Friday, June 19, 2009

Raha toa moa ka … tahotahon-katsaka

Fony mbola tovolahy kely ny tena dia isan’ireo mafana fo amin’ny filalaovana tantara an-dampihazo tao am-piangonana isaky ny fetin’ny Krisimasy sy ny taom-baovao. Tsaroako anisan’ny tantara iray nolalaovinay fahiny ; nisy tanora kristianina iray nosakanan’ny rainy niteraka azy tsy hivavaka, ka hoy ilay rainy : “Na ialahy mijanona amin’io fivavabavahan’ialahy io, na ialahy tsy zanako intsony manomboka anio”. Dia hoy ny navalin’ilay tanora: Hatrizay nahakely ahy aho dia voatery niantso anao hoe Raiko, fa ankehitriny kosa aho dia malalaka hihiaka hoe “Rainay izay any an-danitra!”

Dadanay izay any ivelan’ny Nosy
Hankalazaina anie ny anaranao
Ho tonga anie ny fiverenanao
Hatao anie ny sitraponao
Eto Ankorondrano ka hatrany Parisy.
Omeo anay mpiasanao (zanakao) anio ny anjara karamanay sahaza ho anay
Ary mamelà ny tsy fahavitrihanay mitokona
Tahaka ny namelànay ireo mpiara-mitokona aminay tsy mavitrika.
Ary aza mitondra anay amin’ny lacrymo sy ny herim-pamoretana
Fa manafaha anay amin’i Charles
Fa anao ny Fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra
Mandra-piverin’ny ara-dalàna.

Amen.

Masiaka ve? Aaaa, mba maneho fotsiny aho misy lafy ratsiny ilay miantso ny mpitarika politika hoe “Dada”. Io fiantsoana hoe “Dada” io dia maneho fifandraisana am-po akaiky sy mifatotra tsara eo amin’ny mpanohana sy ny tohanana, izay ny hany maharatsy azy dia mirona any amin’ny atao hoe “extremisme du culte de la personnalité”, ka na inona na inona baikon’i “Dada” dia hotanterahina, ary tsy ny lohan’ny tsirairay no hisaina fa izay lohan’i “Dada” sy izay asainy atao no hatao.

Raha io solonanarana hoe “Dada” io no noheverina fa hampahomby ny tolona amin’ny fitondrana tateza-mita, dia io no tena hanapotika izay mba tapa-porohana sisa tsy may amin’izany tolona izany rehefa ho “faty” (anaty farango sosona) i “Dada”, satria dia hiara-maty amin’i “Dada” ao ny tolona ka afaka hanjaka tokana tsy misy aro-fanina amin’izay ny manam-pahefana sisa tavela eo. Dia hiverina indray ilay faribolana vetaveta-n’ny fiainana politika eto amin’ny Nosy.

PS: Raha nanitikitika anao hoe inona no idiran’ilay lohateny (tahotahon-katsaka) amin’ilay resaka, ny valiny dia : tsy misy tompoko.