilay dolam-bikanao no ataoko nofy mamy.

    …I dada anefa any
    manantena hatrany
    fa mianatra ny zanany.

    HOBIANA
    18-12-92 04-09-98

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment