Thursday, September 17, 2009

Raha toa moa ka … 3 mipetraka, 1 mandeha

Raha nanomboka nampihavana ny korontana politika ny FFKM dia niseho ny tsi-fitovian-kevitra : 4 no isan’izy lehiben’antokom-pinoana mpampihavana, saingy ny iray toa naningana ary ny 3 niombon-kevitra. Nisy fotoana nanipy aron-tanana ny monsenera, ary saika mbola hampitohy ny fampihavanana ihany ny 3 tonta ambiny.

Rehefa tsy vitan’ny Malagasy sy ny Raiamandreny ara-panahy ny fampihavanana dia niditra an-tsehatra indray ny Afrikanina. Natao ankolafy efatra indray ireo hampihavanina ka natsofoka ho isan’izay hiara-midinika ny ankolafy Ratsiraka sy ny ankolafy Zafy Albert. Dia rehefa avy tany Maputo hono dia tsy niray saina indray ny ankolafy efatra fa ny telo niombona ary ny iray naningana.

Dia nanomboka hono ny SIIT teny amin’ny Futura Andranomena izay salon momba ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana. Dia tsy nahazo nandray anjara ny operateur Life fa ny Operateur 3 ihany no nahazo nandray anjara tao dia ny Orange, Telma ary Zain.

Inona ary izany : 3 mipetraka 1 mandeha…

Thursday, September 10, 2009

Raha toa moa ka … bizna mandeha

Rehefa raikitra ny korontana politika dia be ny very asa. Be ny miha-mahantra. Tsy ny tsirairay anefa no miha-mahantra fa misy kosa, ambadik’izay ny miha-manan-karena tampoka. Ary ireo manan-karena tampoka ireo dia tsy voatery ho ireo olona mpiara-dia amin’ny fitondrana na ny mpanakorontana akory, fa mety mba ho olon-tsotra fotsiny, toa ahy sy toa anao, saingy mba mahay manararaotra fotsiny ihany. Ny mahavoa antsika Malagasy mantsy, rehefa hoe mivaro-boanjo no asa fanao, dia tsy mieritreritra zavatra hafa hatao mihitsy fa hiaritra eo amin’io sehatr’asa io foana, nefa amin’ny fotoana sasany mety efa miova ny lalam-barotra ahitam-bokatsoa.

Indro ary, atolotra anao, lisitra sehatr’asa vitsivitsy mety hahitanao fahombiazana. Ndeha izany hatao hoe hamorona Groupement Inter Entreprises aho dia samy mitondra ny anarana hoe Jôgôlens daholo ireo entreprises haoriko, ary hamidy jiaby izy ireo ho an’izay liana ny hibizna.

- Jôgôlens Fashion: Spesialista amin’ny fanjairana palitao double face, fa tsy maintsy ho maro mantsy amin’izao ireo ho mpamadika palitao. Mety ho azo hoeritreretina (sa hoeretreret’na no fiteny, tsy haiko…) ny palitao triple face, avadika intelo mbola lafy tsarany foana no hitan’ny mpijery.

- Jôgôlens Trakta, Afisy, Grafitti (JTAG): mpanoratsoratra rindrina no asa iantsorohany ary mamafa ny soratsoratra apetraky ny hafa (izay mety ho ny orinasa JTAG ihany no nampanaovina izany). Mizara trakta sy mametraka afisy ihany koa. Tsy maintsy ho maro mantsy izao ny mpanakarama hoe soraty etsy hoe “Miala Rakoto” sy ny hoe “Avoahy RABE” sy ny sisa… Ny trakta indray dia ho ireo fanasoketana isan-karazany hatao amin’ireo adversera politika.

- Jôgôlens Bomb Maker : mivarotra kit complet fanaovana baomba artisanale. Misy karazana baomba maro: ny baomba mipoaka sy mandratra na mahafaty, ny baomba tsy mipoaka fa vitan’ny mpitandro ny filaminana ny manao ny desactivation-ny.

- Jôgôlens Fournisseur de Foules (JFF): Mamatsy vahoaka ireo hetsika pôlitika isan-karazany. Handeha koa mantsy ny guerre de vahoaka hoe ny mpanara-dia anay no tena betsaka vahoaka. Ity orinasa JFF ity izany dia manome vahoaka isan-karazany ho an’ireo mpamory vahoaka. Misy pack isan-karazany : Pack 13 Mai, pack 1,3 Mai (mahafeno ampahafolon’ny 13 mey), Pack 0,13 Mai (ampahazaton’i 13 mai), Pack 0,013 Mai, etsetra, etsetra. Misy kalitaony ihany koa ny karazam-bahoaka, ohatra hoe Fônksionera no tianay hananana betsaka ary toudé fônksionera mitokona, na hoe ny anay rehefa mameno kianja dia ça va, na dia tsy ampy taona aza no betsaka.

- Jôgôlens Spy : Afaka ampiasaina hikaroka dosie maloto-n’ny mpitondra teo aloha, mahavita manatsinkafona raharaha maloto maro, ahafahana mampiditra am-ponja azy ireny. Mitsikilo vie privée ihany koa ary sahy mampiseho izay malotoloto any amin’ny haino aman-jery ho ren-tany ren-danitra.

- Jôgôlens Maternité : Efa tsy ampy fialam-boly izao ny Gasy, ny fiainana manahirana, ny torimaso no itovizana amin’ny mpanankarena, tso-dranon’ny Tompo hoe Mamenoa ny Tany sisa no mora tanterahina.

- Jôgôlens Deejay School : Sekoly fanomanana ho DJ, débouchés tonga dia ministra na filoha.

Monday, September 7, 2009

Raha toa moa ka … hiverina amin’ny ara-dalàna isika

Misy volavolan-kevitra hanangana fikambanana iray izao efa naparitakay eran’ny tanàna any. Afaka miditra ho mpikambana ny olom-pirenena velona rehetra, maniry haneho amin’ny vahoaka eran-tàny fa mandàla ny ara-dalàna ny Malagasy. Tsy mahazo miditra ho mpikambana kosa ny mpanao politika, na ankolafy inona na ankolafy inona, satria ry lématy dia mpampandry adrisa fotsiny, milaza ho bonne sy milay kanefa feno fahalòvana.
Fikambanana MATI (Mpandàla ny Ara-dalàna Tena Izy) no hatao anaran’io fikambanana io. Tsy manao politika ary tsy manohana mpanao politika na iza na iza. Tsy azo hoentina amin’ny sehatra politika ny anaran’ny fikambanana.

aradalana.jpg

Ny mpikambana ao amin’ny MATI, araka ilay hoe Mpandàla ny Ara-dalàna Tena Izy, dia tena ho mpandàla ny ara-dalàna marina tokoa: tsy hiampita eny an-arabe raha tsy passage clouté, tsy hanakana betax raha tsy amin’ny toerana voatokana ho amin’izany, tsy midina am-pandehanana, tsy mividy amin’ny mpivarotra an-tsisin-dàlana tsy manara-dalàna, tsy miresaka amin’ny mpamily, tsy mamany eto, … etsetra, etsetra.