Monday, March 4, 2013

Te hividy piraty

Tsy dia mba tia loatra ny manjifa vokatra pirate ireny aho hatramin’izay, indrindra raha mpanakanto Malagasy ka hita eto an-toerana ihany ilay vokatra original azo vidiana. Mazava loatra ny antony fa mba maniry an’ireo mpanakanto Malagasy hahatafavoaka zavatra tsara sy mendrika, ary ny fiezahana ny mividy ny vokatr’izy ireny izay orizinaly no fanohanana azoko atao voalohany ho azy, izaho rahateo tsy dia mba irony olona mpamonjy spectacle na sinema anaty efitrano irony.

Ny sarimihetsika novokarin’ny orinasa Scoop Digital dia azo lazaina ho “mahazo kill” ihany ao an-trano, raha tsorina dia izaho irery no “tsy dia mpankafy loatra”, nefa satria tian’ny maro an’isa, dia miara-mankafy amin’ny ankohonana rehetra, ary mba miezaka ny mampifaly ny ankizy amin’ny fividianana ny kapila orizinaly isak’izay mivoaka izy ireny.

Mampalahelo anefa, fa matetika ilay kapila orizinaly vidiana dia tena ratsy kalitao, toy ny niniana nokikisana ka matetika tsy voajery hatramin’ny farany akory. Manginy fotsiny ny fahasorenana eo am-pijerena azy noho izy tapatapaka ka tsy mba mitohy ny feeling. Dia mahatsapa tena ho matiantoka ianao nividy an’ilay orizinaly. Ary dia tapa-kevitra aho fa dia tsy hanjifa orizinaly amin’ireny kapila ireny intsony aloha, fa raha tena malaza be sy be doka ilay horonantsary, na dia mizizo be ny ankizy hoe ny namany efa nijery na hoe mba te hijery mihitsy hono, dia mety hanjifa piraty aloha mandra-paha, ireny piraty ireny azo antoka fa tsara kalitao.

Mitaky fifanajana eo amin’ny mpamokatra sy ny mpanjifa ny asa zava-kanto, ary raha lazaina foana ombieny ombieny fa tsy hita taratra eo amin’ny mpanjifa izay fanajana ny mpamorona izay, dia mba anjaranay mpanjifa nanaja ny mpamorona kosa ankehitriny no mitaky fanajana avy amin’ny mpamokatra ka mba hanoloran’izy ireo vokatra tsara kalitao sy mba mifanaraka amin’ny vidina namerany an’ilay vokatra.