Thursday, January 5, 2012

Raha toa moa ka … Onitiana filoha

Taratasy misokatra ho an’i Madama Onitiana Realy.

Raha nijery ireo famakafakana nataonao tamin’ny fotoanan’ny Caucus nisafidianana ny ho kandidà tany Amerika nifanandrinan’i Hillary Clinton sy Barack Obama ny tenako, dia nahatsapa hoe misy fitiavana milalao politika ao anatinao ao. Anisan’ny manana fitiavan-tanindrazana ianao, ary mahafinaritra anao izany hoe vehivavy mitana andraikitra ambony eo amin’ny firenena izany. Raha ny traikefa sy ny haitao indray ary ny diplaoma mitambatra dia inoako fa resinao izy efa-dahy izay mihevi-tena ho nahavita azy na mbola mahavita azy. Taorian’ny fikitikitihan’ny fitondrana HAT anao manokana vokatr’ilay fanadihadiana manongo sy mitsipindy iny dia nitombo be ny côte de popularité anananao.

Koa manan-kevitra aho hoe maninona moa raha manangana ekipa ianao dia alatsaka amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika, tsy efa misy herijika ve amin’izao? Ny tsara, vao aty amin’ny fampielezan-kevitra dia asehonao ireo ho mpiara-miasa ao amin’ny governemanta rehefa lany, izany hoe ny ossature-n’ny governemanta tonga dia aseho hoe i anona no hataonao PM, i anona VPM misahana an’izao, etsetra … Raha vao mahatafatsangana ekipa maharesy lahatra ianao dia ao am-paosy io na hanao hala-bato aza i anona sy anona. Ny Gasy ne zao sady efa leo bandy no leo politika e! Tadiavintsika ny folo miliara ariary hanaovana propagandy makotroka raha vonona ianao.

Dia farany, mandra-pandinikao an’ity soso-kevitra ity, misy bandy akama milay izay ho’aho any mety eo amin’ny toeran’ny premier homme raha toa ianao hanao ohatr’i Sarko hoe vao vaovao ny maha-filoha dia vaovao koa ny Carla.

Voahariniaina

PS: Dia avoaka ihany koa le fanampin’anarana tsy misy mahalala hatramin’izay (Ignace ohatra ny an-dRatsiraka, ny anao atao hoe Voahariniaina).

  1. pissoa

    Sunday, January 22, 2012 - 13:35:57

    Hi hi hi, aiza i Simp hanosika an’i Onitiana fa efa nilaza i Gal Fidy tao amin’ny Invite du Zoma tamin’ny Zoma fa toa hoe efa misy fika be hampiakarana vehivavy mistery hitondra ny tany sy ny fanjakana hono any ambadika any. Sa i Onitiana ihany io fa atao surprise hi hi hi.

  2. DotMG

    Monday, January 23, 2012 - 12:57:31

    Ho tafita ihany i Simp, ary rehefa tafita i simp dia tafita daholo ry Dot, ikalamako, pissoa, etsetra …

  3. simp

    Sunday, January 29, 2012 - 14:20:10

    ouh
    onitiana for president
    oui je le veux
    president of my heart
    ^:^

  4. simp

    Sunday, January 29, 2012 - 14:23:35

    nojereko le emission…
    otran’ny somary naive izany izy …
    bonne intentions alou fa na izany aza… ra atao minisitra ngamba na hoe conseiller any ho any no mety aminy aloha…
    asa anefa, iza no mahita, mety hoe izy no afaka manao zavatra

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment