Tuesday, February 17, 2009

Raha toa moa ka … mampirafy

Madama (an’eritreritra): efa ho dimy taona izay no nivadiananay roa fa tena tamin’ity herinandro ity vao tena nisy an’izany hoe tsy miteny tsy mivolana amiko ny vadiko. Tsy hitako anefa izay tsy mety nataoko tokony hahatezitra azy eo, na ny kely aza. Bandy mambana anona io ve nama, efa nokitihiko amin’ny fanaovana azy alina nefa vao mainka nanome lamosina. Tena tsy mandiso ahy ny eritreritro fa tsy maintsy misy vehivavy ao ambadik’izao. Tsy maintsy harahi-maso io fa tena efa misy rafivaviko any. Aiza ve ka omaly alatsinainy aho niantso azy tao am-piasana in-3, lazain’ny mpiara-miasa fa nivoaka kely e, nivory e, lasa nirahina tany amin’ny ministera e, … amin’ity andro mikorontandrontana ity. Sady izay ny fiahanahan’ireo mpiara-miasa namaly tamin’ny telefaonina tena efa midika tsotr’izao fa manafina zavatra ry zareo.

Ramose (an’eritreritra): Leaza, vao etsy La Réunion sy Maurice ve nama dia tsy tafita. Ny AS Adema mba hoe resy 1 no 0 fa ny Académie Ny Antsika aza 6 no 0 be izao… Tena ity toe-draharaha politika ity no fototr’izao tsy fahombiazan’ny baolina kitra izao fa dia tena malahelo aho. Izaho koa rangahy tena tapa-kevitra fa tsy hiverina eo amin’ny 13 mai intsony manomboka androany a! Omaly aza hono nisy mpanao enquête niantso ahy in-3 tamin’izaho nandeha nitolona iny, tsy tao foana aho. Tena mino aho fa iray amin’ireo mpiara-miasa ihany no mitoroka amin’ny lehibe any hoe mandeha eny amin’ny 13 mai aho matoa dia izaho mihitsy no notadiavin’ilay olona tao amin’ny telefaonina.

  1. ikalamako

    Tuesday, February 17, 2009 - 14:04:27

    tsy ataoko hoe nofy ririnina fa eriteritra ririnina - mdr

  2. ndrema

    Thursday, February 19, 2009 - 11:19:24

    mpitolona tsy mety mitolona lery na dia any Befandriana aza…

  3. DotMG

    Thursday, February 19, 2009 - 11:25:39

    @ndrema : izaho mba mieritreritra ny hanao mampihomehy indray no tena maty vanitika. Milay e!

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment