Sunday, March 18, 2012

Raha toa moa ka … resa-ketotra

Fanokafam-bavony : Indray andro niara-nisakafo tamina namana izay aho. Dia voahitsako ny kirarony dia nanao azafady aho, dia nitsiky fotsiny izy. Kelikely mbola voahitsako indray, dia nanao azafady fanindroany. Mbola nihetsika ihany ny tongotro, fa hay hatramin’ny voalohany tsy ny kirarony no voahitsaka fa hazo tamin’ilay tongo-databatra. Teo aho vao nihomehy hoe fa noheveriny ho inona izany ny anton’ilay azafady teo.

Attention! Ca va péter
Manasa anao hazoto hamaky sy hahita fy

Ventin-kanina: Ny etotra dia rivotra mivoaka avy amin’ny lava-pitombenan’ny olona iray, amin’ny ankapobeny ratsy fofona, mety misy fanenony na tsia. Fa ny “évidence” izay odiantsika izay efa nandre fofon-ketotra tsy eritreretina dia ity : isaky ny mahare fofon’etotr’olona ianao, dia midika izay fa nisy rivotra ratsy avy ao an-kibon’ny olona iray, nandalo ny fantsona fivoahan’ny malotony, niely teo amin’ny rivotra, niditra tamin’ny alàlan’ny oronao (sy ny vavanao koa angamba, fa ny orona aloha no azo antoka), nandalo ny taova fanimboloana ary tafiditra any anatinao. Tsarovy izay isaky ny mandefa rivotra ianao na isaky ny mandre fofon-ketotra.

Dia lasa ny saiko, inay any aho mba Mpanao Gazety, ilay afaka miray efitra amin’ny mpitondra fanjakana ambony ireny. Fa mba alaivo sary an-tsaina anie hoe tontosa ihany ilay fihaonan’ny Lehiben’Ankolafy efatra eto Antananarivo, ary izaho anisan’ny anankiray amin’ireo izay manana fahafahana manatrika izany. Ny alin’ny fihaonana dia efa miletra tsaramaso sy laisoa sy izay sakafo tsy zakan’ny motera aho ary manao fanazaran-tena amin’ny fandefasana etotra masiso nefa tsy misy feony. Ary rehefa ao amin’ilay efatra, dia tena hataoko amim-pisitrahana mihitsy. Tsara lavitra noho ny mitoraka kiraro io, tsy misy mahita na mahalala hoe iza no nandefa, ary tsy afaka miala ny olona atao lasibatra fa tsy maintsy voa. Raha tsy hoe angaha raikitra ny fisavana ka hisy olona asaina mioroka ny fitombenan’ny mpanatrika rehetra hahalalana hoe iza ilay fositra?

Teny atsipy ho anareo izay afaka manao interview amin’ireny mpanao politika ireny, ny solombavambahoaka dia tsy nitondra ny feon’ny vahoaka tamin’ny mpanao politika na mety ho nitondra fa tsy sofin’ny mpanao politika tsy nety nahare ny fitarainan’ny vahoaka mijaly, koa mba meteza re ho solom-pitombenam-bahoaka, hampita ny fahaleon’ny vahoaka amin’ny mpanao politika amin’ny fomba hafa, angamba ny oron’ireo mpanao politika ireo mora andairan-kafatra kokoa noho ny sofina …

Tsindrin-tsakafo: Tsarovy fa isaky ny avy nandre fofon-ketotra ianao ka tsy nangetotra taorian’izay, dia izay iray alehany na nokoboninao tao anatinao ilay rivotra ratsy, na navoakanao tamin’ny taova roa eo amin’ny tarehy ahafahana mamoaka rivotra.

Vakio koa: Olona toy inona moa ianao (resak’etotra iray hafa koa)
Tadidinao ve ny nahatonga ny teny hoe gidany