Tsipelina

Ity toerana ity dia ahitanao rindrankajy mpitsara tsipelina amin'ny fiteny malagasy. Azo ampiasaina maimaim-poana ity rindrankajy ity. Atolotra anao araka izay toetrany anefa izy, fa tsy misy fiantohana ny amin'ny fetezany. Tsy dia mbola matotra zato isan-jato izy ity, koa misy ny teny izay tsy diso tsipelina kanefa hatsinkafony satria tsy mbola fantany. Tsy mbola mahay manome soso-kevitra ny amin'izay tsipelina tokony ho nampiasaina ihany koa izy fa dia anjaranao ny mamantatra izay fanitsiana tokony hatao raha misy tsipelina lazainy fa diso. Na izany aza, raha hitanao fa manampy dia mba ambarao any amin'ny namanao izay mety hila azy any e!

Raha hanandrana hitsara tsipelina dia jereo eto : Fitsarana tsipelina

Opensource ity rindrankajy ity, koa azonao alaina ao amin'ny tsipelina.sourceforge.net ny fango. Mila webserver misy PHP izy ity, ary mety hanahirana ihany ny fametrahana azy raha irinao ny hametraka azy ao amin'ny solosainao.

Ho avy tsy ho ela ao amin'ny wiki ny mombamomba sy ny fivoatran'ny tetikasa.