Thursday, September 17, 2009

Raha toa moa ka … 3 mipetraka, 1 mandeha

Raha nanomboka nampihavana ny korontana politika ny FFKM dia niseho ny tsi-fitovian-kevitra : 4 no isan’izy lehiben’antokom-pinoana mpampihavana, saingy ny iray toa naningana ary ny 3 niombon-kevitra. Nisy fotoana nanipy aron-tanana ny monsenera, ary saika mbola hampitohy ny fampihavanana ihany ny 3 tonta ambiny.

Rehefa tsy vitan’ny Malagasy sy ny Raiamandreny ara-panahy ny fampihavanana dia niditra an-tsehatra indray ny Afrikanina. Natao ankolafy efatra indray ireo hampihavanina ka natsofoka ho isan’izay hiara-midinika ny ankolafy Ratsiraka sy ny ankolafy Zafy Albert. Dia rehefa avy tany Maputo hono dia tsy niray saina indray ny ankolafy efatra fa ny telo niombona ary ny iray naningana.

Dia nanomboka hono ny SIIT teny amin’ny Futura Andranomena izay salon momba ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana. Dia tsy nahazo nandray anjara ny operateur Life fa ny Operateur 3 ihany no nahazo nandray anjara tao dia ny Orange, Telma ary Zain.

Inona ary izany : 3 mipetraka 1 mandeha…

  1. ikalamako

    Thursday, September 17, 2009 - 19:38:02

    tsy mety atao kitay telo an-dalana ilay izy kay…

  2. ravaka

    Thursday, September 17, 2009 - 23:39:34

    alika mi -pipi!

  3. DotMG

    Friday, September 18, 2009 - 09:48:45

    Ny lesona tsoahina amin’izany dia aza midongy hoe “Izahay ataovy ankolafy fahadimy”, satria iaraha-mahalala hoe ilay inona amin’ilay inona no fahadimy…

  4. debstar

    Tuesday, September 22, 2009 - 15:29:33

    Saika hiteny aho hoe THB+Gold vs. Skol fa kay tsy mety.

  5. Jogany - la Gentille admin du concours Best of Malagasy Blogs

    Wednesday, October 21, 2009 - 02:10:09

    Bonjour ,
    Vous avez été nominé pour les BOMBS 2009. Visitez la page et encouragez vos lecteurs à vous nominer pour la phase finale.
    Bon BOMBS!

    -

    Hi,
    Your blog has been submitted for BOMBS 2009. Please visit our page and ask your readers to promote you to the finals.
    Happy BOMBS!

    More on BOMBS here
    http://www.bestofmalagasyblogs.com/bombs
    http://www.bestofmalagasyblogs.com/regles/
    http://www.bestofmalagasyblogs.com/goodies
    http://twitter.com/Best_Blogs_Gasy
    http://www.facebook.com/posted.php?id=722462260&share_id=180278315189&comments=1#/event.php?eid=150604559927&ref=mf

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment