Monday, December 8, 2014

Arrangement

Mpinamana hatry ny tany an-tsekoly izaho sy i Jerry sy i Stephanie. Anarana indrana ireo fa tsy ireo no tena anarany, fa mba hahazoanao sary an-tsaina ny tantara dia, mitovitovy bôgôsité amin’i Jerry Marcos ilay namako lahy ary manjamanja sahala amin’i Stephanie kosa ilay namako vavy.
Tsy dia mifankahazo izahay sy Jerry, tsy dia azoazoko i nedala. Bandy belazao, tia sehoseho, tsy tena mahitsy fo, raha ny fijeriko. I Stephanie indray, sipa nahataratara ahy, izany hoe, toa taratara taminy daholo ihany ny bandy tao am-pianarana fa karazan’ilay sipa “iny ve ho zakan’ialahy” izy dia natao ho rehareha ny naha-namana azy.
Taty aoriana, kay lasa nivady izy roa, dia gaga ialahy. Kôzy kosa raha i Jerry no nahazaka an’iny sipa iny tsy tena mba mety ho poince raha namboariko fa sao izaho mihitsy no tena sanàna?

Fa tsy dia any loatra ny tena resaka hotantaraina.

Indray andro, tratrako niaraka tamina sipa hafa i Jerry, tena tratra ambodiomby tsy misy fialàna pà azony natao fa ilay avy nanoroka an’ilay sipa iny mihitsy no hitako hoe hay i Nedala.

Navelako ho dify ilay sipany dia nanontaniako :
- Fa angaha leisy nisarahan’i Stéphanie ialahy no miaraka amin’iny sipa iny indray?
Na dia mainty fihodirana aza i Jerry dia nivaramena sahala amin’i Stephanie ilay nosangisangiako taloha ireny.
- Kobon’ialahy lesy aho ry Dôty fa tena tsoriko ny marina. Ankizy môlamôla amiko iny dia ny tena leisy mba lehilahy ihany dia izay a! Tandremo kozikozian’ialahy any amin-drafotsy any fa matiko ialahy an?
Avy dia niseho tamin’ny endriko angamba ny fahatezerako naheno hoe mampirafy an’i Stephanie i nedala. Nanohy avy hatrany ny resany izy :
- Aleo leisy hasiana “arrangement” fa aza kozikoziana ilay resaka a!
- Arrangement inona e? hoy aho somary miavona.
- Tadidin’ialahy ilay vola 500.000 F nindramiko tamin’ialahy iny?
- Ie, tadidiko iny na dia efa roa taona aza. Nolazain’ialahy haverina afaka 2 volana izy tamin’izay fa nodian’ialahy fanina hatrany aho.
- Eny leisy Dôty a!
- Inona no idiran’izany amin’izany?
- Aleo atao arrangement e! Haveriko tena haveriko ny volan’ialahy amin’ny faran’ity volana ity leisy fa aza mikôzikôzy amin’i Stephanie a!