Monday, September 29, 2008

Raha toa moa ka … 3F (IKor 13: 13)

Finoana, (Aza matahotra, minoa fotsiny ihany)

Fanantenana, (Fanantenana Vaovao)

Fitiavana (Andry Rajoelina se porta officiellement candidat à la Mairie de la Capitale, avec, pour cheval de bataille l’Amour (« Fitiavana »))

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo. (IKor 13: 13)

Tuesday, September 23, 2008

Raha toa moa ka … tokony hakatona i Google

Tamin’ilay post omaly, nataoko hoe define:eternity site:microsoft.com ny lohateny, ary dia nisy nandefa imailaka taty amiko nanontany hoe inona hono no dikan’izany. Indro ary hohazavaiko aminareo, na ny efa mahalala na tsia ny dikan’io.

define: Rehefa mitady famaritana teny iray amin’ny alàlan’i Google ianao, dia asiana hoe define, avy eo teboka roa ary ilay teny tiana hofaritana dia omen’i Google avy hatrany ny famaritana iny teny iny, araka izay hitany ao amin’ny internet. Tena fampiasako iny anankiray iny rehefa misy voambolana tsy fantatro. Indray andro, tao amina fantsona IRC iray, nisy olona niresaka tamiko ary voazavako taminy fa ny olana mitranga aminy dia tsy miseho aty amiko, fa aty amiko mety tsara ilay rindrankajy. It’s a bummer, hoy izy. Mailaka ery aho nijery ny dikan’izany hoe bummer izany amin’i Google ka nanoratra hoe define:bummer. Voatery niaiky aho fa tsy mahalala ny dikan’io voambolana io ary nanazava taminy ny vokatra hitako araka ny famaritan’i Google. Toran’ny hehy ilay razoky nilaza tamiko hoe mahakivy no tiany hotenenina.

site: Raha tianao hoferana amina karazan’anaran-tsehatra sasantsasany indray no hanaovan’i Google fikarohana, dia asiana an’io hoe site: io,ka ampahana nom de domaine no atao ao aoriany. Raha ohatra ianao te-hikaroka hoe ao amin’izay sehatra miafara amin’ny .mg ihany no hikaroka, dia afaka ampianao hoe site:.mg ny teny izay hokarohinao. Mba nandramako ary ny nikaroka ny sarin’ny Filoham-pirenena malagasy amin’ny sehatra iray hoe nescent.org, dia toy izao no nanaovako azy: Miditra amin’ny sehatra images.google.com aho, satria io no sehatra fikarohana sary. Avy eo soratako hoe Marc Ravalomanana site:nescent.org, fa tsss, na tokony hakatona i Google na ilay site nescent.org no tokony hotoriana any amin’ny tribonaly iraisam-pirenena.

Izay izany ny vaovao azo zaraina androany fa, raha iverenako ilay lohatenin’ny post omaly dia hoe : famaritana ny atao hoe mandrakizay raha araka an’i MicroSoft, izay no nofonosin’iny lohateny artistika iny.

Monday, September 22, 2008

what if … define:eternity site:microsoft.com [Photo]

2878366632_87b1ff1454.jpg?v=0