Tuesday, June 17, 2014

Polisy misava taratasin’ny fiara (2)

Nandeha alina ity ranamana iray fa maika hody, maizim-bolana ny andro, ny fiara anefa tsy misy jiro. Efa tamin’ny 11 ora alina ka tsy dia nisy fiara nifamezivezy intsony. Voatery nandeha mafy izy satria matahotra ny ho voasakan’ny mpitandro ny filaminana, ilay fiara nentina mantsy tsy misy taratasy fiantohana sady tsy misy ilay karatra miloko volombatolalaka, ary ingahy mpamily rahateo tsy manana taratasy fahazoan-dàlana mitondra fa tsy mbola ampy taona akory, raha ny endriny aza no tombanana, mbola vao 14 taona raha betsaka.
Nidina an’iny fidinana amin’ny hopitaly CENHOSOA iny izy, ka noho ny fandehanany mafy loatra dia naleony ny “klaxon” no natao mafy dia mafy toy ireny fiara manaraka mariazy ireny.
Tandrifin’ny vavahadin’ny hopitaly indrindra kanefa no nisy mpitandro ny filaminan’ny fifamoivoizana nanao ny asany ary nanome baiko azy hijanona. Fanisatra izany, toy ireny fiara mpanao “drift” ireny mihitsy, fa mba tafajanona soamantsara ihany, somary nisongona kely an’ireo mpitandro filaminana.
Nafenin-dranamana haingana ny tavoahangin-toaka vao avy nisotroany ary nampidininy moramora ny fitaratra. Ilay mpitandro ny filaminana kosa tsy avy dia nanatona teto aloha toy ny mahazatra fa toa nitsilotsilo zavatra tao aoriana tao ary avy teo dia nitsilotsilo zavatra taty aloha indray.
Taorian’izay, vao iny nanatona moramora ilay mpitandro ny filaminana sady niteny :
“Ilay fiaranao tsy misy jiro dia tsy hitanay avy lavitra na manara-penitra na tsia ny plaky ka izay no nanajanonanay anao. Ianao koa nandeha mafy loatra. Fa rehefa notsilovina dia hita fa ara-dalàna ka dia mahazo mandeha ianao. Miala tsiny tamin’ny fanelingelenana dia mirary soa.”.

Tapitra.

toy izao ny fizarana voalohany : Polisy misava taratasin’ny fiara