Friday, February 27, 2009

Raha toa moa ka … efatra faingo dimy sosona

Mandalo krizy ny firenena ankehitriny. Ao moa ny milaza hoe adin’olon-droa izy io ka tsy tokony hiitatra any amin’ny vahoaka, saingy ity aroso ity kosa ny fomba fahitako ny krizy ankehitriny.

Amiko dia krizy 4,5 (efatra faingo dimy) sosona no mihatra amin’ny firenena ankehitriny.

1) Krizy sosialy : Mihamahantra ny mponina, mihalafo ny vidim-piainana. Ho an’izay mahita fa misy ny fandrosoana eo amin’ny lafiny ara-tsosialy dia sambatra izy. Misy ny fotodrafitrasa vita ary betsaka saingy ny harapaky ny vahoaka mihitsy no tsy ampy. Efa nolazaiko ihany tamin’ny fiandohan’ny taona 2008 hoe na dia ny fisondrotry ny vidin’entan’ny TIKO aza dia avo efatra heny amin’ny fisondrotry ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Apetrako ho ny governemanta sy ny Filoham-pirenena no tsy nahmby nahatonga izay fitontonganan’ny fari-piainan’ny maro an’isa izay.

2) Krizy pôlitika : Mbola sambatra izay mahita fa nisy fahalalahan’ny mpanao pôlitika mpanohitra teto Madagasikara hatramin’ny taona 2003. Mijery fampahalalàm-baovao ao amin’ny haino aman-jerim-bahoaka fotsiny ianao dia hahita fa tsy misy mpanohitra eto Madagasikara, ary dia manga ny lanitra, maitso mvana ny tany fa tsara sy maha-te hidera avokoa izay vitan-dRavalomanana. Mbola mitombina ilay tenin’i Me Jacques Sylla tamin’ny mpanohitra hoe “Tsy crédibles ianareo”. Hatramin’izao tokoa dia tsy mbola mahita izay olona mety ho azo antoka hasolo an-dRavalomanana Ramalagasy. Krizy pôlitika izany. Samy tompon’andraikitra amin’ny niavian’io krizy io avokoa ny ny mpanohitra (izay tokony ho efa naka retraite hatry ny ela mba hanome toerana ny tanora), na Ravalomanana sy ny mpomba azy (izay tsy nanao kely tsy mba mamindro fa dia nanenjika izay rehetra tsy manao oui-oui), ary indrindra indrindra ny vahoaka Malagasy mpifidy (izay tsy tamin-kenatra na fisalasalàna manome seza 100% ho an’ny TIM ao amin’ny Sénat ary koa isan-jato manakaiky ny 100% ao amin’ny Assemblée.)

3) Krizy ara-miaramila : Miara-miredona ireo jeneraly misotro ronono mitaona ireo manam-boninahitra am-perinasa mba tsy hijery afa-tsy ny tombontsoam-bahoaka. Izao vao tena mahatsapa ny rehetra fa mitady hisy fisaraham-bazana ao ami’ny tafika. Sarotra afenina toa vay an-kandrina izany. Ny tompon’andraikitra amin’izany dia ny Filoha faratampon’ny foloalindahy izay tsy nahay nitantana an’io tafika io. Inoako fa raha hatry ny fiandohan’ny tolona no tena niray hina ny tafika ka nandray andraikitra, ka nomba ny fitondram-panjakana tamin’ny fanaparitahana ny mpitolona dieny mbola tsy nisy fatiolona, tsy ho mbola nipoaka toy izao ho tsapan’ny vahoaka ireo krizy ireo.

4) Krizy kristianina : Sambany angamba teto amin’ny tantaran’ny Firenena Malagasy no nisy krizy teo amin’ny tontolon’ny fivavahana kristianina, ka ny pôlitika no fototry ny olana. Raha misy ny tsi-fitandremana, ahiana mafy ny hifanandrinan’ny samy mpino kristianina. Ny fototry ny olana dia Andriamatoa Filoha Lefitry ny FJKM izay sady mitàna andraikitra ambony eto amin’ny firenena ihany koa. Vao nanakatona ny fiangonana FPVM izy dia ny fiangonana FJKM no voasoketa ho manao amboletra mandrava izay rahalahiny. Tsy vitan’izay fa tafiditry ny resaka pôlitika loatra ny fiangonana ka dia “Tsy crédible” intsony ihany koa ny FFKM. Ary na minia hampifanatrika aza ny FFKM, voatery nanipy gant i Mgr Odon Razanakolona rehefa tsapany fa tsy amin’ny toerana maha-raiamandreny azy no ipetrahany eo amin’ny latabatra fampihaonana.

