Wednesday, June 16, 2010

Raha toa moa ka … Tia Tanindrazana.

Samy tia tanindrazana daholo na izay manangan-tsaina na izay tsy manangan-tsaina, ankoatra ahy.

Ireo izay manangan-tsaina dia maneho ny maha-malagasy azy, hafa anivon’ny samy Firenena, tsy menatra ny mijoro, nahatafaverina ny fahaleovan-tenany dimam-polo taona lasa izay.

Ireo izay tsy manangana noho ny firehana politika dia maneho ny fitiavany an’i Madagasikara, satria mbola tsapany fa tsy mbola azo tanteraka ny fahaleovan-tena ary mbola ao anatin’ny tolona ho famerenana ny fiandrianam-pirenena tena izy izy. Tsy mbola misy angamba ny Malagasy manangana saina fotsy izay midika hoe milavo lefona, fa ireo izay misafidy ny tsy hanangan-tsaina dia raha manangan-tsaina aza dia saina miloko maitso, midika fa mbola manantena fa ho avy tsy ho ela ny fandresen’ny tolony.

                          
                          
                          
                          
                          
                          

Izaho irery no tsy tia tanindrazana satria izao no fanazavana : Tsy manangan-tsaina aho ankehitriny. Tsy noho ny antony politika sy ara-poto-kevitra anefa fa dia noho ny tsy fisian’ny saina fotsiny tsotr’izao. Tsy manan-tsaina aho ary tsy mbola vita biodizĂ© ny hoe hividy saina hatramin’izao. Izaho izany aloha ilay hoe : Ny lefona milavo, ny basy tsy mifahana, ny totohondry tsy mivonkina, ny flesy tsy mihenjana. Tsy miady tsy mitolona fa miandry tati-reraka eto fotsiny.