Thursday, February 14, 2008

Raha toa moa ka … mba ataoko ny lakozia.

Hotantaraiko anao ny Saint Valentin-nay mivady tamin’ny herin-taona toy izao. Tsy niasa mihitsy aho tamin’io fa naka congé, fa mba hanao zavatra espesiall kely amin-dRafotsy. Tamin’ny 4 ora maraina aho no nifoha, nataoko tsy reny mihitsy ny fialako teo ambony fandriana, ny 14 febroary io. Nankany an-dakozia aho nikarakara sakafo, mba nanao an’izany hoe petit déjeuner tropical. Tsy hoe midoka tena fa mba tena vitako nilay aloha izy tamin’izay. Narosoko teo ambony fandriana ilay izy dia niarahanay nihinana. Miam miam. Lany ny sakafo dia hoy aho hoe: Izaho ihany no manasa ny lovia sy sotro sy fitaovam-pihinana rehetra, fa ianao efa namanako rano handroana. Dia lasa izy nandro, tsy nanao merci papa akory.
Lasa niasa Rafotsy, dia nanokona sakafo antoandro indray aho. Lasa aloha noho ny isan’andro izy, satria mbola izaho ihany koa no nanadio an’i Smiley kely. Crevettes no nokarakaraiko, nataoko matsiro be. Efa nataoko vonona teo ambony latabatra ny rehetra rehetra fa dia esorina fotsiny ny rakotra dia nihinana tamin’ny tonga izy ny antoandro. Nihinana izahay, tsy dia be teny mihitsy izy fa hitako nankafy dia nankafy tokoa. Tapitra ny sakafo, dia mbola nilazako ihany izy fa izaho no hanadio ny fitaovam-pihinanana.”Iah”, hoy izy, ary izay fotsiny no teniny, tsy nisy hoe “Mba mahakarakara ange ity vadiko ity e!” na ny toy izany.

Efa tsy nitovy tamin’ny fahazotoako ny anikeheo marainan’io anefa fa tsy mba nahazo misaotra aho na fandokafana kely akory. Dia lasa aho niverina tany an-dakozia fa izy kosa nandeha naka torimaso kely, mandra-piveriny miasa.

Nony alina, tsy mbola nahazo an’ilay merci na ilay bravo mihitsy aho, ary tsy aritro intsony ka dia nanontaniako:

  • tsy tian-dria angaha ilay sakafo nokarakaraiko?
  • tiako ka, natsiro…
  • ary indria toa tsy mba nanao merci na mba nandoka kely ahy akory?
  • fa hono ho’aho ry DotMG, fa ireny sakafo karakaraiko ho anao isan’andro ireny ve izany tsy matsiro koa?
  • matsiro ireny ka, matetika, fa ahoana?
  • koa izaho aza 364 andro ao anatin’ny taona, mikarakara sakafo matsiro ho an-dria, tsy mba mahazo izany merci izany mihitsy. Toy izay rehetra nataon’i Toi androany no efa ataoko isan’andro nefa izaho angaha mba mahazo an’izany hoe merci neny?

Tsy nahateny intsony aho fa dia tratra tamin’ny marina. Hay tokoa moa ka io sakafo matsiro haniko isan’andro io, herim-po no lany vao miroso eo anoloako nefa aho tsy mba mahalala misaotra ilay nikarakara azy akory fa dia ohatry ny hoe normal be? Rehefa misy kely tsy mifanaraka amin’ny saiko (ohatra mba may kely ny hena), izay vao mba heno ny feoko ary hitaraina sy hibedibedy hatrany…

Friday, February 8, 2008

Raha toa moa ka … tonga soa DotMG

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin’ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin’ny Toeran’ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.