5) Krizy ekonomika : Mety tsy tena mbola tonga eto angamba ity krizy ekonomika ity. Efa saika tsy hamangy an’i Madagasikara mihitsy aza, saingy noho i Andry Rajoelina nitondra vahoaka hitolona dia tsy misy fanafodiny hialàna amin’izany intsony izao fa dia miandry izay higadonany sisa isika.

Ka misy ve ny vahaolana?

Ny ara-tsosialy sy ara-toekarena aloha dia tsy hisy vahaolana miracle ho hitan’ny sain’olombelona. Fa ho an’izay matoky an’Andriamanitra, rehefa mivaha ny krizy ara-pivavahana dia hain’Andriamanitra ny mamaha ny krizy hafa rehetra. Ny ara-politika dia tsy misy afa-tsy ny fidirana amin’ny repoblika fahefatra. Asa ny krizy ara-miaramila raha hivaha raha toa ka hajoro ny directoire militaire… Ny amin’ny krizy ara-mivavahana dia miankina amin’ny masontsika protestanta io raha hahita hoe misy io krizy ara-pivavahana io na tsy misy. Ary raha misy, inona no marary raha vahana ilay izy?

Friday, February 20, 2009

Raha toa moa ka … fanomezam-pahasoavana

Tena tsy tompon’ity hevitra ity aho fa mamerina mitatitra fotsiny, tao amin’ny La Gazette angamba no nisehoan’izy ity, efa elaela ihany. Tahatahaka izao ilay tantara.

Ny olom-pirenena tsirairay amin’ny firenena tsirairay hono dia nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana manokana. Ny anglisy ohatra dia nomeny ny fahalalam-pomba, ny japoney nomeny ny fahaiza-manaja, ny amerikanina nomeny ny fahalalahana.

Ho an’ny Malagasy kosa hono dia fanomezam-pahasoavana 3 no nomena isafidianan’ny Malagasy, kanefa ny 2 amin’ireo ihany no azon’ny olona tsirairay alaina fa tsy misy olona Malagasy iray mahazo manana azy telo mitambatra. Dia ireto avy ireo fanomezam-pahasoavana ireo :

1) Honnêteté

2) Intelligence

3) Fanatisme pour Ravalomanana.

Raha ohatra izany ka misy Malagasy iray manana ny fanomezam-pahasoavana 1 sy 3 dia mazava ho azy fa tsy ananany ilay 2 … sy ny toy izay.

Raha mahita olona ianao honnête ary intelligent, tsy fanatique Ravalomanana izy izay.

Misy koa ny Malagasy tsy manana afa-tsy iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo, misy ohatra ny manana ilay 3 fotsiny ihany. Misy ihany koa ny tsy manana mihitsy amin’izy telo. Dia mba diniho ny tenanao ary hoe ilay iza amin’izy telo no anananao…

Tuesday, February 17, 2009

Raha toa moa ka … mampirafy

Madama (an’eritreritra): efa ho dimy taona izay no nivadiananay roa fa tena tamin’ity herinandro ity vao tena nisy an’izany hoe tsy miteny tsy mivolana amiko ny vadiko. Tsy hitako anefa izay tsy mety nataoko tokony hahatezitra azy eo, na ny kely aza. Bandy mambana anona io ve nama, efa nokitihiko amin’ny fanaovana azy alina nefa vao mainka nanome lamosina. Tena tsy mandiso ahy ny eritreritro fa tsy maintsy misy vehivavy ao ambadik’izao. Tsy maintsy harahi-maso io fa tena efa misy rafivaviko any. Aiza ve ka omaly alatsinainy aho niantso azy tao am-piasana in-3, lazain’ny mpiara-miasa fa nivoaka kely e, nivory e, lasa nirahina tany amin’ny ministera e, … amin’ity andro mikorontandrontana ity. Sady izay ny fiahanahan’ireo mpiara-miasa namaly tamin’ny telefaonina tena efa midika tsotr’izao fa manafina zavatra ry zareo.

Ramose (an’eritreritra): Leaza, vao etsy La Réunion sy Maurice ve nama dia tsy tafita. Ny AS Adema mba hoe resy 1 no 0 fa ny Académie Ny Antsika aza 6 no 0 be izao… Tena ity toe-draharaha politika ity no fototr’izao tsy fahombiazan’ny baolina kitra izao fa dia tena malahelo aho. Izaho koa rangahy tena tapa-kevitra fa tsy hiverina eo amin’ny 13 mai intsony manomboka androany a! Omaly aza hono nisy mpanao enquête niantso ahy in-3 tamin’izaho nandeha nitolona iny, tsy tao foana aho. Tena mino aho fa iray amin’ireo mpiara-miasa ihany no mitoroka amin’ny lehibe any hoe mandeha eny amin’ny 13 mai aho matoa dia izaho mihitsy no notadiavin’ilay olona tao amin’ny telefaonina.