Sunday, August 17, 2008

ON VACATION

What if … on vacation, and about to be moved permanently.
Et si … en vacances, ou sur le point de ne plus réapparaitre.
Raha toa moa ka … maka rivotra, na mety tsy hiverina intsony.

Wednesday, August 6, 2008

What if … on vacation.

Raha sitrakareo dia mba haka rivotra kely ihany koa ny what if … mandritra ny roa volana latsaka kely eo ho eo. Tsy hanoratra lahatsoratra aloha izany fa mba hanadino kely ny tontolon’ny blaogy mandritra io fe-potoana io.

Eto amin’ity blaogy ity moa, na dia rediredy aza no betsaka eto, misy mason-tsivana ampiharina ihany, ary maromaro ihany ny lahatsoratra efa vita no niniana tsy navoaka, nisy ihany koa tamin’ireny lahatsoratra navoaka ireny no nijanona herinandro maromaro tao anaty vakiraoka tao aloha vao naseho, fa nila nodinihina maharitra. Amin’izao fotoanan’ny fakan-drivotry ny blaogy izao, dia hohitarina kely ny mason-tsivana, ka misy amin’ireo lahatsoratra izay tsy navoaka ireny no avela hiseho masoandro. Natao ho ahy manokana anefa izy ireny, tena blague débile, ary tsy hahaliana anao velively, fa izaho irery ihany no mort de rire aminy. Mba iangaviako ary ianao tsy hamaky ny lahatsoratra roa manarakaraka mivoaka eto, raha sitrakao mazava ho azy. Dia manome fotoana anareo any amin’ny volana septambra any indray.

Misaotra tompoko.

Thursday, July 31, 2008

Raha toa moa ka … ampiondano clavier

Leader recherche leader.

Taorian’ny nahalasanan’ny Filoha mpanorina ny Leader Fanilo, Herizo Razafimahaleo dia eo am-pikarohana izay ho filoha vaovao hanohy ny asa ity antoko ity. Mety ho sarotra ny safidy satria hatramin’izay dia Herizo Razafimahaleo no fantatr’olona kokoa noho ny antoko Leader Fanilo, araka ilay fandinihana efa nataoko hoe ny antoko politika eto Madagasikara dia tsy sehatra hampivondronana firehan-kevitra mitovy ho amin’ny fampandrosoana fa tohatra iakaran’ny olona iray ho eo amin’ny toerana iriny fotsiny ihany. Toa vitsy ny anarana Leader Fanilo mba mety halaza, ary izay efa re aza tsy maharesy lahatra noho ity Filoha mpanorina efa nodimandry. Raha hanendry Filoha vaovao, mila atao dieny mbola ao am-pon’ny vahoaka ny alahelo an’i Herizo, izany hoe faran’izay haingana mety. Sanatria … manararao-paty.

Efa razana mbola maneso ihany.

Nampiavaka an’ingahy Herizo Razafimahaleo ny filazany mahitsy izay tsy ankasitrahany amin’ny ataon’ny mpitondra. Na mbola tao amin’ny fon’ny vahoaka tanteraka aza ny fitiavana an-dRavalomanana tamin’ireny taona 2002 ireny dia efa sahy nitsikera izy. Somary manana fomba fiteny maneso izany izy indraindray, noho ny fianarana avo lenta norantoviny angamba, asa. Nitatitra ny fampahalalam-baovao norenesiko fa tsy mba nahazo titre honorifique à titre posthume Itompokolahy, tsy voalaza moa na ny fianakaviana no tsy nanaiky, na ny fitondram-panjakana no tsy nety nanome, fa ny notsipihin’ny vaovao dia hoe: fony fahavelony aza dia tsy mba nahazo an’izany mari-pankasitrahana izany mihitsy ny lehilahy, ary tsy ny mari-pankasitrahana no zava-dehibe taminy fa ny fampandrosoana. Hmmm, sanatria toa mbola maneso an’izay mirehareha amin’ny Honoris Causa?

Mahafaty ny aretin’ny voa.

Raha tsiahivina, tsy i Herizo ihany no mpanao politika efa nolavoin’ny Insuffisance rénale, fa efa tao anatin’ny lisitry ny lasibatr’ity aretina ity koa itompokolahy Germain Rakotonirainy. Tena azo lazaina ho tsy mbola voatsabo eto an-toerana ity aretina iray ity, fa na ny mpanankarena aza tsy afa-miala aminy.

Nisy “naman’ny fianakaviana”, nodimandry efa tapa-bolana izay, noho ny aretin’ny voa angamba. Mpisolovava no asany, ary izy no nampahafantatra ahy ny hevitry ny fehezanteny hoe “Je deteste les avocats”, fa saika nahitana loza ny nafitsony. Tsy miady amin’ny razana moa ny Malagasy, izaho rahateo tsy mitana alahelo fa ny fiainako nilamina ihany, fa dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.

Aziew, ireto hira 2 ambany ireto hirahiraina raha tonga ny andro hahalasanako, dia iriko aho mba hampiondanina clavier.
http://tononkira.serasera.org/?rub=tononkira/hira&id=1397
http://musique.ados.fr/Celine-Dion/Immortality-t45512.html