Monday, March 8, 2010

Raha toa moa ka … protestanta kamo

Eritreritra vitsivitsy sendra nandalo momba ny fivavahana kristianina.

Ho an’izay tsy mahalala na tsy mahatadidy moa dia mpino protestanta FJKM ny tenanay. Anisan’ny zavatra tsapako momba ny fivavahana protestanta dia mora noana (ara-kibo) izahay mpivavaka. Porofon’izany, ao amin’ny fihirana protestanta, ny hira manamarika ny firavana no isan’ny fohy indrindra. Ny laharan-kira 328 hatramin’ny 349 no ao anatin’ny tariky ny hira firavana, ary raha manokatra ny fihirana protestanta ianao tandrifin’ireo hira ireo dia hahita fa ny pejy tsirairay amin’ny fihirana dia misy hira betsaka indrindra, izany no maneho fa fohy ireo hira ireo. Ny hira fohy indrindra ao amin’ny fihirana dia ny hira 347 (andalana 4 fotsiny ary andininy tokana ihany), ary ny 349 kosa indray no ahitana isan’andininy fohy indrindra satria dia andalana 2 isan’andininy. Izany hoe rehefa tena manenjika mafy Ramaria, dia azon’ny mpitarika ny fotoam-pivavahana atao ny hoe “Alohan’ny tso-drano dia hataontsika amin’ny feony Rap ny hira 349 andininy voalohany, ary aorian’ny tso-drano dia andininy faharoa no ataontsika amin’ny feony Rap ihany”.

349

1) Dera re, laza anie!
Ho an’Andriamanitra!

2) Aoka ny tany re,
Mba hiadana anie !

***
Asa na noho izay hanoanana izay, fa dia maro ireo izay efa noraisina ho mpandray no tsy mazoto manatrika ny fandraisana Fanasàn’ny Tompo fa avy dia mitsoaka mandeha mody. Mba torohevitra ho an’ny tompon’andraikitra ao @ fiangonana ao : andramo soloina singana Pringles ilay “mofo tsy misy masirasira manambara ny nofon’i Kristy” dia soloina “THB Pression” ilay divay (izay efa sirop izy izao) sao mba ho maromaro kokoa ny ho tamàna.

***
Efa notantaraiko tany aloha tany fa indraindray aho manana olana kely amin’ny tsy fahitan-torimaso. Fa indraindray any am-piangonana dia misy ilay mpilaza raharaham-piangonana ireny dia tena manan-talenta amin’ny fampatoriana ny mpiangona mihitsy. Hozy aho tamin’i Aziew indray andro, nandritra ny raharaham-piangonana : Ndeha hokaramaiko leisy ity razoky mpilaza raharaha ity mba hilaza raharaham-piangonana any an-trano rehefa ilay tsy mahita tory iny aho fa tsy ampy 3 minitra ilehio no milaza raharaha dia ho tonga any @ lanitra fahafito ny torimasoko raha amin’ny alina iny no mandre azy. Na bizna tokony ataon’ny fiangonana itadiavam-bola ny famarotana kapila mangirana mirakitra raharaham-piangonana dia alefa amin’ny alina izany ho an’izay sarotsarotra mitady torimaso. Tonga dia trétimà tsy misy effets secondaires, ary azo antoka nefa ny fahombiazany.

***
Hamaranana ny resaka ary dia ity tantara kely tantarain’ny mpitandrina ao anaty toriteny ity : Tao amin’ity tanàna kely nitandremany taloha hono nisy ireo zatovolahy sy zokinjokiny miara-misotrosotro toaka isan’alahady itony, ary lalovan’ingahy mpitandrina foana. Dia tsy reraka mitaona azy ireo hono ingahy mpitandrina hoe “Andao ho any am-piangonana” saingy tsy menatra koa izy ireo mamaly hoe “Eto aloha izao pasitera no mahatsara anay”.
Indray andro nefa hono nodimandry ny iray tamin’ireto mpisotro, ary ny andinin-tSoratra Masina nosafidian’ny fianakaviana indrindra dia ilay hoe “Fa ny eo akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy”.