Monday, July 2, 2012

Raha toa moa ka … bandy

Androany roa jolay, dia nila nijery tamin’ny internet mihitsy aho hoe iza no nandrombaka ny Euro vao nahalala fa i Espagne indray no tompondaka. Tsy nijery lalao iray hatramin’ny farany aho, na dia lalao iray monja aza, na dia nandeha tamin’ny fahitalavitra TVM aza ireo lalao rehetra hono.

Ilay Euro mihitsy no tsy tiako e, ny fanatanjahan-tena avo lenta amin’izao fotoana iainana izao toa tsy fanatanjahan-tena intsony fa miofo ho fambotriana ny firenena mahantra. Ohatrinona sy ohatrinona ny karama azon’ireny mpilalao ireny, kanefa dia ampahany amin’ny vola miodina ao dia avy aty am-paosin’ny firenena mahantra. Satria dia mila andoavana sarany lafobe ny zo ahafahana mandefa ny sary amin’ny fahitalavitra vao azo atao. Tsy lay anona, ataovy ao ny kilalaon’lisany vazaha manan-talenta fa raha izaho, aleoko manohana ara-bola an’ireny kitra fokontany ireny, mba hanasoavako ny fireneko. Rehefa tsy vitan’ny hoe terena mijery pub izahay dia mahazo maimaimpoana ny sary sy feo dia aleo boycottenay le lalao e.

Fa izany eo ihany fa, rehefa nandini-tena aho hoe dia tena tsy marary an-doha mihitsy tsy nijery na dia lalao iray aza, sy ny hoe tapitra iny izao ny Euro fa hanaraka feuilleton “Ditra manadala” indray aho, miampy an’ilay hoe ary izaho lasa mi-santimaka sady mahavita mijery Desperate Housewives irery, miampy ity toetram-behivavy misalasala ity, dia tena lasa saina ihany aho hoe mbola ao tsara ve ny fanomezam-pahasoavana sa efa nisy fahasimbana? Nojereko tsara tamin’ny nandro tamin’ny maraina hoe mbola io ilay marika manambara fa bandy aho, ary mbola salama tsara i nedala, soa ihany… Na izany aza, aleo mihitsy aloha minia mitsangana rehefa mamany na dia ao amin’ny WC aty an-trano aza, fa aoka izay ilay adin’ny hakamoana hoe sady hamany ihany no hangery dia aleo tonga dia mipetraka eto dia samy alefa ato le izy.

sary nalaina tao amin'ny blaogin'iza aza ity ô?