Thursday, October 31, 2013

Vita didim-poitra

- Amin’ny fomban’ialahy isany Malagasy moa ry Zandry kely, rehefa avy notapahina ny maha-lehilahy an’ialahy isany dia omena kilalao ialahy isany ho tambin’izay nanapahana an’ialahy isany izany. Koa rehefa nandinika izahay dia ity bibill kely ity no homena an’ialahy amin’izao ka dia hendre tsara amin’izay leisy fa efa lehilahy lehibe.
- Misaotra indrindra ry Dadatoa fa dia tena mahafinaritra ahy tokoa ity fanomezana ity. Edre, tsara ery izy izany an!
- Tao amin’ilay noeritreretin’ialahy ve ilay izy leisy?
- Nieritreritra ihany aho hoe bibill kely fa saingy tsy ilay tena kely ohatra an’ity no niriko fa mba ilay azo taingenana ireny. Hitan’i Dadatoa toy ilay eny Analakely amin’ny andro fety ireny?
- Mbola kely loatra ialahy ka sao maratra raha omena an’ireny fa ity aloha no antonona ny fahamatoran’ialahy. Mianara mafy leisy dia mazotoa mitombo amin’ny fahendrena fa mety ho lasa mpitondra bus na mpitondra lamasinina ialahy rehefa lehibe raha mba tena hendry tsara.

Ny sary illustration nampiasaina dia tsy misy ifandraisany loatra amin’ny tantara fa mba nahafinaritra ahy fotsiny.

Sary momba ny tetikasa hanatsarana ny fitaterana eto Madagasikara

Tuesday, October 29, 2013

Tsy mahalala menatra

Ny vato fotsy amin’ny fifidianana dia midika hoe mpifidy tsy resy lahatra tamin’ireo kandidà azo nisafidianana, ka dia naleony nandrotsaka vato fotsy. Ny vato maty indray dia mety ho toy izay ihany hoe aleo vonoina ny vatony, nefa koa mety misy hoe tsy afa-misafidy amin’ny kandidà 2 na maromaro dia samy nomeny ny vatony ireo.
Amin’ity famakafakàna politika ny voka-pifidianana hataoko eto ity, dia aleo horaisina amin’ilay sokajin’olona voalohany, tsy resy lahatra amin’ny anankiray amin’ireo kandidà azo nisafidianana, ireto mpifidy nanao vato fotsy sy maty tamin’iny fihodinana voalohany teo iny.

Ny tiako hisintonana ny saintsika mpamaky dia eo amin’ny isan’ny vato fotsy (sy maty). Vokatra tamin’ny 3 ora latsaka fito, 29 oktobra 2013, dia niisa 96545 ny vato fotsy (sy maty). Raha izaho no anisan’ny kandidà nilatsaka tamin’io fifidianana io, dia ho menatra aho raha nahazo vato ambanin’izay isa 96545.

Dia ho gaga ianao raha ilazako anefa fa kandidà telo ihany no nahazo vato ambonin’io, dia ny laharana 33 sy 3 mazava ho azy, ary ny laharana faha 6. Tafiditra fahaefatra vonjimaika ny laharana fahafolo, Camille Vital, nahazo vato 96051.

Koa rehefa hirehareha amin’ny isam-bato azony ireo kandidà ankoatra an’i Robinson, Rajaonarimampianina ary Andrianainarivelo, dia aoka ho tsapany fa ny mpifidy ny vato fotsy (sy maty) aza mbola betsaka noho ny nifidy azy. Koa aza ny salan’isa no ampideraina fa raha nilatsaka i DotMG dia tafiditra laharana fahaefatra talohanareo farafaharatsiny ary nahao isam-bato 96545 farafahakeliny.

Tuesday, October 22, 2013

Andao hisaka foza

Mba mahasosotra ahy mihitsy ity toetran’ny foza orana ity, dia tapa-kevitra aho fa handeha higafy anankiray amin’ireto fozaorana ireto. Ny fozaorana tiako horesahina eto dia ireo vazaha (asa aloha na afrikanina na eoropeanina fa raha ny sary ampiasainy dia sarina eoropeanina, fa raha ny tsipelina kosa indray dia afrikanina nedala) mpamitaka amin’ny alàlan’ny internet.

Offre foza

Tsotra ny atao, mandefa mail amin’ity foza orana ity dia milaza fa tena liana hividy an’ilay fiara. Tandremana tsara fotsiny fa tsy mamoaka vola na ny ariary aza isika satria efa fantatra fa fitaka hanjonoana ny bado ity tolotra ataony ity, fa dia arirarira eo izy. Raha vao mangataka vola kely toy ny 100 EUR na 50 EUR izy dia lazaina nalefa ilay vola afaka andro vitsivitsy.