Monday, January 5, 2015

Tratry ny taona

Maro ireo fanafihana mahazo ny teny malagasy ezahin’ny sarangan’olona maro samihafa mba hanimbana azy. Dia mahagaga fa samy manana ny fomba entiny hanimbana an’io teny malagasy io ny olona, ary dia vahoaka Malagasy ihany ireo mampiasa fomba maro samihafa hanimbana ny teny malagasy ireo. Misy anankiefatra aloha no hasehoko anao androany dia anjaranao ny mieritreritra hoe iza amin’ireo no mety nahasolafaka anao niray tsikombakomba tsy am-piheverana tamin’ireo mpanimba ny teny malagasy.

1) Badalelan’Anjanonahoatsa. Kilema anankiray an’ny olona badalela ny manova ny r ho l, ny tr ho ts, ny dr ho j, sns. Ny an-dry zareo eny amin’ilay lazaina matetika ho tanàna iva kosa, iniana hampifamadihina tsotr’izao ireo mifamadika noho ny kileman’ny badalela. Ny tsy fahaizana manonona TR no mahatonga ny badalela hampiasa ny TS ho solony, fa ny an’ireto mpanimba teny voalohany ireto kosa, ny TR ovaina ho TS fa ny TS kosa ovaina ho TR. Asa raha misy trinjona mahasitsana an’io aretina iray io.

2) Ny somaison’ny mpi-FB. Ny sarangan-tanora tsy afa-tsakana no matetika manao izay ho afany hanimba ny teny sy soratra malagasy amin’ity karazam-panafihana iray ity. Fa ankehitriny toa tena mampitsangam-bolo ny mahita ny efa heverina ho matotra kokoa aza kanefa miara-misalahy amin’ireto tanora ireto amin’io fanimbana ny teny malagasy io, asa, tsy maharaka teknolojia sy fandrosoana (mankany aoriana) ve raha tsy mampiasa ireny fanoratra hafahafa ireny? Raha nitantana vondrona anankiray tao amin’i Facebook aho, ary nametraka fitsipika mandrara ny fampiasàna ireny fomba fanoratra manimba tsipelina ireny, dia gaga raha mijery ny “profil” an’ireo izay fatra-pandala azy io fa mitonona ho mpianatry ny anjerimanontolo ny ankamaroany. Pianatr ver6T marn v iz ren?

3) Les vary amin’akotry des pré-CEPE. Ity no isan’ny tranainy indrindra amin’ny famotehana ny teny malagasy. Voazanaka toe-tsaina itony sa safiotra, fa dia maro dia maro ny voambolana tsy hay raha tsy ampiasàna ny fiteny vahiny. Ito kosa aloha dia angamba vitsy dia vitsy no afaka milaza fa mahafehy tsara ny hoe tsy hampiasa afa-tsy ny fiteny malagasy, na hoe mahavita mampiasa farango sosona hatrany raha hanoratra teny baiko kely izay sarotra adika. Fa ny mahakivy dia ilay toe-tsaina mahazo irony zaza any an-dakilasy mifaninana mikaroka voambolana vahiny hatsofoka any anaty fehezanteny na dia mbola fantany tsara izao aza ilay voambolana malagasy mahalaza ny tiana hambara. Enfin, tsy à la page raha tsy mi-employer vocabulaire vahiny rehefa miresaka e!

4) Ireo mpamorona Didy Vaovao. Misy indray ireo mitonona ho mpandinika ny riba gasy ka manitsy ny fomba fiteny tsy mety ary manoro ny tokony ho izy. Ito no tena mampivarahontsana indrindra satria indraindray dia tena olona ao anatin’ny tontolon’ny kolontsaina malagasy no mamoaka itony karazan-kevitra sy fitsipika vaovao izay manasavoritaka ny sain’ireo marivo salosana, kanefa dia hevitra taingina ny sasany, ary azo iadian-kevitra ny ankamaroany. Sombiny amin’ireny fampianarana sadasada ireny ny hoe “Tsy fiteny ny fozalahy atakalo fozavavy fa fon-jazalahy atakalo fon-jazavavy hono no izy”, “Tsy mety ny manao hoe manahoana rehefa mifankahita fa arahaba no tokony ho izy”, “Tsy mety ny andikana ny ordinateur hoe solosaina fa ny olona tsy misy saina no mila solon-tsaina”, “Tsy fiteny ny hoe arahaba tratry ny taona fa arahabaina nahatratra ny taona no mety”. O lehiretsy a! Ny foza anie ka nanana hasina lehibe teo amin’ny Ntaolo e, tsy hainareo izany ohabolana hoe fitia fozakely sy ny oha-pitenenana hoe tsy itsakoam-poza maimbo? Ny fandikana teny ange tehiretsy ysy atao “mot-à-mot” fa ny hevitra no adika e. Ary raha mampiasa solosaina aho hanaovako kajy, tsy zoko tanteraka ve ny manandevo fitaovana iray hanao asa mety hamizana ahy? Ary ny olona ve no maika ho tonga amin’ny taona vaovao sy te hampiodina ny oram-pamantaranandro sa ny fotoana no mihodina tsy ankijanona ka manenjika sy manatratra antsika tsirairay avy? Tonga ny maraina ve no fiteny sa hoe Tonga teo amin’ny maraina ny olona?

Mety misy endrika hafa fanimbana ny teny malagasy miseho koa any, fa dia anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra raha mendrika ny fanapotehana azy io tenintsika io, inona no tokony hatao hiarovana azy, sa tokony hovonoina mihitsy dia amin’izay mba ny an’ny hafa no hampiasaintsika tsirairay?