Monday, June 21, 2010

Raha toa moa ka … tsy mba hahita Barea manao mondial mandra-pahafaty

Resaka baolina.
Rehefa hoe afrikanina hono dia manjary te-hanohana ny ekipa afrikanina. Ny ahy tsy dia noho ny hoe afrikanina loatra no antony aniriako ny handresen’ny ekipa afrikanina, fa mba hitsinjovana ny ho avy.

Ity resaka fiadiana ny amboara eran-tany ity mantsy, misy raikipohy henjana ny fikajiana hoe firenena firy no tokony hisolo tena ny kaontinanta iray, ka arakaraky ny vokatra azon’ny kaontinanta eo amin’ny sehatry ny amboara eran-tany no hanomezana isa io kaontinanta io, dia mivoaka arakarak’izay ny hoe tokony ho firenena firy no avy ao amin’io kaontinanta io no handray anjara amin’ny amboara manaraka.

Taloha isika afrikanina dia efatra ihany no tafakatra any amin’ny dingana faran’ny amboara eran-tany. Dia tamin’ny andron’i Roger Milla dia hoe nampiana iray mba ho dimy fa efa misy fivoarana ny fahaizan’i Afrika milalao baolina. Tamin’ity 2010 ity dia enina mihitsy no isan’ny firenena satria moa i Afrika Atsimo efa mpampiantrano rahateo.

Rehefa jerena anefa ny voka-dalao hatreto, dia, andraso anie hojerena e :

Isan’ny lalao nataon’ny Afrikanina (tsy isaina i Lafrantsa sy Italia fa ny tena afrikanina) : 12
Isan’ny baolina tafiditry ny afrikanina : 6 (antsasaka baolina isaky ny lalao), ary ny an’ny Ganéanina amin’ireo, miisa 2 dia tamin’ny alàlan’ny penalty hatrany.
Tontalin’ny isa azo : 7, fandresena tokana, ady sahala efatra, faharesena zato sy arivo. Ny Ganéanina amin’io tsy hay na manao tsolotra avo lenta na manao ody gasy (ody gané mantsy e) fa dia mandresy amin’ny tsy rariny.

Rehefa ireo izany no hatambatra dia karazandrazan’ny hihena ho efatra indray ny ekipa afrikanina hanao mondial amin’ny 2014 (raha mbola tsy tonga ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao). Isika anefa dimampolo mahery, vao mainka tsy azon’ny saina hoeritreretina hoe hahita Barea manao mondial aho alohan’ny hahafatesako.

Tsetsatsetsa farany : pronostic-ko aloha dia 18 ny isan’ny lalao hataon’ny afrikanina amin’ity mondial ity. Tsy haiko tamin’ny 2006 na 17 na 18 no isan’ny lalao nanaovan’ny afrikanina.

Wednesday, June 16, 2010

Raha toa moa ka … Tia Tanindrazana.

Samy tia tanindrazana daholo na izay manangan-tsaina na izay tsy manangan-tsaina, ankoatra ahy.

Ireo izay manangan-tsaina dia maneho ny maha-malagasy azy, hafa anivon’ny samy Firenena, tsy menatra ny mijoro, nahatafaverina ny fahaleovan-tenany dimam-polo taona lasa izay.

Ireo izay tsy manangana noho ny firehana politika dia maneho ny fitiavany an’i Madagasikara, satria mbola tsapany fa tsy mbola azo tanteraka ny fahaleovan-tena ary mbola ao anatin’ny tolona ho famerenana ny fiandrianam-pirenena tena izy izy. Tsy mbola misy angamba ny Malagasy manangana saina fotsy izay midika hoe milavo lefona, fa ireo izay misafidy ny tsy hanangan-tsaina dia raha manangan-tsaina aza dia saina miloko maitso, midika fa mbola manantena fa ho avy tsy ho ela ny fandresen’ny tolony.

                          
                          
                          
                          
                          
                          

Izaho irery no tsy tia tanindrazana satria izao no fanazavana : Tsy manangan-tsaina aho ankehitriny. Tsy noho ny antony politika sy ara-poto-kevitra anefa fa dia noho ny tsy fisian’ny saina fotsiny tsotr’izao. Tsy manan-tsaina aho ary tsy mbola vita biodizé ny hoe hividy saina hatramin’izao. Izaho izany aloha ilay hoe : Ny lefona milavo, ny basy tsy mifahana, ny totohondry tsy mivonkina, ny flesy tsy mihenjana. Tsy miady tsy mitolona fa miandry tati-reraka eto fotsiny.

Thursday, June 10, 2010

Raha toa moa ka … hafaliana vetivety.

Allo chérie, miracle akia, miracle. Tena nisy magouille nataon’ny banky angamba fa eto amin’ny distributeur de billets aho izao mijery ny solde dia akory ny hatairako fa vola be tsy toko tsy forohana no ao @ kaontintsika. 1 million, 10 millions, 100 millions, 1 milliards, …

Non, diso kay aho fa numéro de compte iny novakiako iny fa ny solde ato aza mbola ilay 4.357 Ariary foana.