Friday, March 22, 2013

Poeta afa-tsakana

Poeta afa-tsakana

Ry poeta manan-tsata
Aza kivy, manorata
Mazotoa mitatatata.

Eo sokafy irony vata,
mitahiry kalo, tsanta,
dia ny masaka sy manta;

Dia tonony am-peo mihanta
Na malaza na tsy fanta-
try ny mpihaino, mpankafy.

Asio hira, ovay ho dihy
Handrovitantsika tsihy
Fa tena maro anie no tia.

Ry poeta efa ngeza
MamorOna, mahereza
Mba ny kalonao hateza.

Mipetraha, mahazoa seza
ka ny rima apololory
Ny tena eja no atolory.

Aza avela hisy hatory
Izahay rehetra vory
Handre anao tsy lany bala

Fa ny sakana efa niala
Eny, tsisy mpankahala
Ny rehetra no mandala.

DotMG, 22 mars 2013

Wednesday, March 20, 2013

May all

Nisy hono Pasitera iray izay, may endim-boanjo tany amin’izay naha-maimay azy tany, ie, maimay ohatry ny boka hanambady kanefa ny rantsana hasiana peratra aza tsy misy. Dia nirimorimo hono ity ranamana, kanjo nisy mpanakantsakana. Nisy ny vava mahamay teo amin’ny andaniny izay toa nanivaiva ny fahefana sy ho fahefan’ity Pasitera, ka vao nahare izay iretsy mpomba azy dia toy ny main’ny sakay, niaka-pofona ary nanao fihetsika tsy fanao eny amin’ilay toerana. Tsy nahafaly ny mpitazana anefa io fihetsika io, ka ny vokany dia may fiara ingahy Pasitera, tsy ilay fiara nitondra azy akory fa izay fiara nisy ny anaram-piangonany sendra nandalo. Teo vao may volon-tratra ny anao lahy ka nandeha nifona tamin’ny vahoaka. Tandremo pasitera sao sola maniry volom-bava ka izay vao tena ho “May all“, izany hoe “may retraretra” toy ny mpanao politika maro teto amin’ny tanàna.

Tuesday, March 19, 2013

An’lah ngah?

- Inona kay ry Dada ny marque an’ny tômôbilantsika?
- Fa mianatra an’izany ngah nareo any am-pianarana?
- An an an, miresaka fotsiny izahay rehefa recréation dia ny an’i Hery 205, dia ny an’i Cynthia hono Clio dia nefa lazain’i Hery fa hoe Renaolina
- Ka samy marina zany fa Renault Clio ny an-dry zareo iny. Ny soratra ao aorian’ny fiara ange no ahitana an’izany marque izany e?
- Dia ny antsika ry Dada inona izany ?
- Rehefa manontany ny ankizy dia valio hoe “An’lah ngah” ny marque an’ny tômôbila-nay hoe. Fa izay zao no soratra ho apetrako ao aorian’ny fiarantsika fa tsy manam-bola hanamboarana an’ireo simba ireo intsony aho.