Wednesday, February 24, 2010

What if … @tohappen

Rehefa vaovao hono ny taona dia manao an’izany hoe résolutions ny olona? Ho an’ny langage geek dia izany angaha no atao hoe @todo? Misy koa anefa ny firariantsoa ifanaovana. Izany angaha no atao hoe wishlist?

Ilay @todo fotsiny aloha tsy tiako hatao satria mana-oainina rehefa @ faran’ny taona hoe tsy nisy vita akory ny antsasak’ilay izy. Raha wishlist ranoray fotsiny indray dia toa hijanona ho revin-gadra be, na koa resaka manidina sy safobemantsina fotsiny (toy ny hoe hitondra soa sy fanambinana anie ity taona vaovao ity).

Ny sosokevitro izany dia karazana fitambaran’ireo @todo sy wishlists ireo. Misy ny azo hotanterahina tsara, misy ny tsy miankina velively amin’ny tenako, misy ny revin-gadra, misy ny tena azo atao na izao dia izao aza. Anisan’ny mampiavaka ity lisitro ity koa dia tsy izay tena heverina ho mavesa-danja indrindra amin’ny fiainana sy faniriana no hotantaraina fa misy ny mety hoeritreretinao hoe resa-jaza be.

Ity ary ilay lisitra e, tsy ferana ho amin’ity taona 2010 ity koa ny hahatanterahany, kanefa hojerena ihany amin’ny faran’ny taona hoe iza avy no tanteraka.

Mihidy maizina be ao anaty efitra iray ao an-trano, mipetraka eo ambony seza misy apaonsa tsara dia mianoka mihaino ireto hira ireto : Hotel California (Eagles), Tajabone (Ismael Lo), Sultan of Swing (Dire Straits), Why worry (Dire Straits).

S’offrir ou offrir un cadeau électronique.

Voir en direct l’équipe nationale senior de football de Madagascar à la télévision remporter un match en phase finale d’une compétition continentale ou mondiale.

Discuter (IRL please) avec simplex autour de quelques verres de THB et parler de la supériorité masculine, d’homosexualité féminine, de christiannisme et des fozaorana.

Manao am-paritra (mihinana tsy mizara) boatina Pringles 2 GM.

Mikarakara ny mpanofa trano rehetra, na ny ambany rihana na ny ambony rihana. (Mila amin’ity 2010 ity io tanjona iray io fa raha tsy vita amin’ity ho ampijalian’ny areti-nify amin’ny herintaona).

Mametraka anaty DVD ireo sarimihetsika nalaina izay mameno ny disque dur hatramin’izao.