Wednesday, May 27, 2009

Raha toa moa ka … manin-te woooooody (+video)

Any Gasikara no fonenako
Any aho no mody raha vao miala ety
Vetivety foana dia ho hitako
Ilay Iavoloha, tiako ery

Ô ry HAT, nahoana kosa ho’aho,
Izay nalavonao no tsy tafarina?
PM, PRM, AN sy Sénat
Naonganao daholo tsy afa-niala pà

Maka ianao tsy miera mamely tampoka
Tsy misy serasera na ady varotra
Fatana sy mofo voaroban’ny jiolahy
Nataonao tsy afa-bela ireo mpanohana ahy

Fa ny volan’i Obama, fa ny volan’i Obama
Tsy ho azonao na oviana na oviana Rajoelin’ ô!

=========
Nandao anao ela aho zanako ô
‘Zao dia te hody aho
Maniry hiankina an-tratranao
‘Zao dia te hody aho
Ty tamy aho
Zaza malala ô
Raiso ny tanako
Ty tamy aho
Zaza malala ô
Raiso ny tanako

Thursday, May 7, 2009

Raha toa moa ka … manohana ny HAT

Izahay filoha mpanorina sy mpikambana rehetra ato amin’ny FTFMA (Fikambanan’ny Tompona Fiara Mitanin’Andro) manerana ny nosy dia manao izao fanambarana izao :

1) Manohana ny fitondrana tateza-mita izay tarihin’ny Filoha Andry Nirina Rajoelina, ary manohana ny asa fampandrosoana iantsorohan’ny Governemanta Tateza-mita tarihin’ny Praiministra Monja Roindefo Zafitsimivalo.

2) Manambara fa ny fiaranay dia nizaka ny mafy noho ny didy jadona tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana, rehefa nivoaka ny didy mandrara ny fampiasana ny film matroka izany nanampy ireo fiara mitanina andro ireo tokoa hiady amin’ny hafanana.

3) Io didy mandrara ny fampiasana ny film matroka amin’ny fitaratry ny fiarakodia io dia tsy mitondra fampandrosoana sy filaminana velively, fa hevitra taingina nataon’ny mpitondra tamin’izany fotoana hamporisihana ny zandary sy polisy amin’ny fitangoana sy fanorana anay tsy manan-tsiny fotsiny. Tsipihinay ihany koa fa tsy mifanaraka velively amin’ny toe-tany mafana aty Afrika sy Madagasikara io didy io.

4) Taorian’ny famoahana ireo Gadra Politika sy ny fanokafana indray ny fiangonana FPVM, dia mitaky izahay ato amin’ny FTFMA ny mba hanafoanana io didy mandrara ny fampiasana ny film matroka io.

Amin’ny anaran’ny Birao sy ny mpikambana rehetra manerana ny Nosy.

Antananarivo, 07 mey 2009.